Ny Fiainan'ny Mpaminany Talohan'ny Faminaniany

Nobeazina teo ambany fanaraha-maso sy fitandreman'Andriamanitra ny Mpaminany Mohammed. Maty talohan'ny nahaterahany I Abdallah rainy, noho izany dia tsy maintsy niankina sy nanaiky an'Andriamanitra tanteraka izy. Namangy ny fasan-drainy tany Medina izy taona vitsivitsy taorian'izay ary nitomany mafy dia mafy. Hoy izy rehefa niverina: "Nitomany hoan'ny raiko aho ary nangataka tamin'Andriamanitra ny hamelany ny helony".

Nataon'Andriamanitra tsy nanam-piahy izy rehefa maty ny rainy, ary notarihiny ho amin'ny fanatanterahana ny tsy fisian'ny zava-masina ankoatran'Andriamanitra ary tsy nisy vondron-javatra miaraka aminy. Niaro azy araka izay azony natao ny dadabeny sy ny dadatoany. Kanefa tsinjony fa Andriamanitra irery ihany no tena mpiandry azy. Nanjary nahay nanavaka ny tanan'ilay mpahary tokana sy ny zavatra rehetra ao ambadiky ny zava-miseho sy ny anton-javatra sy ny vokany izy. Nambara taminy tamin'ny faminaniana ny maha tokana an'Andriamanitra. Ho sedraina eto amin'ity tontolon'ny fahendrena hanjakan'ny fitaovana sy ny anton-javatra materially any amin'ny orin'asa ity izy. Tsy maintsy ampiasaina ao ny fitaona sy ny anton-javatra materially azo antoka ary raisin any fepetra ilaina mba ahazoana vokatra. Tsy maintsy hametraka ny fiaianany manontolo amin'ny tompony sy hiantso vonjy aminy izy amin'ny zavatra rehetra mba hanehoana koa izany fa avy amin'Andriamanitra irery ihany ny vokatra ary izy no manome ny fahombiazana.

Nantsoina hoe: "Ilay kamboty tsy manam-paharoa" izy taorian'ny nahafatesan-drainy. Noho izany no nitenenan'Andriamanitra taminy toy izao taona vitsivitsy taty aoriana:

"Homen'ny Andriamanitrao anao ny fankatoavany ary ho afa-po ianao. Moa va tsy nahita anao kamboty izy? Noho izany nampiantranoiny ianao! (…) Moa va tsy nahita anao maharitra izy? Noho izany ataony manankarena ianao. Aza manao ratsy fitondra ny kamboty. Aza manosi-bohon-tànana ny mpangataka (93:5-10)"

Tsy ela akory dia namoy an'I Amina Reniny indray koa "ilay kamboty tsy manam-paharoa". Mbola tsy ampy enin-taona akory I Mohammed no maty tany Abura teo amin'ny faha 25 na 26 taonany izy rehefa avy namangy ny fasam-badiny tany Médine. Teo no nahatsapany ny ngidin'ny tsy fanan-dRay sy reny. Noho izany, nahafantatra sy niaritra ny zva-drehetra izy satria nalefa hampianatra izany amin'ny olona rehetra ary ho ohatra velona amin'izay rehetra ataony. Niahy azy tsara I Abd al-Muttalib raibeny, lahy antitra mekoanina hajaina. Izany no nahatonga an'Andriamanitra hanavotra an'I Abd al-Muttalib tamin'ny loza rehetra isan-karazany. Noraisiny antanan-droa ny zafikeliny ary nomeny toeram-boninahitra tao aminy.

Nambarany fa nihalehibe mba hamonjy ny olombelona I Mohammed. Mendrika sy nobeazina tsara I Mohammed ka tsinjon-draibeny sahady ny faminaniany. Ary tsy izy ihany no nisaina toy izany tamin'ireo razany. I Ka‛b ibn Luayy, izay nisy nihevitra ho mpaminany koa dia efa nahafantatra mialoha fa ny irak'Andriamanitra farany dia ho avy amin'ny taranany. Na ny anarany aza dia efa nambarany:

"Hiseho tampoka ny mpaminany Mohammed;
Hitondra vaovao izy ary ho masina amin'ny vaovao entiny".

Tsy nampilatsa-dranomaso an'I Abd al-Muttalib ny tafika goavan'I Abraha kanefa nitomany mafy teo amin'ny fandriam-pahafatesany izy. Rehefa nanontany izay zavatra tsy mety I Abou Talib zanany lahy dia namely izy hoe: "Mitomany aho satria tsy ho afaka hanoroka an'I Mohammed intsony". Ary nampiany hoe: "Matahotra aho sao misy zavatra manjo an'ilay kamboty tsy manam-paharoako. Ankiniko aminao izy".

I Abou Talib indray no nisahana ny fiahiana an'I Mohammed ary ho tambin'izany dia ho voatso-drano amin'ny anaran-drain'ny taranaky ny mpaminany I Ali zanany lahy. Taorian'ny naha-mpaminany ny irak'Andriamanitra dia niteny tamin'I Ali izy: "Ny taranaky ny mpaminany rehetra dia avy aminy ihany, fa ny ahy kosa dia avi aminao". I Ali no ho rain'ny masina rehefa ho avy vavolombelon'ny fahamarinan'ny Mpaminany. Izany no valisoa noraisin'I Abou Talib noho ny fanampiany an'I Mohammed;

Nanao izay azony natao tamin'ny fiarovana an'I Mohammed I Abou Talib. Mitantara ny fitondrany ny zana-drahalahiny tany Syrie I Ishaq Ibn, mpahay tantara. Nentiny niaraka tamin'ny mpivarotra teo amin'ny faha 11 taonany teo ho eo. Nijanona teo akaikin'I Damas izy ireo, ary satria izy no zandriny indrindra, dia navelan'ny mpandeha (hiandry ny ho laharana farany izy); nandinika ny laharana teo amin'ny tranony ny mpitokamonina kristianina iray antsoina hoe Bahira. Eo ampiandrasana ny fahatongavan'ny mpaminany farany dia nanam-pahazavana ny nandinika ny olona izy. Nomarihany fa nisy rahona nanaraka ny fitaovam-pitanterana, mijanona sy miainga miaraka aminy alohan'ny hanakonany ny iray amin'ireo mpandeha.2 Hoy ny heritreriny: "Manambara ny toetra manokan'ny mpaminany izao; tsy maintsy ho amin'ireto mpandeha ireto izany ny mpaminany andrasana".

Rehefa nijanona teo akaikin'ny trano fitokanany monina ny mpandeha dia nanasa azy ireo hisakafo I Bahira. Raha mbola nahita ny rahona teo amonin'ny laharana ihany izy dia nanontany an'I Abou Talib sao mbola misy tavela any afara. Namely ity farany fa nisy zazalahy navelany mba hiandry ny entan'izy ireo any; niangavy azy ireo mba hiantso azy ilay mpitokamonina. Ary rehefa tonga I Mohammed dia niangavian'I Abou Talib manokana ilay mpitokamonina ary nangataka taminy izay hifandraisany amin'io zazalahy io. "Zanako io hoy izy", kanefa nandà I Bahira ary niteny hoe: "Tsy mety ho zanakao io. Raha araka ny bokinay dia efa maty talohan'ny nahaterahany ny rainy". Avy eo nampiany hoe: "Meteza ianao ho toroako hevitra. Miverena haingana miaraka amin'io zaza lahy io. Be fialonana ny jiosy. Raha fantany io dia hanaovany ratsy". Niala tsiny mba hanao fialan-tsasatra tamin'ireo namany I Abou Talib ary niverina tany La Mecque niaraka tamin'ilay zana-drahalahiny.3

Nanao fitsidiana fanindroany tany Syrie niaraka tamin'ny mpivarotra Khadija ny mpaminany Mohammed rehefa feno 25 taona, niaraka tamina vehivavy manan-kaja iray maty vady izay lasa vadny afaka fotoana foy izy. Nifanojo tamin'I Bahira indray izy teny an-dalana. Faly dia faly tamin'io fihaonany fanindroany io ilay mpitokamoniny ary niteny taminy hoe: "Ho mpaminany ianao, ny mpaminany fara. Hangataka amin'Andriamanitra ho ela velona aho mba hahita anao mpaminany hanaraka anao aho ary hitondra ny kapanao sy hiaro anao amin'ny fahavalo!"

Vanim-potoana hafa iray lehibe tamin'ny fianana'I Mohammed ny ady "fijar" (fanimbazimbana zavatra masina) izay nitranga teo anelanelan'ny faha 15 sy 20 taonany. Ady faha efatra izay nanimbazimba ny toetra maha masina tao Dhu al-Za‛dah, Dhu al-Hijjah, Muharram sy Rajab sy ny zara-tanin'I La mecque izany. Ny anton'izany dia ny fialonana sy ny finiavan'olon-droa hanimba fotsiny izao. Ny iray avy amin'ny Banu Kinanah (ampahany amin'ny fokon'I Qoraïche) ary ny iray avy amin'ny Qaïs-‛Aylan (tarika manana ny mahaizy azy ao amin'ny fokon'I Hawazin). Ny mpaminany ho avy no hampitsahatra ny tsy fahamarinana sy ny korontana, nanampy an'I Zoubaïr ibn Abd-al Muttalib rahalahan-drainy nanangona ny zanatsipika nalefan'ny fahavalo.

Mbola nisy vanimpotoana iray koa izay nahavitany fifanarahana niafara tamin'ny "hilf al-fudhul" (fifanarahana amimpahamarinana). Io vondrona miady amin'ny tsy fahamarinana io dia avy amin'ny tarika Banu Hashim sy Banu al-Muttalib. Natao izy io mba hiantohana ny fiarovana ny zon'ireo mpivarotra vahiny ary mba hialana amin'ny fisehoan-javatra toy ny an'ny Qoraïchite 'As ibn Wa'il izay namotika ny fananan'ny mpivarotra yemenita izay nitory tamin'ny lehiben'ny qoraïchites izay nanetsitadiny.

Rehefa nahafantatra izany toe-javatra izany ny Banu Hashim, tarika nisy an'I Mohammed dia nanapakevitra hanangana ny "hilf al-fudhul" ary nanery ny fanonerana ny samba tamin'ny mpivarotra. Nanao vava izy ireo fan a iza na iza iharan'ny tsy rariny, na vahiny na teratanin'I La Mecque dia hanolotànana azy ireo mandrapihavin'ny fahamarinana. Noderaina fatratra tamin'ny tanjony ambony I Mohammed izay ho teneniny afaka fotoana foy: "Hanatrika ny famaranana ny fifanarahana any amin'I Abd Allah ibn Jud‛an aho. Tsy atakaloko na inona na inona amin'izao tontolo izao izany. Raha misy miantso amin'ny silamo, hamaly aho".

Fanomanana ny faminanian'I Mohammed ny fahazazany sy ny fahatanorany. Ankoatry ny toetra mendrika ananany, milaza koa ny maro fa tena mendri-pitokisana izy ary milaza ny marina. Tsy mandainga na oviana na oviana izy, tsy mamitaka ary mitana ny teny nomeny sy tsy mandray anjara amin'ny fanaon'ny razana. Na dia izay fahavalony indrindra aza dia nilaza azy ho "Ilay mpilaza ny marina, mendri-pitokisana".

Hoy ny olona:

"Raha manana dia haleha ianareo ka mila olona hanara-maso ny vadinareo, ankino amin'I Mohammed izany fa tsy hanopimaso kely akory ny tavany izy. Raha tianareo tsy ho voatohintohina ny fanananareo, ankino amin'io lehilahy mendrika sy mahitsy io izany, satria tsy hikasika izany mihintsy izy. Raha nitady olona tsy mandainga mihitsy ianao ary mitana ny teniny, tadiavo I Mohammed fa marina izay lazainy rehetra".

Ireo izay nahafantatra azy hatramin'ny fahakelina dia efa nino ny faminaniany: ry Abou Bakr, Othman, Talha, Zoubaïr, sy Yasir sy ireo maro hafa. rehefa nanambara tamin-drainy: "Raha milaza I Mohammed fa izay adia tsy azo lavina. Tsy mandainga na oviana na oviana izy".

Niantso ny Qoraïchite teo ampototry ny tendrombohitr'I Abou Qoubaïs: Mohammed tamin'ny tapapotoana voalohan'ny faminaniany. Nanontany azy ireo izy: "Hino ahy va ianareo raha milaza aminareo aho fa misy andiam-pahavalo miandry ny hanafika anareo ao ambadik'ity tendrombohitra ity?" Namaly tamim-panekena ny olona rehetra, anisan'izany I Abou Lahab dadatoany izay nanjary fahavalony lozan-tany indrindra.4

Mila olona afaka hanamontsamontsana ny tsy finoana ny zanak'olombelona ary hanome azy aina vaovao eto amin'ity tontolo ity, nasehon'Andriamanitra I Mohammed mba hampitsahatra ny endriky ny faharatsiana rehetra. Hoy ny tenin'I Ahmad Shawki:

"Teraka ny masoandro mpitaridalana, ary izao tontolo izao no hazava;
Ho ravahin-tsiky ny molotry ny fotoana rehetra, ary hihira ny fiderana azy"

Taona maromaro taorian'izany rehefa niseho teny amin'ny faravodilanitr'I Medine izy dia nihira toy izao ny zaza tsy azon-keloka sy madio tamin'io vohitra io:

"Miposaka eto amintsika ny volana fenomanana, avy eo afaran'ny tendrombohitra Wada. Mandidy antsika mba hahalala tsara izy, rehefa miantso an'Andriamanitra".5


[2] Busiri, dans sa célèbre Qasida al-Burda (Eulogie de Burda) mentionne ainsi cet incident: "Un nuage plane au-dessus de sa tête et le protégé du soleil."
[3] Ibn Hisham, Sira, 1:191.
[4] Sahih al-Muslim, "Iman," 355.
[5] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 3:241.