Gülen sy Confisius ary Platon momba ny lafatra ao amin'ny maha olona

Gülen sy Confisius ary Platon momba ny lafatra ao amin'ny maha olona

Ireo filozofia mandala ny mahaolona izay tena midadasik,a sy mifototra amina antony tokana dia manome fahitana tsara ny maha olona. Amin'ny amkamaroan'ny tranga, ny fisiany ao amin'ny fanahy dia an'ny fiaraha-monina iraisana voajanahary ary mampiditra ny politika, ny fanabeazana, ny fitondrana, ireo rafitra ara-piaraha-monina sy ny sisa manaraka. Amin'ny tranga hafa; ny fahitana dia mifototra, ny fahitana dia mifototra amin'ny isam-batan'olona sy amin'ny fomba izay ahafaha'ny tsirairay mahatratra ny toerana ambony indrindra sy hanaovany ny mendrika indrindra amin'ny fiainan'ny maha olona. Ireo ohatra amin'ny tranga voalohany dia ahitana ireo telo nalaza indrindra tamin'ny andron'ny Grika taloha: Socrate, Plato nary Aristote. Ilay mpanoratra niaritra ny fangirifiriana Epictète, ireo mpanaraka ny Epicure ary ny Bouddha no ohatra amin'ny tranga faharoa. Izay mapiseho fa na izany aza ny saika ireo ohatra sahala amin'ny tanjon'ny fampivelarana sy fahatanterahanan'ny maha olona. Ny fandalana ny maha olona, izay manome lanja ny olombelona amina ohatra maro, dia manangana amin'izany endrika misy heviny sy lavorary toy ny any amin'ny toeran'ny fandrefesana, sahala amin'ny tanjona izay misarika ireo andrakandrana rehetra, na noho ianao ihany na amin'ny amin'ny alalan'izay omeny mahakasika fisiana faratampony na izay tsy takatry ny saina toa an'Andriamanitra.

Ato amin'ity fizarana ity sy any amin'ny manaraka, hanangana "resaka hifamalian'olon-telo" aho eo amin'i Gülen, sy ny roa amin'ireo olona malaza eran-tany noho nanehoany tamin-kery lehibe ny lafatra amin'ny maha olona – Confisius sy Platon. Mahaliana ny fametrahana fa i Confisius (551-479 talohan'i Jesosy kristy) ary i Platon (427-347 talohan'i Jesosy Kristy) dia niaina manelanelana vanim-potoana iray eo ho eo, ny iray tany Sina, ny iray tany Atena ary samy niteny ny fahitana mifototra amin'ny fanovana mifandray amin'ny fiaraha-monina sy ny isam-batan'olona mifototra amin'ny finoan'izy ireo ny fifampitohizana ilaina amin'ny fiavian'ny olona andaniny ary amin'ny lamina sy ny "fizoran"' ny zavatra amina fisiana midadasika kokoa ankilany. Gülen dia mamelatra fohifohy fahitana fiaraha-monin'ny fanavaozana ara-panahy izay ny hery sy ny firindrana no manamarina ny fisiana sy ny ezaky ny olona izay manatsara araka izay vita, araka ny fitsipiky ny silamo. Ao amin'ny asan'ny tsirairay avy amin'izy telo ireo, Confisius, Platon sy Gülen, dia hitantsika dia misy filazana iraisana  izay mitarika ny fitambaran'ny fahitana ankatoavan'izy ireo: ny fiaraha-monina dia mizotra kokoa rehefa tantanana sy aorina olona manana sata ara-pitondra-tena sy ara-pahalalana. Ireo olon'ny satan'ny fitondra-tena sy fahalalana ireo dia manana mazava ho azy anarana samihafa ao amin'ny asan'ny mpandinika tsirairay avy, ary misy ireo ao amin'ny sehatry ny kolontsaina, filôzôfia ary finoana samihafa. Na dia izany aza dia mifampiako izy ireo, ao amin'ny fiaviana lalina ary ao amin'io fiavian'ny lafatra amin'ny maha olona io itadiantsika izao.

Confisius, Platon ary Gülen, na dia avy amina sehatra sy fahitana ny tontolo tena samy manana ny azy aza, dia manana fijery fototra iraisana momba ny rafitry ny zava-misy. Izy telo ireo dia manangana ny fahitana ankatoavina an'ny vondron'olombelona amin'ny alalan'ny fitarafana amin'ny hevitra tsy takatry ny saina izay fototra, loharano, fahamarinana na fiandohan'ny fisiana ara-vainga rehetra. Ho an'i Confisius, io hevitra tsy takatry ny saina io dia; tao na ilay lalan'ny zava-drehetra. Ny tao dia tsy zanahary akory fa manana ny hasiny manokana; dia ny hery, ny lalana voajanahary, na ny herin'ny fisiana. Ny zavatra rehetra dia misy ao amin'i tao sy noho i tao, amin'ny lalan'ny zava-drehetra. Ireo filôzôfia sinoa teraka tao aminy, ny fanarahana an'i Confisius sy tao, dia faritan'i tao sahala amin'ny fototra lalin'ny voahary rehetra, fiaviana sy fisiana ary izany dia amin'ny alalan'ny fanarahana azy na ny fidirana ao aminy fotsiny ihany, amin'ny fandraisana sy fakan-tahaka an'i tao fa ny firindrana dia afaka miaraka amin'ny fiainan'ny olombelona amina endrika fiaraha-monina, politika ary mifanaraka amin'ny tontolo.

Platon dia mamaritra io fisiana tsy takatry ny saina io toy ny "fisiana ao amin'ny fanahy fotsiny ihany" mifanohitra amin'ny tontolo "hita maso". Ao amin'ny resaka ifamaliana atsangany eo mpampianatra azy Socrate sy ireo mpianany, Socrate dia mamaritra ireo endrika roan'ny fiandohan'ny fisiana ireo, ny fisiana ao amin'ny fanahy sy ny hita maso, na indraindray amin'ny teny samihafa, ny hita maso sy ny haizina. Ny fisiana ao amin'ny fanahy na ny hita maso dia mandrakizay, tsy miseho amina vainga izay midika ny hevitra na ny fanahy madio, tsy mety maty, tsy azo ovana, loharanon'ny Hatsarana, ny Fahamarinana ary ny fanarahan-dalana. Izy dia manamarika izany amin'ny jiro sy hazavana, ampifanoheriny amin'ny herin'ny fisiana miantrehitra fotsiny amin'ny traikefany izay ny zanak'olombelona matetika dia manafangaro izany amin'ny fisiana marina faratampony. Ny tontolon'ny hita maso na ny haizina dia vainga, azo ovana, mety maty, tontolon'ny harena mety solosoloina, fahamarinana mirafy amina tombontsoa hafa sy ny filazana mazava ny zo. Raha fehezina, ny fisiana ao amin'ny fanahy na ny tontolo hita maso dia ny tontolon'ny fanahy madio sy izay faniriany, raha toa ka ny tontolo hita maso sy ny haizina dia tontolon'ny vatana sy ny filany. Ny fiainana maha olona ny isam-batan'olona sy ny iombonana dia tsara raha toa ka ilay voalohany no mitondra ilay faharoa.

Farany, Gülen dia miteny ny fahitany ny fiainana maha olona ao anatin'ny sehatry ny silamo, izay mandroso fahitana izay manavaka amin'ny fomba mifandray ny sehatry ny tany sy ny lanitra. Ny fiainana eto an-tany tsy manome afa-tsy fahafenoany, ny heviny sy ny fisiany raha tsy izy iainana ao anatin'ny fahalalana an'Andriamanitra, na Allah, toy ny loharano sy fototra marin'ny fisiana rehetra. Araka ny fiaviana, ny zava-misy rehetra dia "mosilimo", izay hoe ara-bakin-teny dia manetri-tena amin'Andriamanitra, satria tsy misy fisiana ivelan'ny tanan'Andriamanitra. Rehefa manaraka ny fizorany ny zavatra, manatanteraka ny fiainany sy ny tanjony araka ny nahariana azy dia manao izany izy "amin-panetrehan-tena" amin'Andriamanitra, amin'ny maha mosilimo azy. Raha ny tena izy, ny fiainana dia niainana feno kokoa raha toa ka niainana tamim-pisainana, fa tsy hoe tsy tamim-pisainana fotsiny, miaraka amin'ny maso mitodika any amin'ny Paradisa mandrakizain'ny fiainana amin'ny fanetrehan-tena amin'Andriamanitra.

Hitantsika araka izany tao anatin'ireo ohatra telo ireo dia samy manana ny filazany ny zava-misy avokoa ny tsirairay. Ny fisiana dia misy, tsy isalasalana, nefa izy dia mizara amina endrika, sehatra na fomba fisiana samihafa. Izay mahalala azy sy tonga saina amin'izany dia mahita ny fahasambarana, ny tsara sy ny marina, na inona na inona zava-mitranga satria ny fizorana dia mitodika hatrany any amin'ny fitodiana avon'ny fisiana fara-tampony. Izay minia tsy mahalala azy dia mahita fahafinaretana ao anatin'ny lavaka feno fotaka sy fifamahofahoana ary ny fitadiavana tsy misy fetrany ny fahafinaretan'ny nofo, jamban'ny fisiana manam-pahataperana, ambany sy anatin'ny "haizina". Raha fintinina dia, misy karazana vondrona olona roa, ireo mahiratra sy ireo jamba; mba hahatsara ny fiainana an-tany, dia tokony io tantanana sy tarihin'ireo voalohany.

Isan-taona, confisius sy ireo hafa dia mitondra fanavahana eo amin'ireo izay manana ny fanahy "faratampony" na "mendri-kaja" sy ireo manaraka ny lalan'ny "zara fa", "ambany" na izay manana ny fanahy faran'izay "tery". Izy ireo dia matetika tena mifanohitra:

Ny olona mendr-kaja dia tsy mitovy amin'ny hafa, nefa mandry fahalemana miaraka amin'izy ireo. Ny olona tery dia mitovy amin'izy ireo, saingy tsy tony izany miaraka aminy.

Ny olona mendri-kaja dia mampivelatra izay tsara ao amin'ny hafa fa tsy izay ratsy akory. Ny olona tery dia mitondra tena amin'ny mifanohitra amin'izany.

Ny olona mendri-kaja dia mitady ao anatiny ihany. Ny olona tery mitady any an-kafa.

Ao anatin'ireo sombiny ireo, hitantsika fa ny olona mendri-kaja dia manana fitodihana marina mitahy amin'ny hafa. Izy ireo dia manana fahafahana kokoa ao amin'ny endriny anatiny, izy mamela azy ireo hihaina sy hihetsika anatin'ny tontolo amin'ny fomba hafa kokoa noho ny an'ny hafa. Mitohy ny lahatsoratra:

Ny olona mendri-kaja dia manaja zavatra telo. Manaja ny lalan'ny lanitra izy; manaja ny olona ambony; manaja ny fitondra-tenan'ny olona madio. Ny olona tery dia tsy mahalala ny lalan'ny lanitra ary tsy manaja izany; mamingavinga tsy manome haja ny olona ambony; ary manodidina ireo lalan'ny fitondran-tenan'ireo olona madio ho eso.

Ny olona mendri-kaja dia mitandrina zavatra sivy. Mihezaka izy mba hahita tsara izay jereny, mba haheno tsara izay henoiny, manao izay itiavan'ny olona ny tenany, hanana toetra marina, mba ho alain-tahaka amin'ny asany; amin'ny ahiahiny, izy dia manontany, rehefa tezitra izy, dia mieritreritra izay mety ho tohin'ny hatezerana, manoloana ny zava-tsoa mety ho azo, raha toa ka mitadidy ny lalana izy.

Ireo fanahy miabo dia manaraka lalam-piainana hafa noho ny an'ireo fanahy miiba. Ny sofin'izy ireo dia mihaino ny fahendrena, ny fitsipika, ny hasina sy ny andraikitra, raha toa ireo olon'ny fahazavana na "miiba" dia tsy mba manongilan-tsofina amin'izany fanontaniana izany.

Platon dia milaza ny fizarazaran'ny olona mifanahaka ao anatin'ny "La République", izay iio no resaka ifamaliany lava indrindra. Boky maro no natokana andikana io lahatsoratra iray io. Ny fikasana anefa dia tsy ny hanao famakafakana lalina ny ampahany iray amin'ny reasaka ifamaliana. Izaho dia hifantoka fotsiny sy manokana amin'ireo andalana izaay mahakasika antsika eto. Sahala amin'ny voalaza any ambony, Platon dia mizara ny fisiana ho tontolo roa, ny tontolo mandrakizain'ny hevitra na ny fanahy madio sy ny tontolon'ny vainga manam-pahataperana. Ampahany betsaka amin'ny resadresak'i Socrates y ireo mpianany no mahakasika ny filôzôfa, na "izay mankatia fahendrena", ary mahazo tsara io fizarazarana eo amin'ny fisiana sy miaina araky sy mankany amin'io tontolo madio ara-kevitra io. Eny amin'ny fiafaran'ny resadresaka, Socrate dia mamaritra amin'ireo izay tsy mankatia fahendrena, tsy mahazo ny tena Fisiana Marina, izay noho izany dia tsy miaina na tsy mankasitraka ny zava-tsoan'ny fiainana mora mandray ny fahendrena. Miteny izy:

Ireo izay tsy mba manana traikefa amin'ny fahendrena sy filamatra, izay anatine fihinanam-be sy fahafinaretana mandavataona, dia tonga, sahala, any amin'ny faritra iva, avy eo anelanelany ary iaina tahaka izany foana mandritra ny fiainana; tsy mba miakatra amobony izany; tsy nahita hatramin'izay ny fisian'ny fahombiazana; tsy mbola tonga tamin'izany mihitsy; tsy mbola nofenoina tanteraka ny maha izy azy ary tsy mbola nofenoina tanteraka ny maha izy azy ary tsy mbola nanandrana ny tsiron'ny tena fahafinaretana mafy orina sy madio. Amin'ny fomban'ny biby, ny maso dia mitodika foana any ambany, ny loha miondrika mandrakariva amin'ny tany eo amin'ny latabatra, mihosy ny maloto ary miray ara-nifo, ary, mba hahazoany ny zara lebibe indrindra amin'ny fahafinaretany, dia mirenireny izy, miady amin'ny alalan'ny tandroka, sy ny kotro misy vy ary mifamono amim-katezerana noho ny fahazotoan-komany tsy azo ferana, satria tsy mba nofenoin'izy ireo tamin'ny zavatra mivaingana ny faritra mivaingana sy nogejan'izy ireo ihany, […]. Tsy zavatra ilaina ve ho azy ireo noho izany ny miaina anivona fahafinaretana miaro ahiahy, aizina ary fanombohana ny tena fahafinaretana, izay tsy mandray loko afa-tsy ireo ampitahana aminy, nefa tsy miseho ho tsara noho izy izay miteraka fitiavana mahery vaika ao amin'ireo tsy manan-keviny, izay miady mba hanana izany, sahala amin'ny niadiana tamin'i Troie ho amin'ny aizin' i Helène, araka ny fitenin'i Stésichore, hadisoan'ny tsy fahafantarana ny marina.

Sahala ny fampianarana araka an'i Confisius, ny fizarana dia mizarazara manelanelana ny vondron'olona roa, ireo izay Hendry ka mampifantoka ny sainy amin'ny fahafinaretan miiba sy ireo izay tsy mahalala ary mampifantoka ny sainy amin'ny fahafinaretana miiba. Amin'ny tranga tsara, ireo olona tsotra tsy mahalala dia mampitraka ny lohany hatrany amin'ny teboka manelanelana azy roa, nefa izy dia mandany ny ampahany maro amin'ny fiainany hifantoka amin'ny habaka misy eo anelanelan'ny ivo sy ny ambany. Izy ireo amin'izany dia sahala amin'ny biby izay manda.

Platon dia mandahatra ny fahasamihafana eo amin'ny filozofa sy ireo olon-tsotra ao amin'ny boky fahafiton'ny La Republique miaraka amin'ilay "alegorie dela caverne" milaza. Socrate eto dia milaza amintsika mba haka sary an-tsaina olona maro izay miaina tanaty lavabato hatramin'ny fahakeliny, tsy afa-mihetsika fa ny fijeriny dia tapitra hatreo amin'ny rindrina izay manoloana azy ireo. Ny tsy hitan'izy ireo, dia aoriany misy lalana lava sy midadasika afaka mitondra any ivelan'ny lavabato. Aorian'izy ireo koa dia misy hazavana manjopika izay mamerina ny alok'ireo zavatra ao an-damosin'ireo olona ireo ho eo amin'ny rindrina izay eo anoloany. Ny olona dia miaina ny fiainany mitodika hatrany any amin'io rindrina io, mitondra tena araka ireo aloka eo amin'ny rindrina sahala sahala amin'ny hoe zavatra tena misy izy ireny, tsy mahita akory fa izy ireo dia aloka ihany, dika, na fisehoana dison'ny zava-misy marina. Henon'izy ireo ny akon'ny feo ao anaty lavabato ary heveriny fa feo avy amin'ireo aloka izany. Mamorona tantara momba ny aloka izy ireo ary omeny heviny avy eo. Ho an'ireo olona ireo ny aloka no fisiana marina.

Nefa indray andro, ny iray tamin'izy ireo dia niala tamin'ny fomba tsy fantatra tamin'io tsy fahafaha-mihetsika io ary mitodika mba hijery ilay hazavana manjopika manazava, ny aloka izay noforoniny ary ny lalana izay mitondra mankany ivelan'ny lavabato sy any amina hazavana mbola mamiratra. Nanaraka io lalana io izy, ny maso tarafin'ny hazavana, mandrapivoakany ny lavabato ka tafiditra tanteraka tao anatin'ny hazavan'ny andro tao amin'ny tontolo "tena misy". Tsy mbola afaka nijery avy hatrany ny halebeazan'ny hazavan'ny tena fisiana izy; tsy maintsy mizatra aloha ny maso amin'ny alalan'ny fampiharana. Vitany ihany na izany aza ny nijery mazava sy tanteraka ary dia niverina tany an-davabato izy mba hiresaka amin'ireo hafa ny haizain'izy ireo sy ny hazavana izay mety ho azy ireo raha toa ka miala ao izy ireo, manome lamosina ny aloka ary manaraka ny lalana mankany amin'ny hazavana. Nandrabiraby azy izy ireo, tezitra taminy ary nikasa ny hamono azy noho ny heviny izay tena handalana sy miala tanteraka amin'ny tena fisiana.

Ny fitantarana eto dia mazava: ny sasany amin'olona dia hanangana ny toetoetrany rehetra amin'ny alalan'ny fitodiana any amin'ny fahazavan'ny fahendrena sy ny fahamarinana, ka hifotra amin'ny tanjony na eo azan y fahasarotana. Ny ankamaroany noho izay dia mitia ny lavabaton'ny haizina ary mandany ny fiainany amin'ny fanoloran-tena amin'ny fisarihana tsotra izay rah any marina dia "aloka", noho ny fahafinaretana miabo izay mifanaraka tanteraka amin'ny voahary manam-panahy. Manohy Socrate:

Izahay milaza fa io fahafahana io dia misy ary efa ao anatin'ny fanahin'ny tsirairay. Ny fomba miaraka amin'ny fianaran'ny tsirairay avy amintsika no ampifampitahana amin'izay hitan'ny maso: ty afaka hitodi-damosina amin'ny haizina mba hihatrika amin'ny hazavana izy raha tsy ny vantana iray manontolo mihitsy no mihodina. Mitovy amin'izany y fahafahan'ny fahalalantsika; miaraka amin'ny fanahintsika manontolo, isika dia tokony hanome lamosina ny tontolon'ny fandalovana mba hitodiana any amin'ny tontolon' ny voahary tsy manam-pahataperana, mandrapahatonga any amin'ny fahafahana mizaka ny fahitana amin'ny endriny tena manjopika. Izay antsointsika hoe ny hatsarana, sa tsy izany?

Noho izany na dia misy ao amin'ny tsirairay amintsika aza iio fahafahana miaina ny fiainany sahala amin'ny mitia fahendrena io, dia tsy misy afa-tsy vitsivitsy no miaina tanteraka amin'io. Mba hahatontosa izany, dia mila atodika ny fisainana iray manontolo mankany amin'ny tena fisainana marina ary maharitra amin'ireo sinton'ny fhafinaretana mandalo rehetra izay tsy inoana fa dika tsotran'ny fahamarinan'ny fisiana. Eo koa, ho an' i Platon sahala ny an'i Confisius, karazana olona fototra roa no misy eto amin'ity tontolo ity, ireo mahiratra sy ireo jamba.

Gülen dia namonjy an'i Platon sy Confisius noho izy mamaritra ny toetoetran'ny olombelona lafatra izay manavaka azy ireo amin'ny mponina tsotran'ny mahaolona. Anarana maso no nomena an'ireo izay mandrafitra ny hevitry ny mahaolona ao anatin'ny asan'i Gülen, toy ny hoe "ireo mpandova ny tany", "ireo olon'ny lafatra" sy "ireo olona lafatra". Na iza na iza no anarana, izy ireo dia mifampizara toetra iombonana izay manavaka azy ireo madiodio amin'izay mifototra amina vainga. Araka ny hevitr' i Gülen, izao tontolo izao amin'ny ankapobeny sy i Tiorkia manokana dia hahalala ny fanavaozana sy ny fahaterahana indray rehefa ireo olona lafatra ireo no misondrotra ara-panahy, ara-pitondra-tena sy ara-pahalalana mba hitanatanana ny zanak'olombelona, amin'ny alalan'ireo asa ataony sy ohatry ny fiainan'izy ireo manokana, mankany amina vanim-potoana vaobao. Rehefa tsy misy ny olona sahala amin'izany, ny fiaraha-monina dia hatrany ao anatin'ny dihiny tsy voafehy miaraka amin'ireo karazana foto-kevitra sy ny fiankinan-doha amin'ny filan'ny vatana araka izay itiavany azy ary ny olona ao amin'io fiaraha-monina io dia tsy hisondrotra ao amin'ny fahafahana miantso azy ho "olombelona" akory. Miteny Gülen:

Maro no miaina tsy amin-pieritreretana; ny sasany dia tsy misy ataony afa-tsy ny mieritreritra nefa tsy afaka akory mampihatra ny heritreriny… Ireo izay miaina tsy amim-pieritreretana dia fitaovan'ny filôzôfian'ny hafa. Ireny olona ireny dia manenjika maodely hafa hatrany, manova tsy mitsahatra ny lasitra sy ny endrika, mitondra tena sy miady ny fiainany rehetra, amin'ny fanovana ny fiheverana sy ny fihetseham-po, ny fanakorontanana ny maha izy azy ny tena ary ny fanovaovana ny toetra sy ny endrika ivelany, tsy ho afaka amndrakizay hiseho amin'ny maha izy azy… Ireny olona ireny dia mitovy foana amin'ny dobo tsy mamokatra, miandrona sy simbana fofona ratsy. Lavitra ny fahafahana maneho na inona na inona izay mety hampivoatra ny fiainana farafahakeliny, tsy azo iodivirana intsony fa ny olona sahala amin'izany dia hanjary loza itobian'ny otrik'aretina sy ny mikiraoba.

Izany rehetra izany dia tenin' i Gülen, nefa izy ireny koa dia meety ho tenini' i Platon na an'i Confisius. Gülen eto dia manao ny nataon'ireo namany ao amin'ny resaka ifanaovan'olon-telo teo alohany tamin'ny famaritana ho karazana olona roan y eto an-tany, ireo olona lafatra na ireo tonga saina amin'ny fisian'ny lafatra ary miezaka ny nanatonga izany sy ireo olona moifototra amin'ny vainga. Amina sehatra maro, ireo olona mifototra amin'ny nainga dia manana iombonana ny fanadinoana fa izy ireo dia olona misy lanjany. Manohy Gülen:

Ireny olona ireny dia tena mijery ivelany fotsiny amin'ny heviny sy ny fiheverany satria izy dia maka tahaka izay reny sy hitany fotsiny ihany, sahala amin'ny zaza, mandeha ho azy manaraky ny vesatr'izato na zaria, tsy mahita mihitsy irika mba hihainoana ny tena na mba hahatongan-tsaina ny lanjany na mba handinika izany; rah any marina, izy ireo dia tsy hahatsapa na oviana na oviana hoe izy ireo dia manana ny lanjany izay azy ireo irery. Izy ireo dia miaina ny fiainana sahala amin'ny sahala amin'ny andevo izy tsy afaka hanaiky mandrakizay ny hanafaka ny tenany amin'ny filan'izy ireo ara-vainga sy ara-nofo… Fanahy iniana na tsia, dia tafidira foana anaty fandrika izy ireo, arato iray na maromaro mahafaty ary mamono miaraka amin'izany ny fanahin'izy ireo amin'ny fahafatesana tena maha onena.

Tahaka ireo mponin'ny lavabaton'i Platon, ireo olona mifototra amin'ny vainga nofaritan'i Gülen miaina ny fiainana mifantsika amin'ny fahafinaretanan'ny vatana voafetra noho ny fahafinaretann miabon'ny fivelarana ara-tsaina sy ara-panahy ary ny anjara birikin'ny tsirairay eo anivon'ny fiaraha-monina. Izay midika, fa izy ireo dia manda ny maha olona azy ary miaina sahala amin'ny biby. Gülen dia milaza ny momban'ny olona izay maneho ny maha olona feno azy:

Na izany aza, ny zanak'olombelona dia mbola lavitry ny fanatanterahana ny fikasana sahala amin'izany noho ny vatany sy filany. Manampy izany, afaka tenenina koa fa rehefa tsy tonga saina ny amin'ny tenany izy na ny fisiany, izy dia ambanin'ny voahary hafa. Saingy ny olona, miaraka amin'ny fahafinaretan-tsany, ny finoany, ny fahatoongavan-tsainy sy ny fanahiny mpanara maso sy mpanatanteraka zavatra madio masina izay miafina anelanelan'ny tsipiky ny fiainana. Ny olombelona, na dia tsy afaka niseho amin'ny endriny tsy manan-kevitra aza, izy nohi izany no "ohatra mendrika", izy be mpitia kokoa noho ny hafa. Ny silamo dia mandinika ny olombelona nefa tsy mankany amin'ny fihoaram-pefy. Io no finoana tokana amin'ireo karazana finoana mandray ny maha olona sahala amin'ny voahary ambony voatokana ho ana andraikitra miavaka, feno hery ary talenta ambony noho izy olombelona.

Ny hevitr'i Gülen dia manazava, na dia maro aza ireo mety hanisy fisalasalana amin'ny filazany ny fahitana hafa ny zanak'olombelona amin'ny silamo. Sahala amin'ny efa hitantsika tany amin'ny fizarana voalohany, Gülen dia milaza ny hasina voajanaharin'ny olombelona sy ny lanjany ara-pitondra-tena eo anivon'ny finoana sy ny filôzôfian'ny silamo. Na iza na iza miaina tsy amim-pieritreretana an'io lanja sy fampanantenana voajanahary ion a amin'ny fanosihosena izany, dia nisafidy fiainana ambany noho ny fiainan'ny maha olona. Ny mampalahelo, dia iio indrindra no safidian'ny ankamaroan'ny olona.

Nefa, izy dia mampiditra vesatra olona maro miavaka izay mahita lavitra noho ny fahafinaretana sy ny sintona mandalo ary ny fepetran'ny fiainana eto amin'izao tontolo izao. Ireny olona ireny, voafaritr' i Confisius amin'ny fomba samihaafa, Platon sy Gülen, no manatanteraka ny hevitry ny olona ary koa izy ireny dia maodely mamiratr'izay mety hiseho eo amin'ny sehatry ny fiainan'ny maha olona. Ho an'ny tsirairay avy amin'izy telo ireo, ny fanantenana fiainana tsara ho an'ny olombelona tsirairay sy ny fiaraha-monina na[politika dia mipetraka eo an-tsorok'ireo olona ireo. Izy telo noho izany dia milaza araka ny fombany avy fa ireo olombelona lafatra ireo dia tokony handray ny toerany maha mpitarika eo anivon'ny fiaraha-monina.

Sahala amin'ny efa voatondro any ambony, ny olona ambony manaraka ny fampiaanaran' i Confisius dia miavaka amin'ny maro amin'ny alalan'ny toetra ara-pitondra-tenany. Confisius sy hafa koa ao amin'ny fomban-drazana dia milaza matetika  ireo filamatra fototra izay mamaritra ny olona ambony ary maneho ny halalinany amin'ny maha olona azy. Ireo filamatra fototra ireo dia antsoina hoe "filamatra marin-dranon'" ny fandalana ny fampianaran' i Confisius. Izy ireo dia miova araka ny isa sy ny fanondroana "madinika" na "maventy" arakaraky ny mpana o azy saingy laina na ho inona na ho inona fitambarana fenon'ireo toetra najoron'ireo olona ambony ireo. Ireo filamatra dia misy ireto: ren – ny maha olona, ny fahatsorana, ny hatsarana; li – ny fahalalam-pomba, ny toerana, ny fanitsiana; yi – ny fahamarinana, ny fahitsiana; zhi – ny fahendrena; xin – ny fanaja-tena, ny fanarahan-dalana; sheng – ny fahamatorana; xiao – ny finoana ny an'ny tena. Ny fomban-drazana dia mitarika fa i Confisius dia manindry mafy ny amin'ireo filamatra ireo sy ny amin'ny hafa koa. Na izany aza, ny ren sy ny li no tena tsindriany mafy, ary amin'ireo roa ireo, ren dia manangona ny fiavian'ireo filamatra rehetra ireo. Ny ren no fototry ny filamatra rehetra ary, sahala amin'ny lazain'i Laurence G. Thompson, "ny fahatomombanan'ny fitondra-tena dia efa mofehezina aoa antin'ny ren… Ho an'ny mpampianatra K'ung, io dia mapiseho ny hevitra faratampony izay tsy mbola nahitany olona hoe io teny io dia afaka nazavaina." Ny fanindriana ny ren dia manavaka ny fanarahana ny fampianaran'i Confisius amin'ireo endrika finoana izay manolotra hevitra voatombobatsy ao amin'ny fisitahana ara-piaraha-monina na ara-politika, ao amin'ny fandalana ny finoana mankany amin'ny fahatomombanan'ny fitondra-tena, na ao amin'ny fampiarana ara-tsakafo, yoga na ny fanovana ny vy ho volamena iombonan'ny fitadiavana ara-pinoana ataon'ny Sinoa. Ny fomban'ireo manam-pahalalana, anarana nomena ny fomban'ireo mpandala ny fampianaran'i Confisius izay miantso amin'ny fampivelarana ny olona ambony amin'ny alalan'ireo filamatra ara-pitondra-tenan'izy ireo sy ara-pahalalana, mametraka ny trindry eo amin'ny fiforonan'ny toetra, na inona na inona tetiarana, izay avy eo ampiasan'ny fanjakana. Ny ren no lafatry ny fitondra-tena tena feno fahatsarana, maha olona ary asa soa, ary ny ren dia maniry ao anatin'ny olona amin'ny alalan'ny li, ny fanatanterahana ny fomba. Tantara iray notsoahina tao amin'ny Analectes no manazava:

Ien Iuen dia manontany an'i Confisius momba ny filamatry ny maha olona [ren], namaly ilay Mpampianatra: "nifehy tena, ary miverina ami'ny fahalalam-pomba [li], izany no hevitry ny maha olona. Raha any andro iray isika afaka mifehy ny tenantsika, ny mametraka ny fomba, vetivety foana dia ho rakotr'io filamatry ny maha olona io izao tontolo izao. Hitondra tena sahala amin'izany moa ve tsy miankina amintsika ihany fa tsy ny hafa akory? "Ien Iuen niteny: "Mamela ahy ianao anontany ny fomba arahina." Namaly ilay Mpampianatra: "Tsy mijeri na inona na inona, tsy mihaino na inona na inona izay mifanohitra amin'ny fomba; tsy miteny na inona na inona, tsy manao na inona na inona amin'ny fomba." Hoy Ien Iuen: "Na eo azan y tsy fahampiaka ara-paharanitan-tsaina, mamela ahy mba hirotsaka ho mpanatanteraka izany fampianarana izany."

Ny finoana mafy ary eto dia ny fidirana mandrakizay amina endrika fahaiza-miaina, toerana sy fomba ao amin'ny endriky ny fiainana izay mitaky fitsipika mba ampiasaina indray hambolena ao amin'ny tsirairay ny toetra fahaiza-miaina, hatsarana sy maha olona. Ny ren, rehefa misy olona iray mampivelatra izany ao aminy, manome azy ny fototra mba hampivelarana ny filamatra hafa rehetra amin'ny alalan'ny fampiasana marin-drano ny Li. Ny ren eto dia miodina amin'ny fomba mifanahatsahana amin'ny "fitondra-tena mendriky" ny lalanan'i Kant amin'ny toetran'ny fitondra-tena voafaritra ao amin'ny fizarana voalohany. Raha tsy misy ny fandavan-tena mendrika, tsy misy mihitsy zavatra tsara hipoitra. Mitovy amin'izany, raha tsy misy ny ren, ny fitongilanana mankany amin'ny hatsarana sy ny maha olona ary ireo filamatra hafa dia tsy hanana fototra.

Ny olona ambony, rehefa manisy heviny ireo filamatra marin-drano ary rehefa mandray ny andraikiny ao amin'ny fiaraha-monim-pirenena, dia tonga amin'ny fahazoany fahefana ao amin'ny fiaraha-monina izay mazava loatra fa ara-dalana. Ny fiteny an'izany dia ny Le, matetika dia adika hoe "herin-tsaina" na "filamatra". Ny filamatry ny olona ambony dia mampivoatra sy misintona izay manodidina azy, noho ny fomba fitantanany manjary fanitarana ny toetrany manokana. Vakiantsika ao amin'ny Analectes:

Hoy ilay Mpampianatra: "ny olona izay mitantana ny mponina amin'ny alalan'ny filamatra [te] dia mitovy amin'ny kintana fitarikandro izay tsy mihetsika, mandritra ny fotoana ihodonan'ny kintana hafa rehetra manodidina azy."

Hoy ilay Mpampianatra: "raha toa ka entin'ny zanaka lahin'ny mpanjaka amin'ny alalan'ny lalana ny mponina ary tazoniny ao anatin'ny fikambanana amin'ny alalan'ny fanasaziana, ny mponina dia hiala amin'ny fanaovana ratsy, saingy tsy agafantatra ny henatra izy. Raha toa ka tarihin'ny zanaka lahin'ny mpanjaka amin'ny alalan'ny filamatra ny mponina ary ampanjakainy ny fiombonana amin'ny alalan'ny fomba, ny mponina dia ahalala ny henatry ny fanaovana ratsy, ary ho tonga mpino." Manontany an'i Confisius i Ki k'ang Tzeu mikasika ny fomba fitantanana, miteny aminy: "Tsy mety ve y ataoko mampamono ireo izay mitsipaka ny lalana, mba hanomezana toeraana izay manaraka azy?" Mamaly Confisius: "Mba hitantanana ny mponina, tompoko, mila mamono ve ianao? Ianao mizora mankany amin'ny tsara, dia ho tsar any mponina. Ny filamatra [te]-n'ny zanaka lahin'ny mpanjaka dia mitovy amin'ny bozaka."

Ire mpampianatra dia naniry ny hiaina  anivona foka sivy nbarabara tany Atsinanana tany. Nisy olona niteny taminy: 'tsy mahalala fomba izy ireo, mety aminy ve ny hiara-monina amin'izy ireo? "Namaly izy: "Raha misy olona iray mendri-kaja mitoetra eo anivon'izy ireo, mbola hijanona sahala amin'izany ve izy?"

Ireo andalana ireo dia mamoha fa ny te dia hery ao anatin'ny isam-batan'olona ary avy aminy ihany, ampy hitantana ny fitondran-tenan'ny manodidina raha toa izy ka mikitikitika ny fiainan'ny olona iray tenenina hoe ambony na mendri-kaja. Ny sahala amin'izany manetsika ny te dia kely na tsy manana olana amin'ny fitantanana ny mpikambanana ao amin'ny fiaraha-monina satria izy dia tsy voasintona afa-tsy avy amin'ny alalan'ny fanoharana ataony amin'ny tenany ihany. Avy amin'ny filamatry ny tenany no ahatsapan'izy ireo fanenenana noho ny tsy fieritreretany; avy amin'ny filamatry ny tenany no anarahan'izy ireo ny alalana mitondra amin'ny finoana ary avy amin'ny filamatry ny tenany no anorenany indray maha boto azy ireo ary tsy mila manery azy ireo hanao izany akory izy. Ireo fitenenana ireo dia tafiditra ao anatin'ny sehatry ny finoan'i Confisius amin'ny maha olona azy izay voajanahary sy miorina tsara. Confisius dia tsy momba izay mahakasika ny zanak'olombelona sy ny fahafahan'izy ireo manao ratsy; tena tonga saina ny amin'izany izy. Saingy izy dia mijanona resy lahatra fa ny fitondra-tena mendrika ny olombelona dia afaka mivelatra amin'ny alalan'ny fampiarana malalaka sy feno ny hatsarana voajanahary misy ao aminy izay mahatonga azy ho mendri-kaja amina fivelarana sahala amin'izany. Manampy izany, ity fanajana ity, dia midika fa ny olombelona dia mitondra tena amin'ny fanehoana ny hatsarana ara-pitondra-tena amim-pihorenana indray, na dia tokony ho amim-pomba voafetra aza, ao amin'ny hevitry ny hatsarana ara-pitondra-tena. Araka izany, ny ahitra dia mifolaka miaraka amin'ny rivotra ary kintana madinika dia miodina eo amin'ny kintana fitarikandro. Izany no fahefan'ny te.

Confisius dia milaza matetika manerana ny fomba fa raha tsy misy ny anjara birikin'ny olona ambony, ireny maodelina filamatra ara-pitondra-tena sy ara-pahalalana ireny, ny fiaraha-monina dia ho tafiditra tanteraka ao amin'ny fahapotehana. Lasa iharan'ny fiankinan-doha diso tafahoatra amin'ny vainga izy, fomba maro tsy misy dikany, fahaterem-panahy sy haratsiana ara-pitondra-tena. Rah any marina dia izany no nitsaran'i Confisius sy fiaraha-monina tamin'ny androny, ary ireo fampianarany dia manana tanjona hamahavaha izany olana goavana izany. Araka ny heviny, diatsy hisy mihitsy anatine fioaraha-monina iray filaminana na firindrana ka tsy miamtoboka amin'ny toetra anatin' izay isam-batan'olona izay mitondra avy eon y filamatra ara-pitondra-tenan'izy ireo eo amin'ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fitondrana ny anjara birikiny amin'ny fitondrana. Amin'izany ny fanarahana ny fampianaran'i Confisius dia fampiarana lalana ara-politika fa tsy lalana ara-pitondra-tena na ara-pinoana. Manampy izany, izy dia lalanan'ny mpandala ny mahaolona sy ny mpitia ny voajanahary izay mametraka ny loharaharana ny olona izay manolo-tena mba hanatanteraka amin'ny maha izy azy azy ny fahombiazan'ny olombelona, ny hevitry ny fahatomombanana ara-pitondra-tena sy ara-pahalalana.

Sahala amin'i Confisius, Platon dia mampiseho lalana iray momban'ny fampivelarana ara-pitondra-tena sy fitantanana ara-politika ao amin'ny La Republique mifantoka amin'ny fisian'ny zanak'olombelona lafatra izay mankatia ny fahendrena, ara-bakiteny "filôzôfa ". Ireo resak'i Platon dia mampiseho ilay mpampianany hajainy Socrate ho toy ny ohatra mendriky ny filôzôfa amin'ny endriny rehetra. Socrate dia manisy heviny araka izany ny lafatra eo amin'ny olombelona sahala amin'ny hisehoany ao amin'ny resak'i Platon, ary izy dia mpampianatra io hevitra io an'ireo tanora lehilahy izay mivory manodidina azy. Sady fiainana no heviny no mampianatra ireo mpianany, ireo izay naira nipetrapetraka taminy tamin'ny andron'ny Grika taloha, sy ireo izay mamaky ny resak'i Platon ankehitriny.

Ny "maha izy azy an'i Socrate" dia tena voafaritra mazava tsara mandritra ny resak'i Platon, nefa ireny dia mety ho ny Apologie, Criton et Phédon izay mandrafitra io maha izay azy io amin'ny fomba tena miavaka. Ao amin'ireny reska ireny, Socrate dia mampitaha ireo mpitsara avy any Atena izay manameloka azy ary miafara tamin'ny famonoana noho ny tsy finoana sy ny kolikolin'tanora teo an-tanana. Izy dia nanaiky ny famonoana izay voatondro ho azy ary, ao amin'ilay tsipika farany malazan'ny Phédon, nosotroiny ilay tambavy misy poizina mahafaty nomen'ilay mpiambina azy ary maty izy. Socrate, rehefa miaro tena manoloana ny fanendrikendrehana ataon'ny mpitsara izy dia milaza ny fahitana ny fiainan'olona lafatra, izany hoe, fariparitany ny karazam-piainana faratampony sy mendrika ary miaro tena izy amin'ny filazana fa izy dia efa niaina izany tamin'ny fiezahana mba hahazo sy hanazava ary ny fanoharana iio fiainana io ambony sy mendrika io dia ao anatin'ny Criton et Phédon, tamin'ny fotoana niainany farany tany am-ponja dia nandray ireo mpianany nitsidika azy izy.

Ny toetra tena manan-danja indrindran'ny filôzôfa, sahala amin'ny nampianarina sy narafitr'i Socrate, dia ny fahendrena. Ny teny hoe " filôzôfa ", tena marina, dia midika hoe "izay olona mitia fahendrena". Na izany aza, io dia voazava amin'ny fomba hafa ao amin'ny Apologie. Raha ny marina ny filôzôfa dia Hendry satria izy dia milaza fa tsy mahalala afa-tsy zavatra kely na tsy misy mihitsy aza. Socrate no olombelona faran'izay Hendry fantany, mifanohitra tanteraka amin'ireo manam-pahaizana sy ireo mpandala Sofa tamin'ny androny, fa hoe izy dia tsy Hendry velively. Ny fahendrena, tena izany mihitsy, ny fahalalana ny fetran'ny fahalalan'ny olombelona, indrindra fa rehefa io dingan'ny fianarana io noo mijanona amin'ny lalan'ny fanabonian-yena sy ny tsy fisian'ny fandavan-tena. Ny vokatr'iio karazana fahendrena miavaka io dia fiainana niainana tokoa fa ahazoana fahalalana, mba hitadiavana eny rehetra eny sy amin'ny fomba rehetra. Rehafa fehezina, Socrate dia niaina sy nametraka fa ny hafa dia mivelona amin'ny fitadiavana ny marina, ary ny fiainana mitady ny fahamarinana dia manadihady ary miverina manadihady matetika ny zavatra rehetra. Vokany, ny sary izay asehon'i Platon momba ny mpampianany ao amin'ny resany dia ny an'ilay olona maniry ny hiala amin'ny fitadiavana rehetra mba ho takalona fifampiresahana iray sy fanadihadiana lalina momba ny fiavian'izay hoe manam-boninahitra; ny fitiavana, ny fahamendrehana, ny hatsarana, ny fahamarinana sy ny manaraka rehetra. Socrate dia tsy mamela na oviana na oviana fifampiresahana sahala amin'izany, na dia rehefa izy mihevitra fa manana finoana mipetraka sy mafy orina amin'ireny fanontaniana ireny iny aza. Izy dia maniry hatrany ny handeha lavitra, hiditra lalina ao amin'ny fandalinany, ary hampiatra mihitsy aza tsoa-kevitra matotra. Ny hevitry ny fiainana sahala amin'izay dia miteraka ilay fehezantenin' i Socrate faran'ny malaza hoe: "Ny fiainana tsy nisy fanadihadiana dia tsy fiainana tena niainana."

Socrate dia manome heviny ireo toetoetra hafan'ny olombelona lafatra, na ny filôzôfa, mifantoka kokoa amin'ny fanahy noho izay mahakasika ny vatana, amin'ny fahatahorana kokoa ny habibiana noho ny fahafatesana ary amin'ny tsy fandairan'ny hevitry ny maro aminy. Io lohahevitra farany io dia tena manan-danja tokoa ho an'izao resadresaka izao. Socrate  dia miteny amin'i Criton fa izy dia tokony hiaina ny fiainany amin'ny fitadiavana rano fotsiny ny hevitr'ireo olona hotsarana sy ireo mahalala, fa tsy ny an'ny be sy ny maro. Ireo maro ireo dia manana fironana managana hevitra maro amin'ny zavatra rehetra ary mifantoka amin'ny fahazoana haingana ny tombony ara-vainga raha mitaha amin'ny fisiana mandrakizay. Vokany, Criton dia tokony hifaly amin'ny hevitra sy ny faneken'ny manam-pahendrena, na kely aza izy ireny. Eo anivon'ireo filazana rehatra ireo dia ahitana finoana lalina fa ny fisainana izay ambolena ny filamatra sy ny fahamendrehana. Manampy izany, sahala amin'ny nanazavan'i Socrate azy ao amin'ny La Republique, ny olona tsirairay izay manana io filamatra io dia tokony tondroina ho tompon'andraikitry ny fanjakana, raha tsy izay ny tsy filaminana sy ny fanagejana dia tsy ho azo ialana.

Ny hevitra hoe ny fiainana dia hilamina rehefa ny filamatra no manjaka dia lohahevitra miverimberina ao amin'ny fampianaran'i Socrate, ary io no lohahevitra ivon'ny La Republique. Milaza izy fany "faritra" minon'ny mpitarika no tokony hitondra ny faritra hafa rehetra mba hampisy ny filaminana, ny firindrana ary ny filaminana ao amin'ny mpitarika iray manontolo. Izany dia marina na eo anivon'ny isam-batan'olona n any iombonana. Ny tsirairay dia mitondra ny fiainany miainga amin'ny faritra farany izay avo sy mendrika indrindra aminy ihany, fantatra amin'izany ny fanahy izay ara-boajanahary dia mandray ireo filamatra ambony sahala amin'ny hatsarana, ny fahamarinana ary ny fahitsiana. Mitovy amin'izany, ny fiaraha-monina dia milamina, mirindra ary mahitsy rehefa ireo mpikambana ambony sy mendrika no mitantana ny sisa rehetra. Ireo mpikambana ambony sy mendrika ireo dia ny filôzôfa, ireo olona mivelatra ara-pitondra-tena izay noresahantsika tany ambony, izay teneniny any am-para fa "ireo mpiambina" ny fanjakana. Socrate dia nametraka fa ny maro no mety hahita fa tsy mampino ny hevitra fa ireo filôzôfa dia tokony ho mpanjaka, nefa izy dia misisika matetika amin'io tranga io. Hoy izy tamin'i Glaucon, iray tamin'ireo nanodidina azy teo:

Farafahakeliny, averiko ve, fa ny filôzôfa dia tsy ho tonga mpanjaka amina Tanana na ireo izay mety antsoina hoe mpanjaka sy matanjaka dia tsy handalina amim-pahadiovam-po n any mifanaraka amin'izany, ary izany dia tsy ho hita mitambatra anatine olona iray, fahefana, politika sy fandalinanana, fa ny fandohana miiban'ireo izay entina mankany amin'ny fanilihina ny hafa dia tsy ho voasakan'ny mifanohitra aminy, ny fampitsaharana ny aretina dia tsy azo vinavinaina, ry Glaucon tiako, ao amin'ireo tanana na aza, mino aho, ho an'ireo karazana olombelona, na koa io fitondrana politika io, amin'ny fotoana sasany na talohaloha kely, dia tsy tsy mivelatra mankany amin'ny fetezana sy fahitana ny hazavan'ny andro, ilay olona izay vao nandalo tao anatin'ny lohatenintsika. Nefa teo no nanintona ahy efa ho fotoana maromaro izao ny tahotry ny miteny, ny fahitana fa izany dia voalaza fa tena mifanohitra amin'ny hevitra iombonana. Dia sarotra noho izany ny mahita fatsy afaka ho tonga amin'ny fahasambarana, na amin'ny fiainana manokana na amin'ny fiainan'ny be sy ny maro.

Manan-danja tokoa ny fametrahana ao amin'io andalana io  Socrate dia mamaritra sahala amin'ny "fiandohana miiba" ireo izay tsy mitady afa-tsy fahefana ara-pilotika na fahalalana ara-pilôzôfia fotsiny ihany, fa tsy izy roa miaraka. Milaza izy eto fa ilay voalohany tsy misy ilay faharoa dia mitondra mankany amin'ny fanagejana sy any amin'ny kolikoly, raha toa ka ilay faharoa tsy misy ilay voalohany dia mitondra mankany amin'ny tsy misy dikany sy ny tsy misy ilavana azy. Ireo izay manana ny fahefana ara-politika nefa tsy manana ny fahalalana ara-pilôzôfia mba hampiasa izany dia hitondra ny firenena amin'ny tsy fahafantarany afa-tsy ny tombony ho an'ny tenany sy ny fahafahana mitrandraka. Ireo izay manana ny fahalalana ara-pilôzôfia nefa tsy manana fahitana ny fampiarana ara-politikan'ny fahalalan'izy ireo dia mandany ny heriny amina zavatra tsy misy dikany sy aingitraingitra ara-pahalalana izay tsy manana fampiarana ilaina akory. Vokany, ireo sehatra roa ireo dia tokony hifanindra-dalana ary ireo tena filozofa dia tokony ho mpitantana.

Ireo tena filozofa mazava ho azy dia ireo efa voafaritra tany aloha, ireo izay manahy betsaba amin'ny fisiana mandrakizay fa tsy izay mandalo, izay mitady ny hazavana fa tsy ny haizin'ny lavabato, izay miaina sahala amin'ny fanahy tsy mety maty, fa tsy ireo sahala amin'ny biby mihinana sy miray ka ny ankamaroany dia misafidy ny haka tahaka izany. Tsy misy afa-tsy ireo olona, lehilahy sy vehivavy izay miara-monina tsy amim-pikarakarana ireo harenany manokana eny na dia e anivon'ny fiainany manokana eo anivon'ny fianakaviany azy, izay afaka mitondra ny sambon'ny fanjakana mba hahatonga ny hatsarana, ny filaminana ary ny fahamarinana hibahana eo amin'ny vono mahamay. Ireo tena filozofa ireo dia mitady ny marina eo ambonin'ny rehetra, ary izany araka ny heviny dia hiainan'ny isam-batan'olona sy ny daholo be. Tsy hisy fetezana firindrana ara-piaraha-monina sy ara-politika mihitsy ivelan'ny fitondran'izy ireo.

Socrate dia mametraka fa ny heviny momba ny repoblika dia tsy ho faty ao amin'ny fisiana, saingy izy dia manipaka matetika fa ireo izay manahy ny fiaraha-monina dia tokony hihezaka ny hahatratra izany araka izay mety. Raha tsy izy, dia tsy misy afa-tsy ny jadona sy ny fanagejana no hitoetra sahala amin'ny safidy tokan'ny fiaraha-monina Confisius sy Socrate dia nahita mazava tamin'ny andron'izy ireo ny fahasimbana izay mety hilentehan'ny fiaraha-monina raha toa ka ireo tsy manahy ny hatsarana n any fahamarinana no mitazona ny hazo fibaikona ny fahefana. Ny mety ho faharavana nisy tamin'ny andro taloha dia tena nisy ary velona tanteraka amin'ny tontolo ankehitriny, Gülen dia manazava amin'izao fotoana ny fahitana iray mba hitantana ny fiaraha-monina izay tena miako lavitra amin'ny an'ireo namana taloha. Ho an'i Gülen tahaka ny an'i Confisius sy Socrate, ny fanantenan'ny fiaraha-monina dia mipetraka tanteraka eo amin'ny fahefan'ireo "zanak'olombelona lafatra" ireo.

Ny fandinihan'i Gülen mikasika ny tontolon'ny Silamo sy indrindra momba ny tantara sy anjaran'ny "Anatolie" dia mifanakaiky amin'ny fandinihan'i Confisius ny momba an'i Sina taloha. Izy roa dia samy mitaha amina vanim-potoana goavana efa nandalo avokoa izay efa very ary tokony hotadidiana indray. Confisius dia mitaha matetika amina governor taloha, amperora na hafa koa tamina vaninandro lasa tahakaa ny ohatr'ireo mpanjaka sy manam-pahendrena izay tokony, tamin'ny androny, no nalain-tahaka mba hahatonga an'i Sina ahitana ny heriny taloha sy hiala amin'ny fizarazarana ary ny fanagejana. Gülen ihany koa dia mieritreritra momba ny fandresena niainana tamin'ny fanjakana Ottoman, vanim-potoana iray izay ny kolontsaina tiorka no tamin'ny toerana ambony indrindra ary ny Silamo izay sady finoana no kolontsaina, dia nahatratra ny fahamboniana maneran-tany tanatina refy manana ny heviny. Araka ny fitsarany, ny tena halebean'ireo Ottoman dia hita tao amin'ireo fanoloran-tenany ho ana hevitra lehibe mikendry ny soa ho an'ny fiaraha-monin'ny vanim-potoanan'izy ireo sy ny an'ny ankehitriny, ary ao amin'ny fiandohana mosilimo satria izy ireo dia manaraka ny dian'ireo mpitarika efatra izay nitondra teo amin'ny fiatomboahan'ny Silamo, taorian'ny nahafaty ny Mpaminany Mohammad. Gülen dia milaza far aha sary misongadina sahala amin-dry Pharaon, César sy Napoléon no indrisy malaza noho ireo asany, ny fahatanterahan'izy ireo dia tsy naharitra satria izy ireo dia natosiky ny heriny fa tsy mba tamin'ny alalan'ny hevitra lehibe ho an'ny mahaolona iray manontolo na ho an'ny ho avy fa noho ny fitiavan-tenany manokana, ny faniriana tsy voahevitra sy ny hetahetana fahefana. Miteny ny momba azy ireo Gülen:

Ny fiainan'izy ireo feno fifangaroana sy tsy tony, izay nahasarika olona maro, dia tsy mbola tonga ary tsy hanjary mandrakizay na amin'ny fomba manoa ahoana ho tokin'ny ho avy. Satria ireny olona ireny no mahantra, fadiranovana izay misarika ny fahamarinana ho eo amin'ny fibaikona ny fahefana, izay mitady hatrany ny fitoviana sy ny fifandraisana ara-piaraha-monina any amin'izay misy tombony manokana sy fanararaotana, ary izay niaina ny fiainany sahala amin'ny andevo, tsy manaiky mihitsy ny hiala amin'ny fahasiahana, ny fitiavan-tena sy ny filan'ny vatana.

Ny tsy fahampian'ny hevitra lehibe sy ny lanjan'ny mandrakizay ho an'ny ankehitriny sy ny ho avy no misakana ny asan'ireo sary tsara tadidy ireo mba hanana fahefana miabo sy maharitra. Nefa araka ny hevitr'i Gülen, dia tsy izany velively no niainan'ny mpitarika voalohany sy ireo Ottoman, hoy izy:

Noho ny fanoherana, voaloha ny ireo mpitarika efatra tsara tarika ary taty aoriana kely ireo Ottoman dia nahavita goavana, izay ny vokany dia nihoatra io tontolo io ary nipaka tany amin'ny manodidina, izay izy ireo dia afaka nifaninana amina taonjato maro; tena marina, izany dia natokana ho an'ireo izay tsy voasariky ny fampanantenana mamitaka sy ny fanakonana voafetran'ny fotoana. Na dia nahafeno tanteraka ny fiainany sy ny andraikiny aza izy ireo ary maty, dia ho tsaroantsika hatrany, ho resahantsika, ary izy ireo dia hahita toerana ao am-pontsika sahala amin'ny voahary tsara sy maha-te ho tia. Amin'ny toerana kely rehetra amin'ny firenentsika, ny fanahy ary ny fiandohan'ny olona sahala amin-dry Alparslan, Meliksat, Osman Gazi, Fatih [Mehmet II Le Conquérant] ary maro hafa, dia mitsoka sahala amin'ny hanitry ny emboka tsara fofona, ny fanantenana sy ny vaovao tsara dia manidina ao anatin'ny fanahintsika amin'ny alalan'ny fahitan'izy ireo.

Misy fahasamihafana ara-toetra mipetraka raha araka ny hevitr'i Gülen eo amina sary maro sahala amin-dry César, Napoléon ary ireo Pharaon etsy an-daniny, ary Fatih, Soliman le Magnifique ary ireo mpitarika efatra lehibe etsy an-kilany. Ny fahasamihafana dia mipetraka eo amin'ny maha izy azy ny tsirairay n any fanekeny ireo hevitra lehiben'ny hatsarana, ny fahamarinana ary fahitsiana. Ny hevitra sahala amin'izany irery no fototra ara-dalana fandaharana fiara-monina, politika na kolontsaina izay hamoaka ireo voany ho an'ny vanim-potoanany sy ho an'ny ho avy. Gülen dia mahita ny fiverenan'ireny hevitra ireny amin'ny Tiorkia ankehitriny amin'ny sakany sy amin'ny lavany fa misy fahaterahana olona manolo-tena amina hevitra lehibe ao. Miteny izy fa "misy ankehitriny, amina isa tena midangana, mpisolo tena mendrika – na ireo hirotsaka atsy ho atsy – ny siansa, ny fahalalana, ny kanto, ny fitondra-tena sy ny filamatra izay mpandova ny lanjan'ny fandresentsika rehetra tamin'ny lasa."

Gülen dia miteny matetika ireo olombelona mendrika manerana ny asany, nefa mety tsy eny rehetra eny no ahitana ny tena antsipirihany fa ao amin'ny La Statue de nos Ames ihany. Ao anatin'io boky io, izy dia mampiasa ny teny hoe "olon'ny lafatra" na "mpandova ny tany" mba hifampitahana amin'ireo olona manana fahalalana sy mitondra tena araka ireo filamatra izay miatrika ny fiainany amin'ny tena maha olona marina, ary tokony hitantana fiaraha-monina mba hahatonga azy ho tsara. Rah any marina, sahala amin'ny anehoan'i Gülen azy, ny hevitra eto dia ny an'ny mponina sy ny kolontsainy ara-panahy izay avoitrany ka tonga manan-danja amin'ny fiainana ankehitriny noho ny filamatr'izy ireo. Andriamanitra dia manome azy ireo io zava-tsarobidy io ho fanomezana ary ho azy ireo io dia sahala amin'ny andraikitra sy adidy mandrapahatongan'ny tsy fisiana fankatoavana intsony ao amin'izy ireo izay mitaky ny fandraisan'Andriamanitra izany indray. Gülen dia mitanisa andalana ao amin'ny Korany, izay mifampitaha indray amin'ny Torah ao amin'izay lazain'Andriamanitra fa "Ireo mpanompoko, ireo mino Ahy, dia handova ny tany." Manohy Gülen:

Tsy isalasalana fa io fampanantenana io, voamafy ao amin'io andininy io amin'ny alalan'ny fianianana, dia ho tanteraka indray andro. Tsy misy koa tahak'izany isalasalana fa tsy ny lovan'ny tany irery ihany; satria mandova ny tany dia midika koa fitondrana sy fitantanana ireo harenan'ny lanitra sy ny habaka. Izany efa manakaiky ny "fahafehezana" ny tontolo. Satria moa io fahafehezana io dia tsy maintsy omena solotena hotantana na olona hikarakara ny harena izay hisolo toerana an'Andriamanitra, dia tena manan-danja ary ilaina mihitsy aza ny fampitoviana amin'ireo anarana izay voatokana mba handova ny tany sy ny lanitra ireo. Rah any marina, dia tsy misy afa-tsy rehefa ireo anarana azo ireo no tanteraka sy hampiasaina ka ny nofo ho tonga fisiana.

Manohy hatrany Gülen amin'ny fanazavana fa tamina vanim-potoana lasa, ny kolontsaina mosilimo dia nahazo ny anarana hoe "mpandova ny tany" saingy veriny io toerana io noho ny faharesena tamina sehatra maro na anatiny na ivelany, izany tamin'ny tontolo anatin'ny fo sy ny fanahy ary ny tontolo ivelan'ny fahalalana ankehitriny. Ny fiaraha-monina mosilimo dia manary tena ara-panahy sy ara-pahalalana, ary mabary koa sahala amin'izany ny toerany maha "mpandova ny tany azy ireo", izay avy eo voatanana vondrona hafa any Andrfana. Manerana ny asany, Gülen dia miantso matetika amin'ny fahaterahana vaovaon'ny Silamo amin'ny ara-panahy sy ara-pahalalana mba hijoroany indray amin'ny maha izy azy, mba hahatonga ny zanak'olombelona sy ny tany izy tenany amina fotoana iray vaovaon'ny fandeferana sy ny fahalemana. Noho ny fifehezan'ny olona manam-pinoana, ny silamo, sy manantena i Gülen, Tiorkia, dia afaka hahita toerana ambony eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena mba hitantana izao tontolo izao ho any amin'izany fotoana vaovao izany

Tsara ny mamarika fa eto i Gülen dia tsy miantso velively ao amin'ny asany karazana hetsika politika na fitondrana mba hitantana io fotoana io. Gülen dia tsy mpanao olon'ny politika na mpanao lalana momba ny politika, ary izy dia tsy mitaky, mifanohitra an'i Confisius sy Platon, fahateraha vaovao ana mpitarika politika. Ity no ivona fahasamihafana eo amin'i Gülen sy ireo mpiara-miasa aminy amin'ity resaka ifamalian'ny olo-telo ato amin'ity fizarana ity sy ny manaraka. Ireo hevitr'i Gülen, izay filazalazana ny lafatra ao amin'ny silamo mivelatra kokoa, dia tsy miankina amin'ny fahefan'ny fitondrana vao ampiarina. Mifanohitra amin'izany, Gülen dia misisika amin'ny mba hanarenana ny fifankazahoana ara-kolontsaina, ara-pahalalana sy ara-olombelona izay mapiditra noho ireo olona izay miavaka mampiseho pofona filamatra sy asa amim-piainana ny fiainan'izy ireo ao anatin'ny andraikitra samihafa arak'asa, ara-piaraha-monina sy fianakaviana. Ny "fahafehezana" izay hifampitahan'i Gülen eto dia tsy fahafehezan'ny olona ambony iray lehibe ara-politika amin'ny hafa rehefa; fa ny fahafehezana syny fahafahana mifehy fahitana ny tontolo iray izay ny toetoetrany dia voafaritry ny fandriampahalemana, ny fahalalana, ny finoana, ny fandeferana ary ny fitiavana. Manampy izany, io fahitana io dia mandray ny lanjany noho ny hamaroan'ny olona izay, noho ny filamatr'izy ireo sy ny fahaizany mitantana, miditra ho isan'ny mpandova ny tany.

Gülen dia manokana fizarana iray manontolo mihitsy ao amin'ny La Statue de nos Ames mba hitanisana ireo toetran'ny mpandova ny tany, ary ao amin'io fitanisana io no ahitantsika ny filazalazan'i Gülen fohy indrindra ny lafatry ny maha olona sahala amin'ny hikasana azy eo amin'ny fijery mosilimo. Mamaritra anarana valo izy ivon'ny mpandova ny tany, na sahala amin'ny iantsoan'izy ireo azy any an-kafa, ireo "olon'ny lafatra". Ireo toetra ireo dia ny finana tsy pentenina, ny fitiavana, ny fiheverana ara-tsiantifika mandalo eo amin'ny hazavan'ny Silamo, fitsaran-tena, ary ny tsikeran'ny fomba fahitana sy fijery, ny fahalalahana hihevitra sy ny fanajana io fahalalahana io, ny fahatongavan-tsaina ara-piaraha-monina sy ny fankatoavana mba handraisana ny tapa-kevitra na ara-kajy ary ny fihetsehana ara-kanto.

Raha amin'ny endriny ivelany, io lisitra io dia toa tena hafa noho ilay lisitry ny filamatry ny olona ambony mpandala ny fampianaran'i Confisius, na ireo filamatr'i Socrate, saingy ny fandalinana natao no mampiseho ny fifanindran-dalana misy amin'izy telo ireo. Ny finoana feno sy ny fitiavana, ho an'ireo olona lafatr'i Gülen, dia mifototra ao anatin'ny fijery mosilimo izay mafy orina ambonin'ny fanetrehan-tena tanteraka eo anatrehan'Andriamanitra. Ny finoana sy fitiavana aseho eto dia tena ao anatin'ny fanolorana maharitra izay manome fanetrehan-tena tanteraka amin'Andriamanitra. Io finoana sy fitiavana io dia tsy ho very na hitady zavatra hampivaingana azy amin'ny alalana vainga ary hitondra ihany ny kolontsaina rehetra amin'ny lalan'ny filan'ny vatana n any fifotorana amina vainga mihoa-papana. Mampifantoka hatranyhatrany ireo masony amin'ny fisiana mandrakizay izy, mitovy amin'ny fomban'ireo mpiambina an'i Socrate. Ny fiheverana ara-tsiantifika sy ara-kajin'irep mpandova ny tany an'i Gülen dia fijery iray mifototra ao anatin'ny finoana tanteraka fa ny Fahamarinana dia zavatra misy, izy dia tsy mizarazara ho sokajy samihafana fahamarinana ara-pinoana miady amin'ny fahamarinana ara-tsiantifika, n any fahamarinan'ny finoana mifandona amin'ny fahamarinan'ny fisainana. N marina dia tsy zaraina ho an'ireo mpandova ny tany ary izy ireo dia mitady hatrany ny mba hahazoana ny marina rehetra miaraka amin'ny herin'ny siansa sy ny kajy, manam-panirina ny hampandroso ny fahazoana ara-tsiantifika ny mamorona izao tontolo izao tahaka "ny boky masina" tsy manam-pahatamperan'ny famoronan'ilay Mpahary. Sahala amin'ireo olona ambony an'i Confisius, izy ireo dia tena faratampony tokoa amina toerana maro amin'ny fahalalana, fa tsy amin'ny fahalalana "ara-pinoana" fotsiny ihany. Amin'ny fitantanana sy fandraisana fanapahan-kevitra, ireo mpitondra ny tany dia mitondra tena amin'ny fandraisana ny soa iombonana fa tsy ny an'ny tenan'izy ireo manokana. Manampy izany, izy ireo dia manombana fa ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana no lalana tsara indrindra mitondra mankany amin'ny fandraisana ny tena fanapahan-kevitra tsara. Sahala amin'ny toeran'ny mpiambina an'i Socrate, izy ireo dia mifantoka amin'ny fametraham-panontaniana sy famakafaka lalandava mba hahitana ny marimaritra iraisana izay tsara ho an'ny daholo be. Mitovy amin'ny an'ireo mpiambina an'i Socrates y ireo olona ambony an'i Confisius, ireo mpandova ny tany koa dia mihenjana manoloana azy ireo ihany amin'ny fandinihin-tena ataon'izy ireo amin'ny fomba entitra, izay mamongatyra ny hevitr'izy ireo manokana sy ny fomba fijeriny, midio sy manao izay hahatomombanana ny tenany hatrany ary koa ireo heviny ao anatin'ny hetahetany ny fahamarinana sy ny filamatra. Manamarina azy, tahaka ireo mpiambina sy olona ambony, ireo mpandova ny tany ka dia mankasitraka ny fahatsarana na iza na iza misy aminy, ary ireo dia mahalala fa tsy misy afa-tsy ny famelana malalaka ny fisian'ny fieritreretana sy ny famoronana izay volen'ny fanahy no afaka manangana fahitana vaovaon'ny tontolo sy ny maha olona, na izany amin'ny sehatry ny hatsarana , ny filôzôfia, na ny fomba fitantanana n any any an-kafa.

Ny ivom-pahasamihafana eo amin'ireo mpandova ny tany an'i Gülen sy ireo ambony an'i Confisius na ireo mpiambina an'i Socrate ireo dia fotsiny hoe ireo voalohany mosilimo, ary ny maka ny fisian'izy ireo rehetra sy ny fahitana avy amin'ny fomba fijery mosilimo. Ny hany manakana ny fahefan'ireo mpandova ny tany mosilimo ireo ho tonga any amin'ny fanagejana mihoa-pefy dia tena ireo izay misakana ny fahefan'ireo mpiambina an'i Socrate na ireo olona ambony an'i Confisius tsy ho lasa famoretana, izany hoe fanahiana ny soa ho an'ny olombelona rehetra ary ny fahafantarana ny fototry ny lanja voajanaharin'ny zanak'olombelona rehetra noho ny fitoviany amin'izay an'Andriamanitra manokana, toy izany efa itantsika tany amin'ny fizarana voalohany. Mamaritra ireo mpandovan'ny tany amin'ny antsipirihany Gülen: Hoy izy:

Ny olona iray izay manana toetra sahala amin'izany dia hisidina hatrany amim-pandresena. Tsy hoe na izany aza mba hanimbana ny firenena na hanorenana ny renivohitra ambony faharavana, fa kosa mba hanetsehana sy hampiasana ny hevitra, ny fahafahana sy ny fihetseham-po maha olombelona, mba hahamatotra kokoa antsika miaraka amina fitiavana, fahalemena sy fanaovan-tsoa mba hahafahantsika mamondrona ny zava-drehetra sy ny olona rehetra hananganana sy hanorenana ireo toerana samba, hanomezana fofon'aina an'io sampan maty any anaty fiaraha-monina, ho tonga ra sy fiainana ary hikoriana arak'izany any anatin'ny lalan-dran'ny voahary sy ny fisiana ary hamela antsipa hahatsapa ny fahafinaretana midadasiky ny fisiana. Miaraka amin'ireo izay hananan'ny olona sahaza amin'izany, izy ireo dia olon'Andriamanitra izy ireo dia manana fifandraisana hatrany amin'ny fahariana. Ny asany rehetra sy ny toetrany dia voafehy sy voaara-maso avokoa. Izay ataony rehetra, dia ataony sahala amin'ny hoe io zavatra io dia tsy maintsy ho entina savain'Andriamanitra; mahatonga ny tsapaNy izy ireo; mahita amin'ny alalan'ny fijeriNy; misintona ny fomba fiteniny amin'alalan'ny fomba fanambarany izyireo; izy ireo dia maty eo am-pelatananan'i ghassal eo anatrehan'ny sitra-poNy; ny tena loharano lehiben'ny heriny dia ny fahatsapany ny fahalemeny, ny fahafenoany sy ny fahantrany eo anatrehaNy, ary izy ireo dia miezaka hatrany manao ny mety ary tsy maneho fahadisoana mba hampiasana amin'ny fomba mendrika io harena miafina tsy manam-pahataperana io.

Ireo mpandova ny tany an'i Gülen ireo dia tsy mpandrobaka fahefana amin'alalan'Andriamanitra na ny Silamo velively. Tsy mpanatanteraka djihad ihany koa izay miady amin'ny tsy mpino. Izany rehetra izany dia mifanohitra amin'ny filamatra, ny hatsarana ary ny fitiavana miavaka izay mifototra tanteraka amin'ny fototry ny lafatra ary mitady hatrany ny hanangana tontolo izay ny tsirairay dia hanana fahafahana manatanteraka ny ambony indrindra amin'ny maha olona azy amin'ny sehatra rehetra ao amin'ny fiainany, miainga any amin'ny tsy fahalalana mankany amin'ny avo indrindra. Manampy izany, io dia tontolo izay ny mpikambana ao no manome ohatra ny tenany ihany amin'io fahatanterahan' ny maha olona io izay mety ho loharanom-pisarihana.

Ireo lehilahy sy vehivavin'ny lafatra ireo ivon'ny fiaraha-moninamandaitra rehetra, tsara sy maharitra. Raha tsy misy azy ireo, ireo lafatra sy ny isam-batan'olona izay manome endrika azy ireo, ny lovan'ny fiaraha-monina dia hisy fifangaroana amin'ny tranga mendrika indrindra, ary ny tsara izay heverina fa tanterahina dia mielina na mandalo. Hoy Gülen:

Raha ny mpiasam-panjakana mitantana ny firenena tsara sy mino no nosafidiana noho ny fahamboniana ara-panahy, ara-kevitra sy fihetseham-po, dia ho tsara sy mafy ny firenena. Ny fitondrana tantanana mpiasam-panjakana tsy manana afa-tsy ireo toetra lehibeny dia hijanona ho fitondrana, saingy izy dia sady tsy tsara no tsy maharitra. Na ho ela na ho haingana, ny fitondra-tena ratsin'ireo mpiasam-panjakana ireo dia hamorina teboka mainty eny amin'ny endriny ary hanamainty azy eo imason'ny mponina.

Ny fahafehezana ny fahefana dia fampitana, nefa kosa ny fahafehezana ny fahamarinana sy ny fahitsiana dia mandrakizay. Na dia tsy misy aza izy ireo ankehitriny, izy ireo dia ho mpandresy amin'ny ho avy izay efa antomotra. Noho io antony io, ireo olona mpanao politika madio fo dia tokony handahatra ny maha izy azy sy ny politikan'izy ireo eo ambonin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

Gülen, sahala amin'ireo mpiara-miasa aminy ao amin'ity resaka ifamalian'olon-telo ity, dia manindry ny hoe ny soan'ny fiaraha-monina dia miankina avy hatrany amin'ny fahatsaran'izay mitantana azy. Manampy izany, ireo lehibe mpitarika sy mpikambana hafa ao amin'izay manome endrika ireo toetra ireo dia voahary manao sorona ny maha izy azy manontolo mba ho an'ny soa iombonana. Izy ireo kosa dia manome ny fisiany manontolo mba hiasana ho an'ny maha olona, ary tsy ny mihevitra ny ho avy. Izy ireo dia mandatsa-paka amina lanja ara-panahy maharitra mandrakizay, ary manadihady hatrany ny fahamendrehan'ny tombony ara-tsiantifika sy ara-haitao miaraka amin'ireo lanja maharitra ireo. Hoy Gülen raha milaza ny momba azy ireo.

Izy ireo dia tena ho latsa-pitiavana amin'ny fahamarinana, mendri-pitokisana ary, mba hahafahanty manohana ny marina eny rehetra eny, izy ireo dia vonona hatrany handao ny fianakaviany sy ny tokantranony raha ilaina izany. Tsy mba manana fifikirana amin-javatra maro, amin'ny fanaka n any mihaja ara-vainga, izy ireo dia hampiasa ny talenta izay nomen-janahary azy nba hanomezana fahafaham-po ny olona rehetra ary hamafazana ireo voan'ny ho avy mamiratra. Manaraka izany, mitady mandrakariva ny fanampiana sy ny fahombiazan'Andriamanitra, izy ireo dia hanao izay vitany mba hiarovana ireny voa ireny amin'ny loza, mitovy tanteraka amin'ny ankohovavy miaro ny atodiny. Ny fiainan'izy ireo manontolo dia voatokana ho amin'io lalanan'ny fahamarinana io… Ireo olon-baovao ireo dia hamondrona ny finoany lalina, ireo fahalalany samihafa, ny fiainana madio, ny endrika rehetra mampiseho ny toetrany ara-tsiantifika sy ny fihetsiny feno fahendrena. Tsy mba afa-po amin'izay hainy, izy ireo dia manatsara lalandava ny fahalalany: fahalalana ny tenany, ny natiora ary Andriamanitra.

Gülen eto dia mamaritra ireo olona lafatra sahala amin'ireo izay afaka amin'ny fisarihana mitovy izay ambaran'i Socrate ao amin'ny La Republique, izany hoe ireo fisarihana mankany amin'ny fifikirana amin'ny fahafinaretana ara-vainga, amin'ny harena sy ny fanaky ny tena manokana. Ireo olona lafatra an'i Gülen, tahaka ireo mpiambina an'i Socrate, dia tsy mirona amina fisarihana sahala amin'izany satria ny fiandohan'izy ireo dia miorona eo ambonin'ny fitadiavana hatrany ny fahafinaretana sy nay fahamarinana maharitra mandrakizay, fa tsy ireo izay miserana. Mitovy amin'izany, sahala amin' i Socrate sy ireo mpiambina, izy ireo dia tsy mba afa-po amin'my tenany sy ny fahalalany mihitsy. Atosik'izy ireo lavitra sy ambony hatrany, ary manana hetaheta miredareda ana tendrom-pahalalana vaovao foana, filamatra, fahatsarana ary fahamarinana. Araka ny hevitr'i Gülen, dia tsy misy afa-tsy rehefa ny fiaraha-monina tiorka sy ny fiaraha-monina iray manontolo, no voataiza na hanjakan'ny olona sahala amin'izany izay ny kolontsaina maha olona dia hitodika mankany amin'ny fiainana, fahavelomanana ary ny fahasalamana kokoa noho ny mankany amin'ny fahafatesana sy ny fahalavoana.

Hafa indray, ny fahitana ny fombam-pitantanan'i Gülen dia midadasika ary mihodina amin'ny fomba mazava tsy misy politika. Ireo toriteny sy fampianarany dia tsy mampiditra ao amin'izy ireo fomba fitondrana na lalana politika, sahala amin'ny fampianaran'i Confisius sy ireo hevitr'i Platon ao amin'ny La Republique. Gülen dia mpitoriteny ary manam-pahaizana arra-pinoana mosilimo, tsy mpanao lalana na mpanetsiketsika ara-politika. Izy dia tsy miantso ireo mpihaina azy mba hirotsaka amina fitondrana na handray fitantanana ny fitondrana. Izy koa dia tsy miantso fandravana ny fomba fitondrana ankehitriny. Fa kosa ny fahitany ny fiaraha-monina dia mampiditra olona lafatra maromaro izay hikarakara ny fipetraky ny fahefana ao amin'ny fanjakana, amin'ny ankapobeny izy dia tsy mampiasa loatra ireo teny tena miavaka. Raha tokony ho izany, Gülen dia miresaka ireo mpitarika vondron'olona miparitaka any anaty fiaraha-monina any amina asa maro an'isa. Ireo olona manan-kevitra dia hanangana ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fifotorany tanteraka amin'ireo vinan'asa nohekeny amin'ny maha siantifika, manam-pahaizana, olon'ny varotra, mpampiasa, ray aman-dreny sy mpiasam-panjakana, mpiasa sy hafa azy ireo. Ny sary eto dia mitovitovy amina andriam-bahoaka izay mifidy avy eo, amin'ny alalan'ireo dinganan'ny demokrasiany, ireo olona hanome ny endrika lafatra mba hanompoana sy hitantanana ny fanjakana. Ny valiny na izany aza dia mitovy ihany noho an'i Confisius, Platon sy Gülen: ny fisiana fiaraha-monina tony sy soa izay misy sahala amin'izany ho an'ny vahoakany satria izy dia tantanana olona izay mahatsapa ao anatiny ireo hevitra lehibe maha olon'ny filamatra sy hatsarana.

Noho izany, ny tsirairay avy amin'ireo mpandray anjarantsika miisa telo amin'ny resaka ifamalian'izy ireo, eo anivon'ny fahitan'izy ireo tsirairay avy sy ny vanim-potoana ara-tantara samihafa, dia manome hery sy fifandraisana ho antsika toetra iray ivon'izay azo mba hihainana fiainan'olombelona tsara ao anivon'ny isam-batan'olona sy ny an'ny be sy ny maro. Ny olona rehetra dia hiaina ny faratampony ary noho izany ny mendrika indrindra amin'ny fiainan'izy ireo ny maha olona rehefa raha hatrizay manana tanjonaa ho tonga olon'ny filamatra ara-pitondra-tena sy ara-pahalalana izay ireo.

Manampy izany, ny fiaraha-monina amin'ny fiombonany dia hahomby amin'ny fandrosoana tena manan-danja sy tena miteraka tombotsoa rehefa izy no tantanan'ireo olona manana filamatra ara-pitondra-tena sy ara-pahalalana lehibe izay izy ireo dia afaka mahita ny tombony iombonana fa tsy tombony ho ana olom-bitsy na azy ireo manokana. Ireo olona mino ireo dia hitondra ny fiaraha-monina amin'ny fomba izay ny mpikambana rehetra ao aminy dia hanana fahafahana mivoatra amin'izay avo indrindran'ny fahafahana maha olona.

Ireo fanontaniana mipetraka amin'izao fotoana izao dia: avy aiza ireo olon'ny filamatra ireo? Aiza no mety hahitantsika ireo olona manana fahamboniana ara-toetra sy ara-pombam-pitantanana ireo izay hitondra ny fisiana ara-piaraha-monintsika mankany amin'ny fahatsarana, fahamarinana ary ny fahitsiana? Ireo olona ireo ve efa tsara ofana avy any an-danitra sy vonona ny hitondra no nilatsaka ho antsika? Tsia, ireo olona ireo dia tena olona tokoa, tsy olo-masina, nateraka reny sy ray olombelona ary tokony ho taizana sy beazina mba ho maodelin'ny filamatra izay takian'ny fiaraha-monina mba hahafeno ny fisiany. Ny tsirairay avy amin'ireo mpandray anjarantsika amin'ity resaka ifamalian'olom-telo ity dia miaiky fa ny fanabeazana no fomba ahafahantsika, amin'ny maha fiaraha-monin'olombelona azy, mampivelatra eo anivontsika ireny olona manam-pinoana ireny. Noho izany dia any amin'ireo lalana mifantoka amin'ny fanabeazana no andeha itodiantsika ao amin'ny fizarana manaraka.