Ny Teny Farany

Nanana ny toetra rehetra takin'ny maha sefo mba hahombiazana amin'ny lafim-piainana rehetra ny Mpaminany Mohammed. Ary ny tena mbola zava-dehive koa dia hainy tsara ny mitantana ny fiarahamoniny tamin'ny fahombiazana tamin'ny lafiny rehetra. Avy aminy, ary izy no loharano niavian'ny fivoarana hoavy mifamatotra amin'ny didy, ny hakingana, nypolitika, ny fivavahana, ny fivelarana ara-panahy sy zavatra maro hafa eo amin'ny tontolon'ny silamo.

Amin'ny ankapobeny dia tsy maintsy manana ireto toetra manaraka ireto ny mpitarika:

  • "Ny realisma". Tsy tokony hifanohitra amin'ny zava-misy ny hafatra sy ny fangatahany. Tsy maintsy mahafantatra sy mahazo ny faritoe-javatra amin'ny vanim-potoana iainany aaka ny tena izy marina izy ary tonga saina amin'izay rehetra mety ho tombontsoa sy lafy ratsiny amin'izany.
  • "Finoana tanteraka ny hafatra ampitainy". Tsy tokony harefo na oviana na oviana ny faharesen-dahatra ananan'izy ireo ary tsy mahazo mihemotra amin'ny andraikiny izy.
  • "Ny herim-po". Na dia avela irery aza izy dia tsy maintsy mahita herim-po hiaretana hatramin'ny farany. Rehefa tonga tao amin'ny lavaka niereny ireo mpanenjika azy sasany dia natahotra I Abou Bakr sao hisy zava-dratsy manjo ny Mpaminany. Faly anefa ny Mpaminany sady niteny hoe: "Aza kivy ianao satria miaraka amintsika Andriamanitra". (9:40)
  • "Fahafoizan-tena mafonja sy fahaiza mamaha olana". Tsy maintsy tsy afaka mianjera na oviana na oviana izy na fotoana kely toy inona aza, ao amin'ny fahakiviany.
  • "Fisaintsainana ny andraikitra manokana". Tsy maintsy mampiasa ny heriny manontolo hanatanterahana ny andraikiny izy ireo. Amin'ny antony rehetra dia tsy tokony ho voasariky ny angolangolan'ity tontolo izy sy ny fitarihan'ity fiainana ity izy ireo.
  • "Ny fanombatombanana dieny mialoha syny fifantohana amin'ny tanjona". Tsy maintsy mahay mamahavaha sy mandamina ny fivoaran'ny herizika ny mpitarika. Tsy maintys mahay ny fomba hanombanana ny lasa sy ny ankehitriny sy ny ho avy izy mba hahatongavana amin'ny hevi-baovao. Tsy manao afa tsy ny mamafy korontana ao amin'ny fiarahamonina ny tsy manana fanapahan-kevitra.
  • "Ny fahafantarana manokana ny mpino". Tsy maintsy mahafantatra ara-dalàna ny toetra sy ny kilema ary ny hery sy ny fanirian'izy ireo ny mpitarika. Ahoana no ahafahany manendry ireo olona mifanaraka tsara amin'ny asa iray raha tsy manana ziany fahalalana izany izy?
  • "Herin'ny toetra sy fahamarinana mendri-piderana". Tsy maintsy entitra kanefa mandefitra ny mpitarika rehefa manatanteraka ny fanapahan-keviny ary mahafantatra tsara hoe rehefa ahoana no tsy azo ivalozana ary rehefa ahoana no malefaka sy mora fo. Tsy maintsy mahafantatra izy ireo hoe rahoviana no mendrika, entitra na maontina ary tsy maintsy mahitsy, mendri-pitokisana sy marina.
  • "Tsy misy faniriana hifantoka amin'ity tany ity na fanararaotam-pahefana". Tsy maintsy miaiana ho toy ny mahantra indrindra ao amin'ny fiarahamonina misy azy ny mpitarika. Tsy afaka manavakavaka na oviana na oviana ireo olony izy fa tys maintsy manao izay hitiavana azy ary manao izay fomba mendrika hitiavan'ny vahoakany azy. Tsy maintsy mahatoky amin'ireo fiarahamoniny izy ireo ary miantoka ny fahatsorana sy ny fitiavana ireo fiarahamoniny.

Nanana ireo toetra rehetra ireo ny irak'Andriamanitra sy ny maro hafa koa. Raha tsy hitanisa afa tsy ohatra vitsy, tsy mba miheritreritra ny hitsoaka an-daharana tamin'ny asany izy na dia tojo olana goavana tamin'ny fanafihana sy nomena fampanantenana maro aza. Tsy izany fa izao no nolazainy tamin'izy ireo: "Teneno: "Ysy misy Andriamani-kafa afa tsy Andriamanitra ihany ary manambina ety an-tany sy any ankoatra".32 Rehefa nitaraina taminy fianan-tsarotra sy ny fampijalian'ny mekoa ireo mpanaradia azy dia hoy ny navliny:

«Maika loatra ianareo. Hoavy ny andro handehanan'ny ehivavy iray irery hoany Hora [tanan-dehibe any atsimon'I Irak] ka hatrany La Mecque eo ambonin'ny ramevany (ampilaminana) ary hanao ny fihodinana masina manodidina ny Ka‛ba ary hoazon'ny vahoakako ny tahirin-karenan'ny Amperora Sasanida».33

Tonga teo aminy ny mpitarika ny mekoa indray andro ary nilaza tmainy hoe:

"Raha mandray anay ianao indray andro ary tsy eo ny hafa –indrindra fa iretsy mahantra iretsy, mety hilaza aminao ny fanekenay ny fivavahanao izahay". Mankahala ny silamo mahantra toandr'I Bital, Ammar sy Khabbab izy ireo, ary maniry ho jerena manokana. Tsy nanaiky izany heviny izany tsy tamim-pisalasalana akory ny irak'Andriamanitra. Tonga taminy toy izao ny fanambarana:

«Ary aza atositosika ireo izay miantso ny anaran'ny Tompony marain-tsy hariva, mitady ny endriny "Wash"». (6:52)
«Mahareta miaraka amin'ireo izay miantso ny anaran'Andriamanitra maraintsy hariva, maniry ny tavany». (18:28)


[32] Muslim, "Iman," 355.
[33] Bukhari, "Manaqib," 25.