Ireo Hevitra Manaporofo Fa Ny Coran Dia Avy Amin'andriamanitra

  • Rehefa mandalina isika, na avy ety ivelany fotsiny aza, ny fomba fanoratra sy ny dikan'ny CORAN dia hahatsapa fa tsy manam-paharoa izy. Na ambany noho ny hafa ny lanjany sy ny halebeazany –kanefa ny devoly aza dia tsy afaka miroso na mihaino ny zavatra toy izany- na ambony noho ny boky rehetra izy. Satria ambonin'izy ireo ny CORAN ka noho izany tsy emty afa tsy ho tenin'Andriamanitra.
  • Hoy ny voalazan'ny CORAN: "Tsy hamaky boky alohan'io ianao, na hikasitanana izany. Raha tsy izany dia hampiahiahy ny fahamarinana eo imason'ireo mpandiso" (29:48). Ankoatra izany dia tsy azo lavina fa tsy nahay namaky teny sy nanoratra ny Mpaminany Mohammed ary ny CORAN dia nanokatra fifaninanana mitohy amin'ny olombelona. "Raha miahiahy amin'ny fahamarinan'io hafatra avy aminay nambaranay tamin'ny mpanomponay io ianareo, raha azonareo atao, dieny izao dia ampitahao amin'ny soratra hafa manan-danja. Afaka miantsoa ireo zavatra rehetra any ivelan'Andriamanitra ianao raha mahita ny marina" (2:23) Ary tsy nisy olona nahavita io faninanana io tamim-pahombiazana.
  • "Nandritry ny 23 taona ny fanambarana. Fa maninona no tsy mifanohitra mihitsy ny boky toy izany izay milaza ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, ny metafizika, ny finoam-pivavahana sy ny fiderana, ny fivavahana, ny lalana sy ny moraly, ny epistemolozia, ny tantara, ny zava-miseho ara-tsiansa sy ny foto-kevitry ny fiainan-tsambatra? Izy ihany no manambara ampahibemaso fa tsy mifandiso mihitsy, manaporofo izany fa boky avy amin'Andriamanitra izy: "Inona no tsy voadinika ao amin'ny CORAN? Raha avy amin-javatra hafa ankoatran'Andriamanitra io boky io dia ahitana fifanoherana maro" (4:82)
  • Fototry ny literatiora sy lehibe indrindra amin'ireny ny CORAN ary tsy manan-tsahala. Na ireo fomba fanoratra ao aminy, ny fomba filazan-javatra, ny fehezan-teny, ny teny sy ny soratra dia maneho rindra tsy manampaharoa. Mikasika ny bà sy ny feo mitarehi-mozika, ny fifandanjana ara-geometria, ny refy arakajy sy ny fiverimberenana dia samy manana ny toerana misy azy ampahamalinana ihany koa ary mifandray tanteraka amin'ny hafa.
  • Ny fahaiza-miteny sy ny poezia sy ny zavakanto dia zava-dehibe sy voninahitra mihitsy tao amin'I Arabia talohan'ny silamo. Misy ny fifaninanana poezia izay atao mandrakariva ary soratana amin'ny volamena izay poezia tsara indrindra ka apetaka eo amin'ny rindrin'ny Kaaba. Tsy nisy olona nandre ny Mpaminany miantsa tononkalo na dia andininy iray monja aza. Ny CORAN izay nentiny anefa dia nanefy ireo poeta nalaza rehetra ary niaiky izy ireny fa resy.
  • Na dia ireo tsy mpino aza dia variana amin'ny CORAN. Na izany aza, mba hampijanonana ny fiparitahan'ny finoana silamo dia milaza izy ireo fa fanovamaso ihany ny CORAN ary tsy tokony henoina. Maro anefa ireo poeta nivadika ho silamo toandr'I Klarisa sy Labid ka niala tamin'ny poezia noho ny fanajana sy ny fiderana ny fomba fanehoan-javatra ao amin'ny CORAN, voaery nilaza ny tsy mpino: "Raha lazaintsika fa poezia izy dia tsy izy anefa. Raha lazaintsika indray hoe poezy miady rima, toa tsy izy koa. Ary raha heverintsika fa tenin'ny masina, toa tsy izy koa". Indraindray izy ireo, amin'ny alina, dia tsy afaka ny tsy naheno ny Mpaminany kanefa tsy afaka mandresy ny fiavonavonany mba ahafahana mahafantatra ny fiandohany avy amin'Andriamanitra.
  • Amin'ny maha ambony azy eo amin'ny lafiny poezia dia tena tsy misy fanovana ka azo antoka ilazana ny hevitra metafizika sy siantifika ary ara-pinoana sy ireo foto-pisainana filozofika tsara ny voambolana arabo. Tamin'ny fampiasany io teny fampiasan'ny tanefitra io na namolavolan'ny silamo azy ho teny manankarena sy saro-drafitra ka novany ho tenim-pandrosoana tsara indrindra, manana ny anjara toerany lehibe amin'ny lafiny siantifika, fivavahana, metafizika, literatiora, toekarena, lalàna, sosialy sy politika sy ny sisa. Ahoana no nahafahan'ny olona tsy nahay namaky teny na anoratra nampiditra fanovana filozofika tsy mbola fahita teo amin'ny zanak'olombelona taloha?
  • Na dia tsotra am-pijerena aza ny CORAN dia mirakitra hevitra maro ary ahitana ambratongam-pahazoana maro. Manazava ny lalan'ny poeta izy, ny mpanao mozika sy ny mpandahaeny, ny olon'ny siansa, ny mpahay toekarena, ny psikology, ny mpahay fiarahamonina sy ny mpitara. Ireo mpanorina ny laharana ara-panahy sy ny sekolim-pinoana sy ny etika dia tao no nanovo ny foto-kevitra ilainy mba hitarihana ireo mpanaradia azy. Mahazo amin'ny rehetra ny fomba hamahany ny olany sy manome fahafaham-po ara-panahy ho azy ny CORAN. Inona no boky ankoatry ny CORAN ahafahana manao izany?
  • Na dia tsara toy inona aza ny boky dia vakintsika indroa na intelo dia avela. Silamo anapitrisany anefa no nitanisa ny andininy ao amin'ny CORAN mandritry ny fivavahana indimy isanandrony tao aantin'ny taonjato efatra ambinifolo. Maro ireo mamaky azy manontolo idnray mandeha isantaona, idnraindray aza idnroa na indray mandeha isambolana. Arakaraky ny hamakiantsika azy no mbola manosika antsika hamaky azy indray. Tsy avelan'ny olona handeha ho azy fotsiny ny fomba nanoratana azy, ny heviny sy ny voarakitr'izany ary tsy very aminy na oviana na oviana ny hatsarany sy izy hatrany amboalohany. Arakaraky ny fivoaran'ny fotoana no ahitany zava-baovao mikasika ny dikan'ny fanahy sy fahamarinana ao ary mampitombo ny faharisihany sy ny asany.
  • Mamariparitra ny endritsika rehetra ara-batana sy ara-panahy ny CORAN ary mirakitra ireo foto-kevitra hamahana ny olan'ny toekarena, ny lalana, ny politika sy ny fitantanana izay tsy miakina amin'ny fotoana sy ny toerana. Ankoatra izany manome fahafaham-po hoan'ny fo amam-panahy miaraka izy ary miantoka ny fahasambarana ety an-tany sy any an-danitra.
  • Tsy misy olona afaka mametraka fitsipika hamahana ny olana rehetra mitranga lehibe na toy inona haranitantsainy na toy inona. Na dia ny lamina maty paika sy tsara indrindra aza dia avaozina isaky ny 50 taona. Ary mbola zava-dehibe ihany koa, tsy mampanantena fahasambarana mandrakizay ny lamina toy izany satria ny foto-keviny dia voafetran'ity fiainan'ny olombelona mandalo ity izay foy dia foy raha miolotra amin'ny any ankoatra.
  • Ny mifanohitra amin'izany, tsy misy hevitra na dia kely aza azo ovana ao amin'ny CORAN. Ohatra, manambara ny CORAN fa tsy tokony ho geazan'ny mpanakarena fotsiny ny harena (59:7); ary ny fitantanan-draharaham-panjakana dia tsy maitnsy ampiandraketina ny olona mahay sy tsara toetra, ary ny fahamarinana tanteraka no tsy maitnsy fitsipika ny fitantanana ny raharaham-bahoaka na koa rehefa misy fifanolanana (4:58); ny vokatry ny hatsembohany ihany no tokony hotazan'ny olona (53:39), ary na iza na iza mamo olona iray tsy andrariny dia heverina fa mamono ny olombelona manontolo. Ireo foto-kevitra ireo sy ny maro hafa toy ny loka, ny zavamahadomelina sy ny fijangajangana, fanaovana ny fivavahana ara-dalana, ny fifadian-kanina, ny fandrotsahana ny fanomezana sy ny fitondrantena tsara, dia hamafin'ny fitiavana sy ny fahatahorana an'Andriamanitra, ny fanatenana ny fiainan-tsambatra mandrakizay sy ny tahotra ny zazin'ny afobe.
  • Nanokatra ny misiterin'ny zanak'olombelona koa ny CORAN sy ny fahariana izao tontolo izao. Ny CORAN, ny olombelona sy ny voary dia "boky" telo mampahafantatra antsika ny Mpahary ary zavatra telo milaza fahamarinana iray. Noho izany, izay nahary ny olombelona no manambara ihany koa ny CORAN.
  • Tsy nahita olona ianareo ka manao tanteraka izy zavatra ampianariny amin'ny olona na tena mifanaraka amin'izany ny zavatra ataony.
  • Ny Mpaminany kosa anefa dia mitovy amin'ny CORAN, izy no tenin'ny CORAN tonga vatana amin'ny alalan'ny finoany sy ny fitondrantenany ary ny CORAN no teny voalohany nanehoana ny hafatr'Andriamanitra. Fomba fiteny roa fa manana hevitra iray ihany ireo. Rehefa nanontaniana mikasika ny fitondran-tenam-bado I Aïcha dia namaly hoe.

Tsy novakianareo va ny CORAN? Ny CORAN no fahendreny. Maneho mazavaizany fa ny CORAN sy I Mohammed dia iray ihany, ary an'ny Tompon'ny hery rehetra.

  • Amin'ny ankapobeny ny mpanoratra dia teren'ny zava-misy iainany ary toa tsy afaka miala amin'izany izy. Ny mifanohitra amin'izany, na dia nambara tsikelikely aza ny CORAN dia iraisan'ny rehetra ary tanjona mamaha mandinika fanontaniana miavaka ary marina sy tsy azo lavina rehefa hanadihadiana zavatra iraisana. Tsy mba fahita aminy asa zavatr'olombelona hafa io fomba fanoratra iavahan'ny CORAN io. Mbola famantarana koa izany fa avy amin'Andriamanitra izy.
  • Tsy misy mpanoratra afaka mamokatra asa amin'ny alalan'ny fahaizany manokana marina, toy ny CORAN ao anatin'ny hevitra maro samy hafa toy ny finoana sy ny lalàna, nyf iarahamonina sy ny psikolojia, ny eskatojia sy ny etika, ny tantara sy ny literatiora sy ny sisa. Ahitana ny totaliben'ny sampampahalalana sy ny fotokeviny koa ny CORAN na amin'ny antsipirihany na amin'ny ankapobeny ary tsy misy mifanohitra na dia kely aza ireo fizarana tsirairay avy ireo. Inona indray koa no mbola hanamarinana ny maha avy amin'Andriamanitra azy?
  • Misy mpanoratra ve na dia iray aza faka mitompo teny fantatra fa marina tanteraka ny asany ary mijanona mandrakariva amin'izany sy maharesy ny fotoana? Miovaova matetika ny fehin-kevitra siantifika. Tsy nitsahatra niharan'ny fiovana ny Torah sy ny Evanjely. Na ny fandinihana ny Baiboly izay navoaka tamin'ny vanim-potoana maro sy tamin'ny teny maro samy hafa aza dia efa manambara ny fahapotehany. Ny fahamarinana ao amin'ny CORAN anefa dia mbola tavela tanteraka na koa izay voalazan'I Said Nursi toy izao, "Miha tanora araka ny fandehanan'ny fotoana ny CORAN". Tsy misy fahadisoana na fifanoherana tsikaritra tao amin'ny CORAN, ary hatramin'ny fiandohan'ny fanambarana dia tsy niova izy fa naneho ny toetrany tsy manam-paharoa. Hatramin'izao andro hiainantsika izao aza dia mboal mitohy hatrany ny fahazoany fo vaovao hampifoha ireo harena miafiny tsy manam-petra ao aminy sy hamony toy ny raozin'ny lanitra miaraka amin'ny felany maro.
  • Amin'ny fifotoranareo amin'ny fahalalana sy ny fahamendrehanareo manokana, afaka miteny amin'ny anaran'ny filoha va ianareo, ny lehiben'ny governemanta sy ireo minisitra isan-karazany; amin'ny fikambanan'ny mpanoratra, ny mpisolo vava sy ny mpiasa, ny filan-kevitry ny mpampianatry ny oniversite sy ny olon'ny siansa? Raha afaka manao izany ianao, moa va afaka nisolo azy ireny tanteraka araka nyt okonyho izy sy izay irin'izy ireny? Raha eny, afaka manatanteraka ny raharaham-pirenena manontolo va ianareo? Vitan'ny Mpaminany tsara niaraka tamin'ny CORAN anefa izany? Ahoana no ahafahanareo manamafy fa olona iray tsy nahay mamaky teny sy manoratra, tsy nahalala izay raharaha politika hatramin'ny faha 40 taonany no hahazo vokatra toy ziany raha tsy nisy ny fanohanana avy amin'Andriamanitra?
  • Raha asan'ny mpma ny CORAN, moa va izy ho afaka mametraka lafin-kevitra saro-pady toy ny fanalam-baraka natao tamin'ny vadiny tao? Tsy ho nafeniny va ny andinynandidiana azy hanambady an'I Zaynab fa tsy navoakany raha tsy fanambarana avy amin'Andriamanitra tokoa izy? Hoy I Anas: "Raha azon'ny Mpaminany natao ny nanafina zavatra sasantsasany dia nataony izany tamin'io fotoana io".
  • Tsy nanaraka ny finoana silamo mihitsy I Abou Talib dadatony izay nanabe azy hatramin'ny faha 8 taonany sy nanampy azy nandritry ny 10 taona voalohany tamin'ny faminaniana. Tena tian'ny Mpaminany ny dadatoany ary niriny fatratra ny hanaraka ny fivavahana silamo, naharay ity andininy ity anefa izy: "Tsy andraikitrao ny mitondra izay tianao ho voavonjy ho eo amin'Andriamanitra. Andriamanitra no mitantana izay iriny. Izy no mahafantatra kokoa ireo izay ao amin'ny lala-mahitsy" (28:56).

Raha izy no mpanoratra ny CORAN dia azony nambara fa nivadika nanaraka ny fivavahana silamo I Abou Tâlib.

  • Maro ireo andininy manomboka amin'ny hoe "anontaniana ianao" sy mitohy amin'ny hoe "Dis" (amin'ny valiny tokana). Nambara ireo mba hamaliana ny fanontaniana apetraky ny silamo sy ny tsy silamo, indrindra fa ny jody tao Medina. Manakasika ny ara-dalana sy ny tsy ara-dalana ireo fanontaniana ireo, ny fitsinjarana ny fananan'ny babo an'ady, ny fizotran'ny volana (astrolojia, ny andron'ny fitsarana, ny fanahy, Dhoul-Qarnayn (Mpanjaka mpino tamin'ny vanim-potoanan'ny antikite izay nanao fanafiana lehibe tany Azia sy Afrika) sy ny sisa. Raha tsy misy fahalalana mazava sy mahafaobe dia tsy voavaly ny fanontaniana toy izany. Nahafapo ny daholobe anefa ny valim-panontaniana avy amin'ny Mpaminany. Maneho izany fa nampianarin'Andriamanitra ilay mahalala ny zava-drehetra izy.
  • Tena niaina tao amin'ny fahatsorana ny Mpaminany ary niataka tamin'ny fananana eto an-tany, ny laza, ny fiandrianana, ny harena sy ny hafinaretana. Niharitra ny fitsapana lehibe sy ny fanenjehana nahatsiravina koa izy. Ny manameloka azy ho nanoratra ny CORAN dia midika fa I Mohammed izay nomena anaram-bositra hoe "ilay mendripitokisana" dia mpamitaka lehibe sy mpisoloky mbola tsy nisy teo amin'ny tantara. Fa maninona ny Mpaminany no namela ny fianakaviany tsy hanana inona na inona sy hiaran'ny fanenjehana. Ny fanamelohana toy izany sy ny filazana fa avy aminy ny CORAN dia tsy misy fotony sy tsy misy porofo.
  • Ny jiosy sy ny kristianina dia tena fahavalo tsy nisy toa azy, niaritra ny ady tamin'izy ireo imbetsaka ny silamo ary farany niaza azy tany Medina –indrindra fa ny jiosy manokana. Mba hanamarinana izany dia tsy maintsy fantatra fa miteny ny Mpaminany Moizy in-136 ny CORAN ary I Jesoa kristy in-33; ary tsy manambara ny anaran'I Mohammed afa tsy in-4 monja izy. Fa maninona no Mpaminany izay heverina fa sandoka ny faminaniana no miteny ireo Mpaminany mpifaninana taminy? Azo heritreretina ho nisy fialonana va tao na fitsarana mialoha, fitiavan-tena sy fihetseham-po miiba mba handavana ny faminanian'I Mohammed?
  • Miteny ireo trangan-javatra sasany mikasika ny fahariana izay vao hita vao haingana noho ny fomba fiasa siantifika manarapenitra koa ny CORAN. Raha tsy avy amin'Andriamanitra marina ny CORAN, ahoana no hifanarahany amin'ireo zaa-misy aratsiansa ireo kanefa ny olona nihaino sy nanatrika azy tsy nanan-kevitra tamin'izany kely akory? Ohatra, raha boky tsotra ny CORAN, moa va nahitana izao teny izao: "Tsy mahita va ny tsy mpino fa ny lanitra sy ny tany amboalohany dia vainga iray no hahariana azy? Isika avy eo no nanasaraka azy" (21:30).

Ny hahafantarana raha mifanaraka tsara na tsia amin'ny tranga ara-tsiansa ny CORAN sy ny fifandraisany amin'ny siansa hanarapenitra dia lafin-kevitra tena hifanakalozan'ny manampahaizana silamo. Somary ho dinihintsika lalindalina noho izany io lafin-javatra io.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.