L`education du berceau a la tombe

Ny andraikitra fototra sy tanjon’ny fiainan’ny zanak’olombelona dia mitady fahalalana. Ny ezaka amin’io lalana io no antsoina hoe fanabeazana, ary dingana mankany amin’ny fahatsarana izay nahazoantsika ny laharana ho modely tonga lafatra amin'ny voary. Ao amin'ny fanabeazana  ara-panahy sy ara-batana. Amin'ny fahaterahana, eo am-panombohanan’ny diantsika mankamin’ny tontolo ara-tsaina hatramin’ny mandrakizay, osa tanteraka isika ary mila zavatra. Mifanohitra amin’izany, ny ankamaroan’ny biby tonga eto an-tany dia efa tonga lafatra amin’izay fahatsarana ilàna azy.

Ao anatin’ny ora vitsy, andro na volana vitsivitsy monja dia efa mianatra izay ilainy amin'ny fiainany sy ny fifandraisany amin'ny tontolon’ny voary hafa izy. Ohatra, ny voronkely sy ny tantely dia efa maoty sy mahazo ny toe-batana ary ny filana ara-piaraha-monina ilaina ao anatin’ny roapolo andro monja ; isika olombelona dia mila 20 taona raha kely indrindra vao mahatratra ny fahamatorana azo ampitahaina amin’izany. Teraka isika, sady osa no tsy mahafantatra ny lalam-piainana ary tsy maintsy mikiakiaka sy miantsoantso mba hahazo fanampiana amin’izay ilaintsika. Afaka taona iray eo ho eo, afa-mandeha kely sy mitsangan-drery isika.

Afaka 15 taona dia heverina fa afaka manavaka tsara ny tsara sy ny ratsy isika, sy izay manimba na mitondra tombotsoa. Na izany aza mbola mila fotoana lava isika mba hahazo ny fahamendrehana ara-tsaina sy ara-panahy. Ny andraikitra fototra dia ny hahatratra io fahamendrehana iosy ny fahadiovan-tsaina, ny fandinihantsika sy ny finoana.

Eo amin’ny fanehoana ny andraikitra amin'ny fanompoana ny mpahary, Mpamorona ny ho avy sy mpiaro, ary eo am-pidirana ny misiterim-pahariana avy amin'ny fahamboniantsika sy ny fahafahana manao zavatra, mikatsaka ny hanatsara ny laharan’ny tena olombelona sy ny mba ho mendrika ny fiainan-tsambatra sy mandrakizay ary amin'ny tontoo hafa isika. Tontolo tena izy.

Ny maha-olona antsika dia mitovy lenta avy hatrany amin'ny fahadiovan’ny fihetsehana anaty. Na dia ireo fara-fisainan-dratsy ary ny fanahiny tafihin’ny fitiavan-tena dia toy ny olombelona rehetra, mbola ao dia ao ny maha-olona azy. Afaka mampihatra ny vatany ny olon-drehetra, kanefa vitsy dia vitsyireo afaka manabe ny fanahiny sy fisaintsainanay. Mahatonga vatana tomady ilay fanazaran-tena voalohany ary manokatra zava-panahy kosa ilay faha-roa.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.