Gülen, Confisius ary Platon momba ny fanabeazana

Gülen, Confisius ary Platon momba ny fanabeazana

Ny fizarana farany dia niafara tamina fanontaniana mahakasika ny fiavian'ny olona ambony, ireo mpanjaka filôzôfa na ireo mpandova ny tany. Izany no anarana nomen'i Confisius, Plato nary Gülen an'ireo fahitany ny olombelona lafatra izay tokony hitantana na hitondra taratra eo amin'ny fiaraha-monina mba hahatonga azy, amin'ny fitambaram-beny ho tsara sy maharitra. Aiza ireo olona ireo? Ahoana ny fomba ahitana azy ireo? Aiza no mety ahitantsika azy ireny? Ny valiny dia tsotra mazava ho azy, na koa azo antoka. Isika ireny olona ireny, na afaka ho tonga amin'izany isika. Ny tanjon'ny tsirairay avy amin'ireo fomba telo ireo dia ny hahatonga ny maha lafatra ny olombelona ao amin'ny fetezany farany. Ny filazana hoe "fetezana farany" dia mampiseho na izany aza fa maro ny olona, mety ny ankamaroany mihitsy aza, no tsy ho tonga amin'io hahavo amin'ny fepetra maha olona io. Sahala amin'ny hitantsika tao amin'ny fizarana telo aloha, i Confisius, Platon sy Gülen dia samy nanamarika mazava ny fahasamihafan'ny mahiratra sy ny jamba eo amin'ny andian'olona, miavaka mifantoka amin'ny fisiana ety ambonin'ny tany sy ireo ampahana olom-bitsy izay mitady ny zavatra tena miabo. Noho izany, na samy mahafeno ny ny fepetra mba hahatongavana ho olombelona lafatra azan y olona rehetra noho ny fahariana azy ho tena misy lanjany, dia ny ankamaroany dia tsy hanao izany, na hanao izany fa amin'ny ampahany na mitsitapatapaka fotsiny ihany.

Ho an'ireo izay mahavita manatanteraka izany lafatra maha olona izany moa dia, mipetraka ny fanontaniana: ahoana no nanaovany izany? Fomba inona ary fampihadinana manao ahoana no nampiasainy nanovozana fahalalana avo tahaka izany? Ny valiny dia mitovy avokoa ho an'ireo mpandray anjara ao amin'ny resaka ifamalian'olon-telo hitantsika: Ny fanabeazana. Satria ny fanabeazana no fototra ankapobeny izay eo amboniny no ipetrahan'ny ezaka atao rehetra mba hahatontosa ny maha olona antsoina hoe lafatra na ao amin'ny fahafenoany tanteraka. Confisius, Platon ary Gülen dia samy milaza lalana fanabeazana miavaka ao amin'ny fahitana ironany avy, satria raha tsy misy an'ny singa hoe fanabeazana io, ny naorina rehetra dia hirodana avokoa. Manampy izany, ny tsirairay amin'izy ireo dia samy milaza endrika fanabeazana iray miavaka izay hitarika sy hitondra avo ny maty hahatrarana io karazana fivelaran'ny toetra maha olona izay tadiavin'ny tsirairay avy amintsika io. Raha fehezina, ho an'i Confisius, Platon ary Gülen, ny fanabeazana matotra sy voatarika no vato fehizoron'ny fampivelarana ny lafatra maha olona lehibe indrindra. Vokany, ireo foto-drafitr'asa ara-piaraha-monina rehetra dia harindra manaraka ny fihodin'io fanabeazana io mba ho teraka avy amin'ny fiaraha-monina ihany ireo mpitarika andrarezina sy mendrika izay misy.

Sahala amin'ny hitantsika tao amin'ny fizarana teo aloha, ny fampianaran'i Confisius dia misy tahaka ny hoe lalana ara-piaraha-monim-politika na koa amin'ny maha filôzôfia ara-pinoana azy. Milazalaza ny fahasamihafana eo amin'ireo andian'olona ankilany ary "ny olona ambony" na "olon-kendry" andaniny, Confisius dia mampiseho ny fomba fijeriny araka ny hoe ny firindrana dia tsy hanjaka eo amin'ny fiainan'ny olombelona ara-piaraha-monina sy ara-politika raha tsy hoe rehefa ireo olona ambony no mitondra. Amin'ny fanohanana io lalana io no nampisy ny fandalana ny fampianaran'i Confisius nanomboka taonjato maro izay tany Sina amin'ny maha lalana ara-pilozofian'ny fampivelarana ara-piaraha-monina sy ara-politika azy izay manabe ny olona mba hivonona amina karazana asam-pitondrana hatrany toeran'ny mpanolo-tsaina fototry ny Amperora. Matetika, Confisius dia manahy ihany ny fitambaram-ben'ny olombelona, tsy ny mpitondra amin'ny ho avy ihany, sy ny fitambaram-ben'ny fiaraha-monina. David Hinton, ao amin'ny fandikana ny Analectes nataony, dia manazava fa ho an'i Confisius fa ny fanatanterahana ny fomba dia tsy fitenenana fotsiny ireo teny nolazaina zokiolona, na ny fitondrana ireo loko mifanaraka mandrika ny fankalazana. Ny fanatanterahana ny fomba dia midika hoe ny toerana sahaza ao anatina tambajotram-pifandraisana izay misy ny fiainan'olombelona – ny fifandraisana amin'ny ray aman-dreny, ny rahalahy sy rahavavy, ireo akaiky eo nahazohazo taona, ireo manam-pahefana imperialy, ireo lahatsoratra ara-tantara manana ny lanjany, sy ny sisa rehetra. Miaina ny fiainan'ny Li na ny fanitsiana amin'ny fanatanterahana ny fomba ao amin'io heviny io dia mampiditra ho azy ny fitambaram-ben'ny lalana mampitovy izay mampanahy an'i Confisius voalohany indrindra, ny lalana tahaka ny fahitsiana ara-piaraha-monina, ny fifaneken'ny mpitondra sy ireo izay tsara ho an'ny fiaraha-monina (fa tsy ho an'ireo mpitondra ihany), ary ny andraikitra izay azonon'ireo manam-pahalalana mivelana amin'ny mpitarika ny fiaraha-monina sy tsikeran'ireo mpitondrany. Hoy Hinton:

Ho an'i Confisius, ny fiaraha-monina mpanatanteraka ny fomba dia miankina amin'ireo zavatra mampitovy ireo, ary izy ireo dia miankina amin'ny farany amin'ny fanabeazana sy ny kolontsain'ireo mpikambana ao amin'io fiaraha-monina io. Lazaina fa ny anjara birikin'i Confisius ao amin'io sehatra io dia manamarika fa ny vanim-potoanany dia fandalovana ihany. Izy no mpampianatra matianina voalohany tao Sina, nanorina ny fanabeazana ara-pitondra-tena misandrahaka, ary izay tsy eo intsony, izy dia nanao lahatsoratra tsotra izay namaritra ny tena votoatin'io fanabeazana io. Sahala amin'ny hoe tsy ampy izany, dia nanangana koa izy lalana maharitry ny fanabeazana mampitovy – ny hoe mba ahazoan'ny rehetra tombony amina endrika fanabeazana iray, fa izany no ilaina amin'ny fahasalaman'ny fiaraha-monina eo amin'ny fitondra-tena. Izy dia mampifantoka ny sainy tamin'ny fanabeazana ireo manam-pahalalanamivelatra, izay filana tena lehibe tokoa mitahy amin'ireo andiany, saingy izy dia nihevitra fa io fanabeazana io dia tokony afaka omena na iza na iza mitady azy, isan'izany ireo olona tsy mba mpirehareha. Rah any marina, tsy hoe ilay Mpampianatra irery ny avy amina fiaviana tena tsy mpirehareha fa ireo mpianany ihany koa

Ny fanoloran-tenan'ny fampianaran'i Confisius ho an'ny fanabeazana rah any marina dia fanoloran-tena ho an'ny olombelona, ho an'ny olombelona izy tenany sy ho an'ny fiaraha-monina ary ho an'ny maha olona sahala amin'ny filamatra ara-pitondra-tena fototra izay sady mamaritra ny dikan'ny hoe zanak'olombelona no manohana fiaraha-monina iray tsara sy tony. Raha tsy misy io fototra fampivelarana io, ny fiaraha-monina dia tsy hihodina tsotra izay satria ny olona izay mandrafitra azy dia mitondra tena amin'ny hahavo izay tsy azo antsoina akory hoe "olombelona"

Ireo mpanao fitsikerana ao anatiny sy ivelan'ny fomba sinoa dia manondro matetika ireo olona ambony an'i Confisius sahala amin'ny "manam-pahalalana mivelatra" noho ny fombam-panabeazana ambony izay tokony ho voafehin'ny olona mba hahatsara ny laharana rehetra amin'ny asam-panjakana. Manampy izany ho an'i Confisius, ny fianarana dia ivon'ny filamatra rehetra Les Analectes no miteny amintsika:

Hoy ilay Mpampianatra:"Fantatrao ve ireo teny enina [filamatra] sy ireo aloka enina [hadisoana izay hilaatsahan'ireo izay te hanatanteraka ireo filamatra enina ireo nefa tsy miezaka ny hamantatra tsara azy ireny akory]." Tzeu Lou sady nitsangana, no namely: Mbola. – Mipetraha ianao, namerina i Confisius, ho lazaiko anao izy ireo. Ny hadisoan'izay tia miseho ho mpanao asa soa nefa tsy mitia fianarana, izany no tsy fahampiana ara-pandinihana. Ny hadisoan'izay tia fahalalana, nefa tsy tia fianarana, izany nofilatsahana ao anatin'ny tsy fisiana dikany. Ny hadisoan'izay tia mitazona ny teny nomeny, nefa sty mitia fianarana, izany dia fanimbana ny hafa [amin'ny famelana azy ireo sy ny fanapanekena azy ireo zavatra manimba]. Ny hadisoan'izay tia ny fahadiovam-po, nefa tsy mitia fianarana, izany mampiseho fa mpanimba izy. Ny hadisoan'izay tia mampiseho herin-tsaina, nefa tsy mitia fianarana; izany fanakorontanana ny filaminana. Ny hadisoan'izay tia ny fahamatoram-panahy, nefa tsy mitia fianarana, izany ny fandalana ny fankafizana."

Confisius eto dia manazava ny fiezahana manatanteraka ireo filamatry ny fiainana sy ny asa tsy misy fianarana dia mamorona endrika famitahana. Araka ny fisehoan'ireo filamatra ireo dia hahatonga ho hampiarina raha tsy rehefa ampiarina na azo amin'ny fanabeazana n any fianarana. Any ho any ao anatin'ny Les Analectes, miteny Confisius: "Taloha izaho dia mandany ny andro manontolo tsy mihinana ary ny alina manontolo tsy matory, mba hahafahazo manolo-tena amin'ny fifantohana lalina. Kely ny vokatra azoko tamin'izany. Tsara-tsara kokoa mianatra." Ny fianarana sy fandalinana ifantohanana dia mampivelatra ny filamatra ara-pitondra-tena amin'ny fahadiovam-po sy fanahy. Ny fanatanterahana ara-pomba ny fanatomombanana ny ara-panahy sahala amin'ny fifehezana sy ny fieretan-tory dia tsy mandaitra.

Ireo "olona ambony" na ireo "olon-kendry"-n'ny fandalana ny fampianaran'i Confisius dia manan-traikefa teo amin'ny fianarana sy ny fampiarana izay nantsoina taty aoriana kely hoe ireo Mpanara-dia an'i Confisius Miavaka, na ny lalanan'ireo manam-pahaizana. Ireo lahatsoratra tafiditra ao amin'io lalana io dia niangona nandritra ny fotoana maro, saingy ny ampahany tena tranainy sy tena omen-danja izay mitondra matetika ny lohateny "ny soratra" dia misy lahatsoratra dimy: Shu Shing (bokin'ny tantara); Shih Ching (bokina tononkalo madinika); Yi Ching (bokin'ny fiovana); Ch'un-Ch'iu (boky mitantara isan-taona ny lohataona sy ny fararano); ary ny Li Ching (bokin'ny fomba). Ireo olona ambony mpandala ny fampianaran'i Confisius dia manam-pahalalana mivelatra izay ny fahafehezana ny ao anatin'ireo lahatsoratra ireo sy ny hafa, dia nahatonga azy ireo mendrika ny asa sahala amin'ny mpiasan'ny fitondrana, governoram-paritany sy ny mpanolo-tsainan'ny amperora. Ireo karazana lahatsoratry ny lalan'i Confisius dia manome fampianarana midadasika mahakasika ny fampivelarana ny toetra ampifandraisana amin'ny filamatra miavaky ny maha olona, ny fanitsiana, ny fahamalinana, ny fahitsiana, ny tsy fanaovana kolikoly, ny fahatsorana, ny fifandraisana amin'ny ray aman-dreny, ny fanaovan-tsoa, ny fitsipika sy ny fahamatorana. Manampy izany, izy dia mampianatra ny fahatsarana amin'ny mozika, tononkalo sy amina fahalalana hafa. Ao amin'ny Les Analectes, dia mamaky an'ity isika:

Hoy ilay mpampianatra: "Ry zanako nahoana no tsy mianatra ny bokin'ny tononkalo madinika ianareo? Izany dia ilaintsika mba hanaitaitra ny fihetseham-po, mba hanarahantsika mason y fitsikerana. Izany dia mampianatra antsika ny fitondra-tena eo anivon'ny fiaraha-monina, mba hiasantsika ho an'ny raintsika sy ny mpanjakantsika. Izany dia mampahafantatra antsika karazanam-borona maro, sy biby manana tongotra efatra sy zavamaniry ary hazo." Hoy ilay Mpampianatra tamin'ilay zanany lahy Pei u: "Nanao ny Tcheou nan sy ny Chao nan [fizarana roa voalohany ao amin'ny bokin'ny tononkalo madinika] ve ianao? Izay olona tsy nianatra ny Tcheou nan sy ny Chao nan ve tsy mitovy amin'ny olona izay mampitodika ny tavany any amin'ny rindrina?"

Hitantsika eto fa ny fahafehezana ny bokin'ny tononkalo madinika, izany hoe ny mozika sy ny poezia, dia ilaina tokoa eo amin'ny fampivelarana ny tena, amin'ny fitantanana sy eo amin'ny asa atao ho an'ny fianakaviana sy ny amperora. Raha tsy misy io kolontsaina io, ny fiainana dia sahala amin'ny niainana "manomana rindrina iray". Ito dia misy vokatra mifandray amin'ilay tantaran'ny lavabato an'i Platon. Raha tsy misy ny fahafehezana farafahakeliny ny ampahany voalohany amin'ny bokin'ny tononkalo madinika, ny olona ambony dia mety ho tonga sahala amin'ireo mponin'ny lavabato an'i Platon. Tsy afa-mihetsika eo amin'ny toerany ary mibanjina tsy miato ireo aloka amin'ny rindrina toy ny hoe io no vokatry ny fisiana manontolo. Tsy misy afa-tsy amin'ny alalan'ny fianarana no ahafahantsika manome lamosina ny rindrina ary mizotra mankany amin'ny hazavan'ny fahalalana; tsy misy afa-tsy ireo izay manam-pahalalana irery ihany no afaka manome fahafaham-po ho an'ny fiaraha-monin'ny fianakaviana mafy orina, tsara tantana ary amperora notoroina hevitra tamim-pahendrena. Raha tsy misy ireo zavatra ireo, ny fiaraha-monina dia ho hanjary ho maizin'ny faharavana.

Ny lalan'ny fampianaranan'ireo miavaka dia tsy mampivelatra ny fahafehezana ny Kanto sy ny siansan'ny fitantanana fotsiny ihany. Ny fanabeazana araka ny fampianaran' i Confisius dia tsy voafaritra tamin-kahaterena sahala amin'izany. Tahaka ny tondroin'ny lohatenin'ireo miavaka izy tenany, ireo manam-pahalalana mivelatra an'i Confisius dia nampiofanina tamina karazana fitsipika toy ny poezia, ny mozika, ny tantara sy ny fomba, izay raha ny endriny dia tsy mampiseho ny tena fampianarana ny fomba tsara amin'ny fitantanana. Ireo mpikarakara io sehatra io dia saika mampianatra mozika amina karazana zava-maneno ambony amin'ny fanoratana izy ireo sy amin'ny famakiana tononkalo, ary mpikaly soratra tena nikoizana, mba hitanisana ny sasantsasany amin'ireo sehatra hanana'izy ireo traikefa. Ny lalanan'i Confisius dia milaza fa ny fanabeazana sy ny fanofanana tahaka izany dia mamboly ny toetra amin'ny fomba miavaka sy tsara. Mahita asan'ny eritreritra iska ao anatin'ny andalan'ny Les Analectes:

Hoy ilay Mpampianatra: "Ireo fomba, dia fomba hatrany! Tiantsika ve ny hiresaka fotsiny ireo vato sarobidy sy ireo fanodinana lamba landy? Ny mozika mbola mozika koa! Tiantsika ve ny hiresaka momba ny lakolosy sy ny aponga?"

Eto, ny fampidirana dia ny ampianarana mihoatra noho ny fahatsorana ny fihodinan'ny fpmba na ny mozika. Mazava ho azy, ny fomba sy ny mozika dia manana ny tena lanjany izay azy irery ny famporisihina ny fianarana azy sy ny fifehezana azy, saingy Confisius dia manolo-kevitra eto fa ny fahafehezana azy ireny dia hahavitana zavatra hafa koa, mihoatra ny fatran'ny fanitsiana ara-pitafy n any filalaovana zava-maneno. Ireo andalana voatanisa teo aloha mahakasika ny bokin'ny tononkalo madinika dia ahitana tolo-kevitra mifanahatsahana amin'izany, fantatra amin'izany fa ny fandalinana ny mozika dia mampianatra ny fandikana tsotra hira, na tantaran'ny fomban'ny mozika.

Isika eto dia manana fahitana an'izay lazain'i Confisius mahakasika ny fiandohan'ny olombelona sy ireo halalinany. Ny fahafehezana ny mozika, ny poezia sy ny fomba dia manome fahafehezana ny fihodin'ireo fitaovana, teny sy fihetsika ireo izay mazava ho azy fa ilain'ny tena. Na izany aza, amina fetra lalindalina kokoa, ny fahafehezana ireo lohahevitra ireo dia mamboly ny olon'ny toetra izay lanja tena lehibe indrindra. Ny mozika dia manokatra ampahany amin'ny fanahin'ny olona izay afaka vohain'ny zavatra hafa; mbola hahafahana sady milalao amina fetra tena sarotra, dia tokony volena amin-kevitra sy fahatanterahana io ampahany tena lalin'ny fiandohan'ny olombelona io. Ny mitovy amin'izany dia miatra any amin'ny poezia n any kaly soratra. Ny tsirairay avy amin'ireo dia mitaky ny ny fahafahana mahatsapa sy miteny izay tena mihakely sy bitika hatrany, eo amin'ny fihodinan'ny tanana n any feo, ary eo amin'ny fanahy.

Izany no hevitr'i Confisius. Ireo olona ambony dia ho tonga zanak'olombelona ambony amin'ny lalan'ny fambolena io fahafahana mbola mainka madio tsy misy pentina io izay misy ao amin'izy ireo ihany, fahafahana izay ifampizaran'izy ireo amin'ny zanaak'olombelona rehetra, saingy tanterahan'izy ireo amin'ny tenany ihany amin'ny alalan'ny fanabeazana sy ny fitsipik'izy ireo. Ao amin'ny fivelarana ao amin'ireo sehatra ireo, ny fahefan'izy ireo amin'ny manodidina dia mitombo satria ny zanak'olombelona rehetra, mahalala na tsia, dia manana fiandohana izay mamaly ny mozika sy ny hatsarana hafa. Sahala amin'izay tondoina andalana hita eo ambonimbony eo, ny mozika dia manosika ny olona hijery ny ao anatin'izy ireo, mba hitovy amin'ny hafa ary mba haneho ny fihetseham-pon'izy ireo. Izy no misarika ny manam-pahalalana mivelatra izay mahafehy ny mozika; io herim-pisintonana io dia ahitana ampahany amin'ny te-n'izy ireo izay nolazalazaina tao amin'ny fizarana teo aloha.

Ireo olona ambony mandala ny fampianaran'i Confisius dia manome endrika ny hevitra ara-pahalalana sy ara-pitondra-tenan'olombelona tamin'ny fihevitra sinoa nadritra ny taonjato maro, eny hatramin'ny nitondran'ny filoha Mao sy ny Kaominisama. Ireo mpampianatra ny fanabeazana ara-tsoratra sy fampivelarana ny fitondra-tena ireo dia namaritra ny tena maha olona tamina endrika tena ambony sy tena mihaja ary ny sary izay nasehon'izy ireo dia ny an'ny fahalalana lehibe miavaka sy kanto, an'ny fampivelarana nohalalinina ny maha izy azy ny olona, an'ny endrika sy fanitsiana tsy misy kianina ary ny an'ny hasoa ara-pitondra-tena faratampony. Manampy izany, izy ireo dia nahavita izany noho ny fianarana nifantohana sy ny fampiarana araka ny tokony ho izy; izany hoe noho ny herin'izy ireo manokana. Maro amin'ireo fomban'ny mpandala ny maha olona no mametraka ho lohalaharana, sahala amin'ny ataon'ity, ireo izay afaka tanterahin'ny olombelona amin'ny alalan'ny fiezahany manokana fa tsy amin'ny alalan'ny fanampian'Andriamanitra n any anjarany. Confisius milaza amintsika fa ny fiandohan'olombelona dia mitovy fototra avokoa amin'ny tsirairay; amin'ny farany, ny manavaka ny olona dia ny fianarana sy ny fampianarana izay ataon'izy ireo amin'ny alalan'ny sitra-pony. Ny olona sahala amin'izany raha araka ny lalana no mendrika ny anarana hoe "olona ambony", ary ny olona izay tsy manatanteraka ny fanavahana tahaka izany dia tokony hanainy ny hananana azy ireo tsy mpitondra sy toy ny ohatra tsara amin'ny fiainana sy fitondra-tena maha olona. Rah any marina, araka, ny hevitr'i Confisius, ny toetran'ny olona ambony dia mampihatra karazana hery ara-pitodra-tena amin'ireo izay manodidina azy mbaahatsapan'izy ireo koa ny faniriana hanatanteraka fihetsika maontina, na farafahakeliny mba hialan'izy ireo amin'ny fihetsika mamohetra. Ireo dia olona manatsara tsy ny fiainany manokana ihany, fa manatsara ihany koa ny fiainana izy tenany ho an'izay rehetra eo anilany amin'ny alalan'ny ohatra sy fombam-pitantanana atolotr'izy ireo. Amin'ny maha olombelona lafatra tanteraka ao amin'ny fiainam-piarahmonina sy politika, izy ireo dia vavolombelon'ny herin'ny fanabeazana sy ny kolontsaina eo amin'ny fiainan'ny olombelona.

Ireo olona mabony mpandala ny fampianaran'i confisius, raha toa izy ireo ka nentin'ny fotoana sy ny habaka hatraty amin'ny repoblika lafatr'i Platon, dia mety noraisina an-tanan-droa ary namporisihina handray ny toerany miaraka amin'ireo mpiambina. Sahala amin'ny hitantsika tao amin'ny fizarana teo aloha, ireo fomba filaza roa momba ny zanak'olombelona tonga lafatra ireo dia mampiditra amin'ny toerana avo ny fivelarana ara-pitondra-tena sy ny fitaovana iasana eo anivon'ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fitantanana. Ny mapivondrona azy ireo koa dia ny finoana fa tsy misy afa-tsy ireo afaka mitantana no manao izany. Vokany, ireo maodely ara-polika naroson'ireto filôzôfa roa ireto dia fahefan'ny mendrika fa tsy fahefana ifandovana. Ireo izay mendrika no tokony hitantana, ary ireo izay tsy ao anatin'izany dia tokony tantanina, na hampiana mba hitondra ny tenany. Ny fahamendrehana dia faritan'ny fombam-panabeazana, ary noho izany lalana mba hahatongavana ho mpiambina ao amin'ny repoblika lafatra an'i Platon, tahaka ny ao amin'ny lalan'ny fampianaran'i Confisius mba ho tonga mpiasan'ny fitondrana, mitaky fanabeazana ara-dalana sy kolontsaina miavaka.

Ireo hevitr'i Socrate mahakasika ireo fanabeazana ireo mpiambina, mitovy tanteraka amin'ny an'ireo andraikitra hafa rehetra ao amin'ny fiaraha-monina tsara rindra, dia miparitaka amin'ny fitambaram-ben'ny La Republique. Ireo boky fahatelo sy fahaefatra dia mampiseho ireo resadresaka miavaka mahakasika ireo singa manokan'ny fandaharam-pampianarana. Ireo boky manaraka dia manadihady ireo tombony ara-pitondra-tenan'ny fanabeazana ara-kajy ary ireo fizarazarana hafa izay manaraka dia manazava ny hevitry ny fahefan'ny mendrika an'i Socrate amin'ny fampifanoherana azy amina endrika fitantanana efatra izay miataka amin'ny lojika, fantatra amin'izany ny fahefan'ireo tsy azo ifanarahana, ny fahefan'ny vitsy an'isa, ny fahefana manohintohina ny maha izy ny olombelona ary ny fanagejana. Ny fandikana amin'ny antsipirihany ireo fizarazarana ireo dia mivelatra mihoatra izay famakafakana ataontsika izao. Raha tokony ho izay, eto aho dia hanome tsoa-kevitra amin'ny fahazoana fototra amin'ny alalan'i Socrate ny Fanjakana tsra rindra, ireo mpiambina izay mitantana azy ary ahoana no tokony hamantarana sy hampianarana ireo mpiambina ireo mba ho soa an'ny fiaraha-monina iray manontolo. Ny toerana tsara indrindra hanombohana io tsoa-kevitra io agamba dia ny "Mythe des Métaux" an'i Socrate ao amin'ny boky fahatelo.

Ireo manam-pahaizana amin'ny finoana dia milaza fa ny "Mythe des Métaux" dia mampiseho ny lalanam-pifandraisan'i Platon mahakasika ny finoana. Izany hoe ny angano sy ny tantara ara-pinoana dia manana andraikitra ilaina eo amin'ny fiaraha-monina na inona na inona no fahamarinan'ny farany sy ny tantarany. Ny fahamarinana nentin'ny angano sy ny tantara dia fahamarinan'ny toeran'ny olombelona ao anatin'izao tontolo izao na ara-pilôzôfika., izay mizotra na dia eo aza ny tsy fisiana fahamarinana ao anatin'ny tantara izy tenany. Ny tantaran'ireo vy an' i Socrate dia karazan'io angano io, angano avy amina fiaviana mahazendana ary feno fakana sary an-tsaina izay mandrafitra fahamarinana ara-pilôzôfika momba ny fisiana, amin'ny tranga momban'ny fahasamihafan'ny fanomezana sy ny fahafahan'ny olombelona io, na koa izay antsoin'i Socrate hoe ireo fahafahana ara-boajanahary ny olona. Toy izao manaraka izao ilay angano: ny tany, renin'ny zanak'olombelona rehetra, ary fiaviana iombonan'izy ireo. Na izany aza, ireo andriamanitra dia mametraka tao anatin'ny tany vy maro sahala amin'ny volamena, volafotsy ary ny vy na dia avy amina loharano iray aza izy rehetra, dia miavaka amin'ny hafa ny sasany noho ny fisian'ny volamenam ao aminy, volafotsy ny vy. Maro amin'ny olona no feno volamena na "tena" volamena mihitsy, raha to ka ny hafa dia volafotsy na vy. Ny angano dia manazava noho izany amina endrika tantara fahamarinanairay izay mitoetra eo amin'ny fisian'ny olombelona. Ny fifangaroan'ny vy eo anivon'ny olombelona tsotra no manazava fa ny ray aman-dreny roa "volamena" dia manana fahafahana kokoa hiteraka zaza "volamena", manana fahafahana vitsivitsy hanana zanaka "volafotsy" an "vy". Tsy misy antoka milaza fa ny volamena dia hiteraka volamena, na koa ny volafotsy hiteraka volafotsy. Ny volamena dia mety hiteraka volafotsy ary ny vy dia mety hanome volamena. Ao amin'ny drafitr'i Socrate, ireo mpiambina dia volamena, ireo miaramila dia volafotsy ary ireo mpanao asa Tanana sy mpiompy dia vy. Ny andraikitra rehetra dia ilaina ary mamorona ny ampahany amin'ny fiaraha-monina iray manontolo, saingy misy antanan-tohatra eo anivon'io fototra fifampitoviana io: ireo izay volamena no tokony hitondra ny sisa rehetra, ary tafiditra amin'izany ny tenan'izy ireo. Tsy misy afa-tsy ny mapiseho toetra volamena ihany no tokony hitondra; ireo izay mapiseho amin'ny endrika volafotsy sy vy dia tokony hannatanteraka ireo andraikitra ara-piaraha-monina mifandraika amin'ireo karazana ireo. Vokany, ny fiaraha-monina dia tokony harafitra amin'ny fomba izay manome lanja ny vy miavaka  isam-batan'olona mba hahafahana mametraka ireo izay miseho amin'ny endrika volamena any amin'ireo toeran'ireo vy. Ny faharavana dia miaina rehefa ny olona no voapetraka amin'ny toerana, asa na andraikitra izay tsy mifanandrify akory amin'ny fahafahany n any tena andraikiny. Ny vy voajanaharin'ny olona, ny talentany sy fanomezana voajanahary dia tokony fantarina y volena araka ny tokony ho izy mba hampirindra tsar any fiaraha-monina rehetra. Izany dia tanteraka noho ny fanabeazana.

Manerana ny La Republique, Socrate dia miresaka ny fanadihadiana lalina sy ny fanandramana izay tokony hampiharina amin'ny maha olona mba hahafahan'ireo mpanara-maso azy ireo mamaritra ny "vy" ao amin'izy ireo, na mba rehefa voamarina, ny "vy" amin'ny olona iray dia afaka velarina sy tanterahina tokoa. Ny olona rehetra dia mandray ny fanabeazana fototra, saingy mizotra mankany amina fianarana mifantoka amina zavatra tokana raha vantany vao mitranga ny fahafahany sy ny andraikiny. Isa-dingana, ny olona rehetra dia mahazo ny fanabeazana voavoatra mba hamoahana indray ny fahamendrehan'ny maha olona ao amin'izy ireo sy ilay fanehoana feno ny vy misy ao amin'izy ireo. Ny fanabeazana mendrika dia afaka mampifandray ny fanahy sy ny vatana. Socrate ao amin'ny boky fahatelo dia manazava fa ireo izay nahazo fanofanana mihoa-papana amin'ny mozika sy ny poezia noho ny fanofanana ara-batana na ara-panatanjahan-tena dia manjary malemy, osa sy tsy ampy hery hoenti-mihetsika. MIfanohitra amin'izany, ireo izay mahazo fanabeazana ara-panatanjahan-tena fotsiny nefa tsy manome fahalalana ny fanahiny amin'ny hatsarana dia tonga mahery setra ary mitady hamaha ireo olany rehetra amin-kery sy habibiana hatrany. Ny zanak'olombelona dia manana endrika kely maromaro ary tokony ho beazina araka izany mba hahatrarana ny fitambaram-ben'ny toetra maha olona sy mba ho isan'ny fanomezana na "vy" miavaka izay tokana ho azy ireo.

Ireo izay mananaireo fanomezana mba ho mpiambina dia mahazo mazava ho azy ny fanabeazana faran'izay sarotra sy faran'izay mandroso satria ny andraikitry ny fitantanan'ny Firenena manontolo dia mipetraka eo an-tsorok'izy ireo. Socrate dia manokana amin'ny ampahany betsaka indindra amin'ny boky fahatelo sy fahaefatra ho an'ny karazana fanabeazana tokony ho azon' ireo mpiambima ireo. Ireo fizarazarana ireo dia isan'ny andalana tena iandian-kevitra ao amin'ny La Republique satria Socrate dia tena mandidy ao ho an'ireo mpiambina fandaharam-pampianarana henjana sy namboarina tamim-pitandremana izay maro amin'ny olona mivelona any Andrefana amin'izao no mahita fahefana ampiarina amina boky sy fanitsiana. Socrate dia milaza ao anatin'ireny fizarazarana ireny fa ireo mpiambina dia tsy tokony haseho amina karazana sora-kanto, mozika na tantara an-dapihazo satria izy ireo dia manana fironana mamorona toetram-panahy izay miafara amin'ny fanimbana ny fahafahan'ireo mpiambina mba hanao ny tsara sy hitantana araka ny tokony ho izy. Maro amin'ireo sangan'asan'ny tontolo grika taloha, sahala amin'ny asan'I Homère sy Hésiode, no tsy tafiditra ho isan'ny ahazoan-dalana ho an'ireo mpiambina satria izy ireo dia manasongadina amin'ny fomba miabo ireo zanahary tapany toa an-dry Achille na ireo zavatra tompoina mitondra tena amin'ny fomba izay tena lavitry ny fahamboniana. Maro amin'ireo anjara lalaovina ao amin'ny asa natao ho lalaovina an-tsehatra no voarara ho an'ireo ho mpiambina satria milalao andraikitra sahala amin'izany amina famokarana tetraly dia midika fakan-tahaka na mampiseho amin'ny fihetsika toetra tsy mendrika na mametraka olana, ary izany dia mety hampivelatra ao amin'ny fanahin'izy ireo fahafahana hitondra tena sahala amin'izany. Ny fanahin'ireo mpiambina dia tokony ho voaaro sy voavoly amim-pitandremana manomboka amin'ny fahazazany mba hahatonga ny ati-fanahiny ho mora andairan'ny ny fahatsarana, ny hatsarana, ny filaminana n any fahitsiana. Ny andraikitra maha mpiambina azy ireo dia mitaky izany toe-panahy izany ary tokony ho raisina amim-pitandremana lehibe tokoa mba hamoronana ao amin'izy ireo io fahafahana io hatrany am-piandohana. Ao amin'ny boky faharoa, Socrate dia milaza ireo tanora mpiambina: "Amin'io taona malefaka io izy ireo dia tena tsy mahasarika mihitsy noho izany izy ireo dia manana anjara kokoa handray ny maodely rehetra izay aseho azy ireo" Lavidavitra, izy dia miaro ny fanaraha-maso ny ankamaroan'ireo poezia sy fanehoana zava-kanto hafa.

Tsy tokony rarana ve ny fisiany et amintsika, tahotry ny hoe ireo mpiambina antsik, hotaizana anivona endrika ratsy sahala amin'ny ao anaty ahi-dratsy, sady tsy fioty no tsy famela, matetika isan'andro, ahitra maro mpiambina, amin'izany dia tsy tapan'izy ireo akory fa tsy manao afa-tsy ny manangona ny ratsy amin'ny fanahiny izy ireo.

Ny mpanabe dia mitazotra hatrany ao amin'ny fanahy izany hoe fanahin'ny olona izany, indrindra ny an'ireo mpiambina, izay voataiza. Socrate dia milaza fan oho ny fanabeazana dia hita eo anivon'ny fanahy, ny fanabeazana ara-mozika sy kanto agamba no iray amin'ireo tena manan-danja amin'ny fandaharam-potoana. Manazava amin'ilay mpianany Glaucon izy.

Moa ve, ry Glaucon, naveriko, fa ny fanabeazana amin'ny alalan'ny mozika dia ambony satria ny gadona sy ny firindrana dia manana ny teboka ambony indrindra mba hahafahana mipaka any anatin'ny fanahy sy handona mafy any, izay mitondra miaraka amin'ireo indra-fo sy ny fanekena, raha toa isika ka tsara taiza, raha tsy izany dia ny mifanohitra aminy? Ary ilay tanora lahy izay nomena azy dia mety tanteraka aminy ny tsy fahatomombanana sy ny haratsiana ao amin'ireo asan'ny kanto na ny voahary, ary mahatsapa amin'izay indrindra ny tsy fahazoana fahafinaretana? Izy dia midera ny zavatra tsara, mandray azy ireny amin-kahafaliana ao anatin'ny fanahiny ka manao izany ho sakafony, ary tonga noho izany mihaja sy tsara; mifanitra aminy, izy dia manibaka ireo ratsy, mankahala azy ireny manomboka amin'ny fahazazany, alohan'ny ahatongavan'ny saina ao aminy; ary rehefa tonga ao aminy ny saina, dia raisiny am-pahatsorana izany ary fantariny sahala amin'ny ray aman-drenin'ny fanabeazana tsara nomanina ho azy.

Ny lohahevitra eto dia ny fanahy, na ny ao anaty, izay maro ankehitriny no mitondra mba hiantsoana azy hoe ny toetra. Izy dia tokony ho hampivelarina isaky ny dingana, amin'ny lalana rehetra ary ao amin'ny singa tsirairain'ny fandaharam-potoana. Sahala amin'ireo manam-pahalalana mivelatra manaraka ny fampianaran'i Confisius, ireo mpiambina an'i Socrate dia nahazo fampianarana matanjaka amina fitsipika maro toy ny mozika, ny poezia, ny fanatanjahan-tena, ny kajy ary sehatra maro hafa; izany rehetra izany dia manana tanjona mba hitaizana ireo olona mora andairan'ny fahitsiana, ny fahatsarana ary ny firindrana any anatin'izy ireo lalina any. Tsy misy afa-tsy amin'ireo olona sahala izany no afaka ametrahantsika ny fiambenana ny Firenena manontolo; tsy misy afa-tsy ny fisian'ny olona sahala amin'izany eo amin'ny familiana no ahafahan'ny sambon'ny firenena mizotra amim-pahalemana eo ambonin'ny ranomasinaizay mazana misavoamboana eto amin'ity tontolo ity.

Ny fahazoana ny fanabeazana ho an'ny rehetra sahala amin'izany sy ho an'ireo mpiambina an'i Socrate manokana dia mitondra any amin'ny famoronana famaritana fototry ny fahitsiana, araka ny hevitr'i Socrate, izay izy no tena zava-manahirana indrindra amin'ny resaka rehetra ao anatin'ny La Republique. Manomboka any amin'ny boky voalohany, ny ady hevitra dia miverina matetika any amin'ny fahitana ny fahitsiana sy ny famaritana azy. Any amin'ny famaranana ny boky fahaefatra, taorian'ny nandaniana boky roa mahakasika ny fanabeazana ireo mpiambina, Socrate dia manome famaritana ny fahitsiana mifandray tanteraka amin'ny maodelim-panabeazana izay nohazavainy. Hoy izy:

Noho izany ny fahitsiana dia tsy inona akory fa ny fahefana izay miteraka olona tsara tantana sy Tanana tsara tantara… Rah any marina ny fahitsiana […] dia tsy mihatra amin'ireo fihetsika ivelany ataon'ny olona, saingy ny fihetsika anatiny, izay tena mahakasika azy tenany sy ireo lalana izay mandrafitra azy. Izy no tsy mamela na dia ampahany kely aza amin'ny vvatan'ny olona mahitsy hanatanteraka zavatra izay vahiny aminy, na koa ireo lalana telon'ny fanahiny hanosihosy ireo tena andraikiny, izy aza mifanohitra amin'izany no mamerina amin'ny laoniny ny firindrana ao anatiny, izy no maka namana ny tenany, izy no mandrindra ireo fizarana telon'ny fanahiny ho azy sahala amin'ireo teny telo amin'ny an-tanan-tohatry ny mozika, ny faran'ny avo, ny faran'ny ivo, ny eo anelanelany ary ireo hahavona feo mpanelanelana izay mety hisy, izy dia tokony hampifandray ireo singa rehetra ireo ary tokony ho tonga amin'ilay hamaroany teo aloha, tokony hahay handanjalanja sy feno fandrindrana izy ka amin'ny zavatra rehetra karakarainy, na izy miasa mba hampitomba harena, na izy mitsabo ny vatana, na izy miandraikitra raharaha politika, na izy miara miasa amin'ireo mahaleontena, izy dia mitsara marina hatrany ary miantso mhitsy sy asa tsara ireo izay mitandro sy mandray anjara mba hahatoa io toe-panahy io ary izy dia handray ho fahendrena ny siansa izay misarika io asa io.

Ny fahitsiana izy tenany, noho izany, dia miankina amina olona mahakarakara ireo karazana asa sy andraikitra ao amin'ny fiaraha-monina izay nampidirana teo anatin'ny fanahiny hatramin'ny fahazazany ireo lalanan'ny hatsarana sy ny fahatsarana. Manampy izany, ny fiaraha-monina izay miankina amina olona sahala amin'izany mba hitantana izay hitantana azy dia tokony izy tenany hatsanganamba hiteraka karazana olona mitovy amin'izany mba hanarahany ny lalany; izay no antony handraisan'ny fanabeazana ny andraikitra fototra eo anivon'ny fiaraha-monina. Ny fanabeazana no milina mampivelatra ny mendrika sy ny fahafahana lehibe indrindra ao amin'ny olombelona, ary ny endrika fanabeazana tsara indrindra dia ireo izay, na inona na inona lohahevitra famakafakana eo, manana yanjona lehibe hitaiza ny fanahin'ny olombelona ho mora andairan'ny fahitsiana, ny hatsarana ary ny fahatsarana. Raha tsy misy ny olona sahala amin'izany amin'ny dingana rehetra, dia ho very ny fiaraha-monina.

Gülen, miainga amina fijery mosilimo mifanalavitra an-jato-taonany maro amin'i Confisius sy Socrate, dia mampiseho lalanan'ny fampianarana iray, ny fanahy ary ny fampivelarany ny maha olona izay misy akony mivelatra tokoa eo amin'izy ireo. Sahala amin'ireo mpiara miasa aminy efa tranainy ireo, izy dia mahazo ny maha izy azy ny olona toy ny voahary ahitana singa maro mandafitra: ny vatana, saina ary fanahy. Ny tsirairay avy amin'ireo singa ireo dia tokony ho velarina araka ny tokony ho izy mba hahatrarana ny faratampon'ny toetra maha olona, io fampivelarana io dia misy noho ny fanabeazana.

Manazava i Gülen:

Isika dia tsy voahary ahitana vatana, fanahy, fihetseham-po na fanahy fotsiny ihany; isika dia fifangaroana firindran'ireo singa rehetra ireo. Ny tsirairay avy amintsika dia vatana tafiditra anatin'ny filantsika, sy fanahy manana filana tena mila fitandremanana sy mahavelona noho ny vatana, ary mihetsika araka ireo fanahiana mahakasika ny lasa sy ny ho avy…Manampy izany, ny olona tsirairay dia voahary manana fihetseham-po izay tsy afa-pon'ny fisainana irery ary voahary iray manana fanahy izay ahazoantsika ny fiandohan'ny maha olona antsika. Ny olombelona tsirairay dia sahala amin'izany. Rehefa ny lehilahy na vehivavy iray, manodidinan'ireo izay hifantohan'ireo fomba sy ireo ezaka rehetraa, no raisina sy hodihadiana sahala amin'ny voahary ireo manana toetra rehetra ireo, ary rehefa tanteraka ny filantsika, dia ho tratrantsika ny hahasambarana marina. Mandrampiandry, ny fivoarana sy ny fandrosoan'ny olombelona miaraka amin'ny maha izy antsika dia tsy hisy mihitsy raha tsy miaraka amin'ny fanabeazana.

Eto, isika dia mahita fitoviana amin'ny famaritan'i Socrate ny maha olona ny olona miaraka amin'ireo fizarana telo samy hafa, ny fanahy n any fomba fisainana, ireo fihetseham-po ary ny vatana. Ireo fizarana rehetra ireo dia tokony ho velarina araka ny tokony ho izy, ary tokony hihodina araky ny toerana nomena azy eo anivon'ny olona iray mba hahatoa ny maha olona feno azy. Gülen dia mampiseho fihetseham-po mifanahaka ato amin'ity andalana ity, fantatra amin'izany fa ny lehilahy na ny vehivavy tsirairay avy dia fifangaroana singa maro izay tokony ho velarina ao aminy ihany ary tokony alamina manaraka firindrana ao aminy koa mba hahatahteraka ny fivoaran'ny maha olona.

Io andalana io sy ny hafa maro mitovy aminy dia isan'ny ady hevitra tena midadasika eo amin'ny tantara izay hanoritan'i Gülen indray ny fivelaran'ny kolontsaina any Atsinanana sy any Andrefana. Izy dia milaza fa na dia nahazo vahana nanerana ny tany mandritran'ny taonjato maro azan y kolontsaina Tandrefana, mamorina ny tsinjo lavitra amin'ny siansa sy ny hairaha, ny fahitan'ny tontolon'ireo tandrefana ankehitriny dia mifototra amina vainga ary noho izany dia manam-petra. Amin'ny teny hafa, ny fomba fijery tandrefana dia mahita ny zanak'olombelona amina teny tena miankin-doha amina vainga, ary mitady ny hahatsoa ny fahatanterahan'ny maha olona amin'ny alalan'ireo teny misy fetrany ireo. Ny fanatonana zavatra sahala amin'izany dia manao sorona ireo endrika hafa maha olona, izy ireo dia ara-panahy ary io fanaovana sorona dia mamorona krizy ara-piaraha-monina maro. Misy ampahany amin'ny fahitan'i Gülen ny ho avy no hampivondrona ireo tsaran'ny kolontsaina tandrefana, izay ara-tsiansa sy hairaha, miaraka amin'izay tsara amin'ny kolontsaina tantsinanana, izay ny ara-panahy sy ara-pitondra-tena, mba hamoronana kolontsaina maha olona mivoatra kokoa sy mendrika izay hitondra ny fisiana rehetra anatine tontolo vaovao.

Ho an'i Gülen, sahala amin'ny an'i Socrates y Confisius, tsy misy olona ny fiaraha-moninna iray mahatratra ny tena maha izy azy feno raha tsy misy fanabeazana. Gülen dia mahita ny fanabeazana tahaka ny fomba irery izay noho izy ny olona dia manjary toy ny voahary araka ny nampivoaharan'Andriamanitra azy. Ny mianatra, izany no famenoana ny andraikitra faran'ny manan-danja eo amin'ny fiainana. Hoy izy:

Ny adidy sy tanjona fototry ny fiainan'ny olona dia ny fihezahana mbahahazo. Io ezaka, antsoina hoe fanabeazana, io dia dingan'ny fanfavorariana izay noho izy no ahazoantsika, ao amin'ny sehatra ara-panahy, ara-pahalalana sy ara-batana ny maha izy antsika, ny loharano izay efa anjarantsika araka ny maodely tsaran'ny famoronana. Ny adidintsika fototra eo amin'ny fiainana dia ny mitady ny fahalavorariana sy ny fahadiovana ao an-tsaintsika, amin'ny fahatsapantsika sy ny finoantsika. Amin'ny fanatanterahana ny adidintsika amin'ny fanompoana ilay Nahary, Mpanome sy Mpiaro, sy amin'ny fikatsahana ny misterin'ny famoronana amin'ny alalan'ny maha izy antsika sy ny fahafahantsika, isika dia mitady hanatratra ny loharanon'ny tena fahamarinan'ny maha olona ary mitady ho tonga mendrika ny fiainana mandrakizain'ny fahafaham-po tsy misy fetra any amin'ny tontolo hafa, tontolo iray ambony.

Gülen eto dia mametraka ny fampianarana sy ny fanabeazana ho tena fototry ny tanjon'ny maha olona. Raha fehezina, ny tanjon'ny fiainana maha olona dia ny mba ho tonga ho olombelona feno, ary izany dia tanteraka noho ny fandalinana sy ny fahalalana. Gülen, amin'ny maha mosilimo azy, dia mametraka izany mora foana ho amina lohahevitra mendrimendrika kokoa izay amin'izany ny tanjona na andraikitry ny zavatra tsirairay dia hisy tokoa ary tanteraka aminy ihany, ary ny zavatra tsirairay avy dia ho feno ara-boajanahary ireo singa mandrafitra sy fahafahanna anaty mba ho izy tanteraka raha toa izay ka ao amin'ny lohahevitra mifanaraka aminy. Ny zanak'olombelona dia teraka miaraka amin'ny fahafahany mba ho tonga tena olombelona feno ary, ho an'i Gülen (sahala amin'i Aristote, Socrate, Confisius ary hafa maro), ny fiodinana ara-boajanahary mba hahatonga ho olombelona feno dia ny fahafahantsika mianatra amin'ny alalan'ny fanabeazana. Hoy Gülen:

Satria ny fiainana "hita maso" dia tsy mety raha tsy amin'ny alalan'ny fahalalana, ireo izay manao tsirambina ny fianarana sy ny fampianarana dia raisina ho toy ny "faty", eny fa dia velona ara-nofo aza izy ireo. Isika dia noforonina mba hiasa sy hampita amin'ny hafa ireo izay nianarantsika.

Gülen dia miresaka manerana ny asany ny filana ny fanabeazana amin'ny ankapobeny ho an'ny rehetra mba hahafahana mampihodina ny kolontsaina. Milaza izy fa ny olona dia tsy "handroso" mihitsy raha tsy hoe voabe izy ireo, indrindra ny mahakasika ny lanja ara-pomban'ny kolontsaina iray omena. Ny fifandraisana rehetra misy amin'ny fiainana dia avy amin'ny fanabeazana ny vahoaka rehetran'ny firenena iray n any Fanjakana iray ao anatin'ny fahitana ny tontolo sy ny fototry ny lanja iombonana. Na izany aza ny hetsika Gülen isam-pirenena dia mifantoka amin'ny fanabeazana izay mandeha lavitra noho ny fitambarana omen any lanja na fatra ara-kolontsaina. Ireo sekoly tantananireo mpandray anjara amin'ny hetsika Gülen izao efa manakaiky ny arivo isa (amin'izao fotoana anoratako izao) ary izay miasa maneran-tany, dia manabe ireo ankizy sy tanora amin'ny fitambaran'ireo karazana taranja maro: ny siansa, ny kajy, ny tantara, ny teny, ny haisoratra, ny fanabeazana ara-piaraha-monina na kolontsaina, ny kanto, ny mozika ary ny hafa maro. Ireo olona voasariky ny fampianaran'i Gülen dia namokatra sekoly any tiorkia noho ny fahazoan-dalana nomen'ny fanjakana mba hitantanana sekoly tsy miankina izay mahavita indrindra mba hidirany ao amin'ny fandaharana vatsian'ny fanjakana sy amin'ny maha hoe izy no afaka manara-maso. Ireo naorin'ny mpandray anjara amin'ny hetsika Gülen ireo any amin'ny firenen-kafa dia mahodidina miaraka amin'ny fototra fanabeazana mitovy amin'ireo sekoly any Tiorkia, saingy miaraka amin'ny fahefana lehiben'ny kolontsaina sy lanjan'ireo firenena nahaterahana. Na i Gülen izy tenany aza dia vitsy ny fifandraisany rehefa manana izy, miaraka amin'ireo sekoly, raha ny marina, na izy aza dia tsy mahalala akory ny isan marin'ireo sekoly, na ireo anarany aza. Ny ohatry ny tenany amin'ny maha mpanabe tamin'ny lasa, sahala amin'ireo heviny momba ny fanabeazana, ny fiaraha-monina eran-tany, ny fivoaran'ny maha olona sy ny sisa sy ny sisa, dia nisarika andiana olona mba hanorina sekoly manerana an'i Tiokia, Azia Afovoany, Eraopa, Afrika sy any an-kafa mba hiadana amin'ny olona nadalon'ny habadoana, ny fahantrana sy ny fizarazarana.

Ny rafitra sy ny toetra fototr'ireo sekoly dia sahala amin'ny famatsiam-bola azy ireny amin'ny alalana fikambanana mpanao asa an-tsitra-po sy vondrom-piaraha monina, ary koa amin'ny alalan'ireo saram-pianarana; ireo mpitantana eo an-toerana mitondra fanampiana amin'ny foto-drafitr'asa; sy ireo mpampianatra miasa amim-pandavan-tena mba hanampiana ny haja, matetika ho ana tambin-karama ambany. Tahaka ny nilazako azy tany amin'ny fampidirana ity boky ity, dia nitsidika maro tamin'ireny sekoly ireny aho manerana an' i Tiorkia, ary nihaona tamin'ireo mpiandraikitra ny sekoly, izany hoe ireo olon'ny varotra sy ireo lehiben'ny fiaraha-monina teo an-toerana izay nitambatra mba hanangana sekoly any amin'ny faritra misy azy avy. Amina ohatra maro, ny sekoly no rafitry ny fanorenana tena manara-penitra indrindra any amin'iny faritra iny; ny rindrin'ny sekoly dia rakotra sarin'ireo ankizy mandray ny medalin'ireo karazana fifaninanana ara-taranja an'ny firenena na iraisam-pirenena ary mandray ny fitsidihin'ireo minisi-panjakana maro sy ireo parlemantera tiorka; ny efitra fianarana, ny trano nanaovana fitiliana sy ireo birao dia hita ho mendrika sy manara-penitra avokoa eny fa na dia rehefa ampiasain'ireo mpianatra somary mikorontana aza, ireo mpianatra dia mahiratra, mahay miara-monina ary manam-pahalalana ary afaka mampihatra ny teny anglisin'izy ireo miaraka amin'ireo Amerikanina mpitsidika; ireo mpitantana, tale sy mpampianatra dia mifantok avokoa, feno ary faly amin'ny sekoly sy ny mpianatr'izy ireo; ary maro amin'izy ireo no monina eo an-toerana miaraka amin'ireo mpianatra manana fonenana ao. Niara niasakafo tamina fianakaviana maro aho izay mandefa ny zanany any amin'ireny sekoly ireny ary nametraka fanontaniana mitovy tamin'ny an'ny Tanana sy faritra: Nahoana no alefanareo any amin'io sekoly ion y zanakareo? Ny valiny dia mitovy hatrany. Alefany any izy ireo noho ny fahafenoan'ny mpampianatra, ny hatsaran'ny fandaharana ary ny fahitana amin'ny ankapobeny fa ny sekoly dia mahavelom-panantenana, noho ireo mpampianatra, momba ny maha olona faobe, ny fanabeazana, ny fandeferana ary ny fifampiresahana.

Ny fahitana ara-panabeazan'i Gülen dia tsy mampiditra fotsiny ny sekoly fa ny fianakaviana, ny fiaraha-monina sy ny serasera. Ny singa vaventy mandrafitra ny fiaraha-monina rehetra dia tokony andray andraikitra amin'ny fanabeazana ny tanora amin'ny fahalalana rehetra ahazoana tombotsoa. Ny resaka eto dia goavana satria ny ho avin'ny firenena manontolo n any kolontsaina dia miankina amin'ny tanorany. Hoy Gülen:

Ireo olona izay mila miantoka ny ho aviny dia tsy tokony hialangalana amin'ny fanabeazana ny zanany. Ny fianakaviana, ny sekoly, ny tontolo iainana sy ny serasera goavana dia tokony hiara-hiasa mba hiantohany ny vokatra andrasana… Ireo serasera goavana manokana dia tokony handray anjara amin'ny fanabeazana ny tanora amin'ny alalan'ny fanarahana ny politikam-panabeazana eken'ny fiaraha-monina. Ny sekoly dia tokony ho lavorary araka izay tratra na eo amin'ny fandaharana, ny taha ara-tsiantifika sy ara-pitondran-tenan'ireo mpampianatra sy ireo fepetra ara-batana. Ary ny fianakaviana dia tokony hamorona ny hafanana sy ny habaka izay ilaina mba hitaizana ny zanany.

Hitantsika eto fa i Gülen dia mapiseho ireo fanahiana izay mampiseho tokoa ireo an'i Socrate izay lazainy ao amin'ny La Republique. Sahala amin'ny hitantsika eo amin'ny ambonimbony eo, Socrate dia tonga hatrany amin'ny fanekena ny fanaraha-maso ireo poeta sy mpanao mozika, ireo serasera goavan'ny Grika taloha mba ahafahan'ireo mpiambina miseho amina endrika kanto fotsiny ihany izay afaka mamelona ny fanahiny. Na dia hoe tsy mitaky ny fanaraha-maso na iza na iza sahala amin'ny ataon' i Socrate aza i Gülen,izy dia miombon-kevitra amin'i Socrate amin'ny fanahiana faobe amin'ny fanabeazana sahaza mba hahatoa ny fahatanterahina fenon'ny maha olona, izay ahitana ny fanohanana ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina, ny tontolo iainana, ny sekoly, ireo taranja ampianarina sy ny eo amin'ny fitondran-tenan'ireo mpampianatra.

Mbola hitantsika hatrany ny lanjan'ny fanabeazana ho an'ny fiaraha-monina rehetra rehefa miresaka ny andraikitry ny fifanakalozan-kevitra amin'ny Silamo i Gülen, ary ao amin'ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny. Manokana fizarana iray manontolo momba izany izy ao amin'ny La Statue de nos Âmes, ary ao amin'io fizarana io Gülen dia mamaritra manazava ny andraikitra lalaovin'ny isam-batan'olona izay manana taham-panabeazana ambony eo amin'ny fitohizan'ny fiaraha-monina, ary ireo karazam-panabeazana ilaina amin'izao tontolo mafaobe izao. Atombony amin'ny fitenenana andalana iray ao amin'ny korany izay mametraka ny fitantanana ny varotra amin'ny alalan'ny fakana hevitra matetika mitovy hahavo amin'ny fanatanterahana ny ivon-danjan'ny filana hevitra amin'ny Silamo, amin'ny hoe ny fiaraha-monina manivaiva izany dia tsy tena mosilimo amin'ny heviny feno. Tohizany ihany amin'ny fanazavana hoe manao ahoana ny fihodinan'ny fiaraha-monina mosilimo:

Ny filana hevitra dia iray amin'ireo hery fototra izay mihazona ny firindranan'ny silamo amin'ny maha fomba azy. An'ny filan-kevitra ny fanatanterahana sy ny adidy tena manan-danja izay ny fandravonana ny olana mahakasika ny isam-batan'olona sy ny fiaraha-monina, ny fiaraha-monina, ny vahoaka sy firenena, ny siansa sy fahalalana, ny toe-karena ary ny haifiaraha-monina, raha tsy hoe angaha misy mass (didy masina; andininy ao amin'ny Korany na baikon'ny mpaminany, fanapahan-kevitra momba ny lalanan'ny Korany rehetra miaraka amin'ireo dikany mazava momba ireo fanontaniana ireo.

Na dia ireo mpitarika aza dia tokony hitantana ny raharaha amin'ny fampiasana ny filana heviny. Ny filana hevitra no fomba izay mamela  na ireo mpitarika handray ireo fanapahan-kevitra manana fiantraikany saika amin'ny endriky ny fiainana rehetra, ny an'ny isam-batan'olona na ny an'ny fiombonana. Gülen dia manokana pejy maro mba hampisehoana amin'ny andalana maromaro soratra masina mandidy ny filana hevitra, izay hanazavany ny tantaran'ny fampiasana azy amin'ny Silamo sy ny fanadihady ireo tondro mandamina ny fampiarana azy. Avy eo izy dia tonga amin'ny ivon'ny fanontaniana, fantatra amin'izany ny hoe iza no afaka mila hevitra. Iza no tokony ilan'ireo mpitarika hevitra? Mamaly Gülen:

Satria ireo fanontaniana mipetraka ho amin'ny fandinihina ny tapa-kevitra ho raisina dia mitaky hahavo ara-pahalalana ambony, traikefa sy tatitra momba izany, ny fikambanan'ny filan-kevitra iray dia tokony hahazo ireo olona izay miavaka amina toetra sahala amin'izany. Izany dia fikambanana tsy tokony ahitana afa-tsy olona ambony ara-pahalalana, izay afaka mamaha olona maro. Indrindra ankehitriny izay tena lasa sarotra ny fiainana, ny rehetra dia tratran'ny fanatontoloana avokoa, ny olona rehetra dia lasa mafaobe sy mahenika ny tany manontolo, tsy velona raha tsy olona mahay siansa ara-boajanahary, ny fahaizana momba ny fananganana orinasa sy ny haitao, izay amin'ny amkamaroan'ny fotoana dia raisina ho tsara sy mety amin'ny mosilimo, ny mandray anjara eo anilan'ireny olona manam-pahalalana ireny eo amin'ny sehatry ny fiandohana, ny fisiana, ny fanahy sy ny hairaha momba ny Silamo. Ny filana hevitra dia afaka atao miaraka amina mahafehy karazana hairaha sy fahalalana vainga sy sehatra hafa ilaina, amin'ny fahatsapana fa ny tapa-kevitra rehetra raisina dia arahin'ny manam-pahefana ara-pinoana maso mba hanamarinana ny fihetezana sy ny fifanarahan'izay natolotr'izy ireo amin'ny silamo.

Amin'io andalana io, dia manomboka hitantsika ny hahavon'ny olona tokony hanana ny fahefana mba handray anjara sahala amin'ny mpila hevitra. Ilaina ihany koa ny mitadidy fa Gülen dia mampiseho fahitana iray ho an'ny fiaraha-monina silamo izay raha araka ny heviny ny mendrika indrindra amin'ny karazana fiaraha-monina. Hoe miombon-kevitra aminy isika na tsia tsy any ny resaka. Ny tiantsika ho lazaina eto dia ny hoe amin'ny fiaraha-monina izay eritreretiny, ny fanabeazana dia mamelona tokoa ho an'ny olona tsirairay mahatratra ny zava-dehibe amin'ny fisian'ny maha olona. Manampy izany, ny taham-panabeazana ambony dia ilaina ho ana ivo sangany foronina olona izay tokony ho mpila hevitra ho an'ireo mpitarika amina fanontaniana miavaka, izay mety atao toy ny mpitarika azy ireo ihany amina fahafahana maro. Manazava amin'ny antsipirihany kokoa i Gülen:

Araka ireo trangan-javatra sy vanim-potoana samihafa, ny fitondrana sy ny fandrafetana ny mpikambana dia mety miova, saingy ireo fisafidianana sy famantarana ireo olona voasafidy ireo, mazava ho azy fa olon'ny fahalalana, fahitsiana, fanabeazana sy famendreham-panahy, dia tsy tokony hiova mandrakizay.

Ny matetika indrindra, ireo mpila hevitra ireo dia "ireo olombelona lafatra' na "olon'ny fo" izay faritan' i Gülen any amin'ny lahatsoratra hafa ary noresahantsika tao amin'ny fizarana teo aloha. Ireo mpila hevitra dia ireo tokony ho hampianarin'ireo sekoly voasarik' i Gülen, tanora izay hiditra ao amin'ny tontolo miaraka amina toetra mino  sy taha ambony amina fanofanana amina taranja ao amin'ireo karazana asan'izy ireo. Ny ankamaron'ireo tanora ireo dia hanatratra ny taha tena ambony indrindra amin'ny fahombiazana sy ny fahendrena, ary ho voatendry ho mpila hevitra. Noho izany, izy ireo dia hanofanana tarika "olona lafatra" izay tokony hanokatra ny lalana ho amina fisiana ara-piaraha-monina vaovao, ary mazava loatra fa tsy misy lalana hafa antsoina hoe "Silamo". Ny zanak'olombelona dia manana ao amin'izy ireo ihany ny fahafahana hanatontosa ny fahalavorariana amin'ny maha olombelona azy ary izay manome alalana sy manatontosa izany fahalavorariana izany ao aminy no tokony hanjaka eo amin'ny fiaraha-monina, sahala amin'ny mpitarika na mpila hevitra, na sahala amin'ny lehiben'ny fiaraha-monina eo an-toerana. Mba hahatonga izany, ny olona dia tokony ho beazina araka ny tokony ho izy amin'io fikasana io. Ireo sekolin'ny hetsika Gülen isam-pirenena dia ho finiavana vaovao miaraka amin'io tanjona io, ary mitady hanabe ny tanoran'ny fizarazarana rehetra eo amin'ny fiaraha-monina mba ho tonga olona tsara hofana sy mino izay, sahala amin'ireo olona ambony mpandala ny fampianaran' i Confisius, manome taratra ny zavatra rehetra sy olona rehetra manodidina azy ireo amin'ny alalan'ny hery [te]-n'ny fahalalan'izy ireo, ny fahatsarana ary ny hatsarana.

Ny tsirairay avy amin'ireo mpandray anjarantsika amin'ny resaka ifamalian'olon-telo dia samy mampiseho fahitana iray tena mafy an'izay mety eo amin'ny fiaraha-monin'olombelona sy ny politika. Ny herin'io fahitana io dia tokony amin'ny ampahany lehibe indrindra ho ao amin'ny toetra ara-panahy na ilay tsy miseho ara-vainga izay raisin'izy ireo ho ivon'ny toetra maha olona, amin'ny fomban'izy ireo sy amin'ny sehatry ny kolontsaina sy ny tena an'izy ireo tsirairay avy. Io toetran'ny 'fanahy" io no manavaka, araka ny fahitan'izy ireo izay olombelona amin'ny famoronana biby hafa. Izy telo ireo dia tena mino mafy tokony amin'ny fahefana ara-boajanahary misy amintsika mba hampivelarana ireo fahafahana voajanaharin'ny fahalavorariana maha olona, na dia mahatsapa azy izy telo ireo fa betsaka ny olona tsy mampiasa hatramin'izao ireny fahefana ireny. Ny finoan'izy ireo io fahefana, miasa na tsia, no manao an-dry Confisius, Socrate ary Gülen ho mpandala ny maha olona amin'ny hevitra midadasiky ny teny. Izy ireo dia mino ny fahefan'ny olombelona mba ho tonga tokoa sy olombelona lafatra.

Manampy izany, satria noho ny fahafahan'ny olona manao izany no tokony hanaovana izany. Ireo olona ireo dia tsy mpino ny zavatra efa voafaritra mialoha na mpandala ny filôzôfian'ny fifamatoran'ny asantsika sy ny lalana.Izy ireo dia tsy mandray ny olona ho, isam-batan'olona sy miaraka, toy ny olon'ny tantara na izay miseho. Raha Gülen manokana, na dia mandray ny fahitany Andriamanitra iray tsy-toa sy mahalala ny zavatra-drehetra aza, dia mampahery ireo mpamaky mba handray andraikitra amin'ny tenany sy ny tontolo. Ny fifaninana amin'ny andraikitra hatramin'izay dia tena fifaninanana goavana tokoa, saingy ny vanim-potoanantsika ankehitriny an'ny fiovana malaky sy ny herisetra maro dia miantso antsika mba hamerina hanangana azy. Ao amin'ny fizarana manaraka, isika dia hitodika any amin'io lohahevitry ny andraikitra io.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.