Ny Vanimpotoana Maizin'ny Tsy Fahalalana

Ny vanimpotoanan'ny tantara tsirairay ahitana vondron'olona milaza ho miaraka amin'Andriamanitra, na amin'ny alalan'ny fanompoan-tsampy, na amin'ny fametrahana o amin'ny laharan'ny mpahary ny voary tontolo sy ny antony materialy, dia difotra ao anatin'ny aizina. Rehefa tsy misy ao antsain'ny olona intsony ny finoana ny maha iray an'Andriamanitra dia miha maizina ny saina amam-panahiny, miova ny fitsipi-piainany ary hijery ny tontolo sy zava-drehetra amin'ny lagy ratsiny izy. Io toetra ara-moraly sy ara-panahy ary ara-tsosialy sy toe-karena io no faritan'ny CORAN HO «TSY FAHALALANA».

Ny zavatra ataon'ny tsy mpino dia mitovy amin'ny haizina any anaty ranomasina lalina: saronan'ny onja mivalombalona ahitana rahona matevina eo amboniny. Haizina mivangongo. Manahirana ny manaaka azy. Ireo izay tsy omen'Andriamanitra fahazavana dia tsy hanana fahazavana kely akory. (24:40).

Tsy te-hamariparitra ny fahadisoana aho. Tsy misy zavatra azo atao koa mantsy raha azo faritana ny fahamarinana. Toy ny lazain'Andriamanitra hoe: "tsy misy hafa tsy fahadian-dàlana ny ankoatry ny fahamarinana" (10:32). Na dia izany aza, hanambara teny vitsivitsy mikasika ny vanim-potoana teo alohan'ny silamo, antsoina hoe. Taon'jaton'ny haizina aho, mba hanazavana ny resaka.

Niseho tamin'ny vanim-potoana tsy nahalalan'ny olona ny tena fivavahana marina ny Mpaminany Mohammed, tonga nanompo sampy vita tamin'ny vato sy ny tany ary ny modo sy ny vongan-dronono izy ireo tamin'izany. Hoy ny CORAN hoe:

" Manompo izay tsy hanimba sy tsy afaka hitsentsitra azy ary hoy izy: ireto no mpanalalana anay amin'Andriamanitra" (10:18).

Teny tsy mendrika ara-moraly sy ara-tsaina izy ireo, hoy I Abou Dharr al-Ghifari milaza azy: nopotipotehany ny sampiny ary nohaniny. Ny fialantsiny tokana nataony dia ny hoe: tsy manao afa-tsy ny manaradia ny razanay izahay:

Ary rehefa hilazana izy hoe: "Araho izay nampidinin'Andriamanitra", dia mamaly hoe: "Tsia, hanaraka ny fomban-drazanay izahay" (2:170).

Handevina velona ny zanany vavy koa va izy ireo:

"Ary rehefa mahazo zaza vavy ny iray aminy, meloka ny tavany ary tafihin'ny aromontana izy. Iafenany ny olon-drehetra fa hoe zava-dratsy no nomena azy. Ho tazoniny amin-kenatra va izany sa ho aleviny ao anaty tany? Efa firifiry koa ny fitsaran-disony!" (16:58-59)

Tsinontsinoavina ny vehivavy, tsy tany Arabia talohan'ny silamo ihany fa hatrany amin'ny tanin'ny Romanina sy ny sasanida. Milaza ny Coran fa mbola ho adinina ny lehilahy hoe: "Ary ho anontaniana ny zaza vavy nalevim-belona izay fahotana namonoana azy" (81-8-9).

Taorian'ny nanambaran'I Mohammed ny faminaniany dia nisy mpanaradia azy izay nitantara taminy ny nataony tamin'ny zanany vavy kely:

"Ry irak'Andriamanitra! nanan-janaka vavy aho. Nasaiko nampiakanjoin-dreniny izy indray andro fa hoe hoentiko any amin'ny dadatoany. Fantatry ny vadiko ny dikan'izany fa tsy misy azony natao afa-tsy ny nanaiky sy nitomany. Nampiakanjoany ny zanaka vaviny izay faly tokoa fa ho any amin'I dadatoany. Nentiko teo akaikin'ny lava-drano iray izy ary nasaiko nijery tany ambaniny. Natosiko izy rehefa nijery ny fanambanin'ny lavadrano. Rehefa nianjera izy dia niantsoantso hoe: "dada! dada!".

Nitomany mafy tahaka ny nampizany ny iray tamin'ny Ray aman-dreny niteraka azy ny mpaminany nandritry ny fitantarana.1

Ontsaontsa ny fo. Misy lavaka vita isan'andro any amin'ny tany efitra handevenana ny zaza vavy kely tsy manan-tsiny. Masiaka sy maherisetra noho ny biby masiaka indrindra ny olom-belona. Manorotoro ny matanjaka. Ataon'ny olombelona ny herisetra, hita aminy ny halozana, miseho ny olona lian-drà, heverina ho toy ny fahamarinana ny rà mandriaka, ary ny fijangajangana sy ny fitenenan-dratsy dia hiaraha-manaiky toy ny fanambadiana ara-dalàna. Potika ny rafitry ny fianakaviana.

Ny finoana silamo no nisolo io vanim-potoanan'ny haizina io. Ankoatry ny famongorana ifotony ny ratsy hafa dia hoy Andriamanitra ao: "Aza mamono ny zanakareo noho ny fahantrana. Homenay sakafo toanareo koa izy" (6:151).

[1] Darimi, Sunan, "Muqaddima," 7-8.