Ny Hevitra Maha Tokana An'andriamanitra

  • Ny misy rehetra dia manambara ny maha iray an'Andriamanitra. Ohatra, ho raisintsika ny aina amin'ireo hevitra zavontany maneho ny fisisiany sy ny maha iray azy. Zavatra tokana no naharian'Andriamanitra ny zaa-drehetra ary nahary zavatra tokana tamin'ny alalan'ny zavatra maro izy. Namorona ny rafitra maro sy ny ratsamatan'ny biby iray tamin'ny alalan'ny tsiranokin'ny spermatozoida mamokatra sy rano kely fotsiny izy. Ary nanao ny zava-drehetra tamin'ny alalan'ny zavatra iray izay asan'ny zavatra iray ambony sy tena mahery marina. Izy koa no manova amin'ny fandaharana tonga lafatra ny zavatra maro hita ao amin'ny sakafon'ny zavamaniry sy ny biby manambatana sy ratsamatana miavaka, nanafy azy ireo oditra miavaka tsirairay avy, inoana tsy amim-pihambahambana f zavatra mahery indrindra sy mahalala ny rehetra.
  • Manambara ny maha tokana azy ny rivotra. Mpitondra zavatra mahaariana ny rivotra. Indray entiny ny feo maro, ny sary sy ny zavatra hafa. indray entiny amin'ny fotoana iray ireo kanefa tys misy fifangaroana na dia kely akory aza, ary ny hafa tsy manakana ny sasany hiasa. Manaporofo mazava ny fisian'ny zt iray tsy misy fangarony izany, ilay nahary, mandahatra sy mitondra ny zava-drehetra amim-pahendrena.
  • Izao tontolo izao dia toy ny hazo izay nipoitra avy amin'ny voa iray misy ny lamina fenon'ny tsingerim-piainany. Mifampiankina tanteraka ny zava-drehetra ao amin'ny tontolo. Ohatra, ny singa kely ao amin'ny maso dia manana fifandraisana amin'ny maso ihany sy amin'ny atidoha; ny hery mampamokatra, fisarihana sy fanosehana, lalandra vaventy sy madinika izay miantoka ny fikorianan'ny rà izay mitarika ny fihetsehan'ny vatana sy amin'ny vatana rehetra. Noho izany, io singa kely amin'ny maso io dia manana andraikitra mifandray amin'ny singa rehetra ao amin'ny vatana. Manaporofo amin'ireo tsy jamba rehetra izany fa ny vatan'ny olona manontolo, anisan'izany ny singa madinika rehetra dia vokatry ny zavatra iray mandrakizay sy mahery indrindra, ary miasa eo ambany fitarihany.
  • Afaka mitety ny voa sy ny voninkazo rehetra mba hameno ny asany ny singa ao amin'ny rivotra. Raha noho ny fandaharan'ilay zavatra mahalala ny zava-drehetra io singan-drivora mivezivezy io, izay tsy maintsy mahafantatra ny rafitra rehetra sy ny rafi-piforonan'ny voa sy ny voankazo hatramin'ny singa kely indrindra. Noho izany, manambara ny maha tokana an'Andriamanitra toy ny masoandro io singan-drivotra io, tahaka ny ataon'ny zavatra mitovy aminy toy ny tany sy ny rano ary ny hazavana. Ary tahaka izay ampianarin'ny siansa antsika dia loharanon'ny zava-drehetra ny tany sy ny rivotra sy ny rano sy ny hazaana miaro amin'ny oksizena sy ny hidrozena sy ny karona ary ny azota.
  • Fifangaroan-javatra mitovy no hita ao amin'ny zavamaniry mamony sy mitondra voa: hidrozena, oksizena ary karbona sy azota. Ny maha samy hafa azy fotsiny dia ny fandaharan'Andriamanitra ho azy tsirairay. Raha mametraka karazam-boa maro samy hafa ao anaty vazy feno tany isika ary ahitana ny singa rehetra ilainy izany dia hitsimoka amin'ny endrika mitovy sy mahatalanjona izy iroe tsirairay avy. Raha tsy nombana sy notarihan'ny zavatra iray mahalala ny zava-drehetra sy ny toetrany manontolo, ny firafiny, ny tsingerim-piainany manontolo sy ny fomba fiainany, ary afaka mampisy ny voary rehetra araka izay tiany sy ilainy, ary manaiky ny heriny ny zava-drehetra, ireo singa madinika ao aminy dia ho nisy olana lehibe tao.
  • Raha tsy nisy an'Andriamanitra dia tsy maintsy nisy orinasa tsy azo tsapaintanana tao anatin'ny singan-tany tsirairay avy izay tompon'andraikitra amin'ny fiainan-koavin'ny zaamaniry tsirairay avy. Tsy maintsy nisy ihany koa ny orinasa mitovy isa amin'ny'ny zavamaniry mamony sy mamoa mba hahafahan'ireo orinasa iroe hamokatra ny zavatra ilainy amin'ny fisiana sy ny famokarana tandrify azy tsirairay. Ary ireo zavamaniry ireo dia tsy maintsy manana ny fahalalana feno sy hery tsy manam-petra mba ahafahany mihary ny tenany vokany, raha tsy nisy Andriamanitra tokana dia tokony ho nisy Andriamanitra maro mitovy isa amin'ny singa madiniky ny tany. Tsy azo heritreretina sy tsy azo foanana anefa ny hevitra toy izany.
  • Ahitana vavolombelon'ny fisiana sy ny maha tokana ny mpahary roa ao amin'ny singa madinika tsirairay avy. Voalohany, na dia eo aza ny fahosan'ny singa tsirairay avy dia afaka mameno ny andraikitra maro tena ilaina izy. Faharoa, na dia tsy olombelona izy dia maneho ny fisaintsainana iraisan'ny rehetra amin'ny fanarahana ireo lamina iraisan'ny rehetra. Noho izany, ny singa madinika tsirairay avy dia manambara ny fisian'ny zavatra iray tena mahery indrindra amin'ny alalan'ny fahalemeny, ary amin'ny fanarahany ny lamina eo amin'ny voary rehetra dia maneho ny maha tokana izany izy.
  • Tontolo iray amin'ny endriny mifintsina ny olona tsirairay avy, vokatry ny hazom-pahariana ary voan'izao tontolo izao iray satria zaka tsirairay avy dia ahitana ny karazan'ny mananaina manontolo. Ny olona tsirairay dia toy ny rano kely nihintsana avy amin'izao tontolo izao, nomena fahamarina-toerana saro-pady sy mora mihetsika. Mahary zava-mananaina iray sy ny mba ho tompony dia mila ny fahafehezana izao tontolo izao manontolo.

Rehefa nolazaina izany dia tsapantsika fa ireto zavatra manaraka ireto dia maneho ny diantanana tokan'ny mpahary ny zava-drehetra, ny Tompo manankajan'izao tontolo izao: mijery ny zava-misy amin'ny tanely amin'ny antsipirihany; manoratra ny toetran'ny tontolo rehetra ao am-pon'ny olombelona; mampiditra ny tsingerimpiainan'ny hazo fihinam-boa ao anatin'ny voa kely madinika; mampiseho ny asa avy amin'ny anaran'Andriamanitra rehetra miseho amin'izao tontolo izao ao am-pon'ny olombelona; ary mandrakitra ny vaovao maro ma ahafahana mameno trano famakiam-boky ao amin'ny fitadidiantsika, miaraka amin'ny antsipirihan-javatry ny vanim-potoan'izao tontolo izao.

  • ny fiainana manontolo dia rindram-piarahamiasa. Tahaky ny ratsambatana, ny taova, ny rafitra sy ny selan'ny vatana miaina ny rehetra, ny ampahany rehetra amin'ny tontolo dia mifampiankina sy mifanampy. Ohatra miasa toy ny nahatonga ny paoma iray hisy. Toy ny singan-javatra ao amin'ny orinasa na ny fiorenan'ny lapa iray, miara miasa ny voary, mifanampy sy mifampiankina mba ho afaka mamaly ny filan'ny tsirairay noho ny fifamenoana tanteraka. Amin'ny fanambarany ny ezak'izy ireo no hanampiany ny zavaboary rehetra miaina. Manampy ny zavamaniry ho tonga eto antany ny singa madiniky ny tany, ary ny olona dia mivelona amin'ny biby sy ny zavamaniry. Avy amin'izany ireo kasinga izay manorina ny foto-pisian'ny vatan-java-miaina iray.

Amin'ny fiasa arak'io fitsipi-pifanampiana mifamaly izay hita ao amin'ny tontolo io –ny masoandro amam-bolana, ny andro sy ny alina, ny ririnina sy fahavaratra, hatramin'ny zavamaniry manampy ny biby noana, io biby io koa no manampy ny olona, ny zavatra ao aminy manampy ny zaza kely ary ny voa sy ny singa madinika ao amin'ny sakafo manampy ny selan'ny vatana- no anehoan'ny rehetra fa miasa noho ny fahefana tokana izy ireo, mpiahy mahafatrapo ary eo ambany fitarihan'ny mpitantana tokana hendry.

  • ny famonjena sy ny tombontsoa iraisana avy amin'io fahendrena io dia niseho mazava tsara ao amin'ny fahariana hita amin'ny zava-drehetra. Izany sy ny famindram-po tsy misy fetran'ny famonjena sy ny zavatra ilain'io famindram-po io mba ahafahany manome izany ny voary manontolo no miorina ho tombok'avatran'ny maha tokana an'Andriamanitra izay manjelanjelatra azon'ny rehetra antsaina sy hita maso. Ny voary tontolo sy ny zava-mananaina manokana, dia tsy maintsy manome fahafaham-po ny filany mba ho velona. Marina izany na manokana no iraisan'ny maro io zavatra io, na iray na karazana. Tsy afaka manome fahafaham-po ny tenany irery anefa izy na dia ny filany bitika indrindra aza. Ny filany rehetra anefa dia afa po amin'ny tsy ampoizina, ao amin'ny fandaminana tonga lafatra sy amin'ny fotoana marina, araka ny endrika ilaina sy amim-pahendrena tanteraka. Izany rehetra izany dia menho ny fisian-javatra iray hendry sy tena mpamindra fo, mahita mialoha ny faha amam-boninahitra.
  • Dinihontsika ny masoandro. Mahazo fahazavana avy amin'ny masoandro avokoa ny planeta kely toy ny piti-drano, ny poti-bera, ny takela-drano mandry mamiratra. Raha tsy manaiky ianao fa ireo masoandro kely tafiditra ao amin-javatra maro ireo dia taratra ihany dia voatery hanaiky ny fisian'ny masoandro iray avy ao amin'ny pitidrano isanisany, ao amin'ny poti-bera sy ny zava-drehetra tatera-pahazavana mahazo ny taratry ny masoandro. Tsy toy ny nofinofy va izany? raha tsy manaiky ny taratry ny masoandro ianao dia voatery hanaiky ny fisian'ny masoandro maro fa tsy tokana. Mitombina va izany? toy izany koa, raha tsy manaiky ianao fa avy amin'Andriamanitra ny zava-drehetra, Andriamanitra tokana, tanteraka sy mahery indrindra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra maro toy ny kasinga madinika rehetra ao amin'ny tontolo. Ahoana no ahafahanao hino ny zavatra toy izany?
  • Velomin'Andriamanitra ny karazam-biby sy zavamaniry maro samy manana ny mampiavaka azy mandritry ny lohataona sy fahavaratra. Nirindra tsara tsy misy fifangaroana kely akory ny dingana& rehetra na dia misy fifangaroan-javatra tsy misy farany aza. Napetrany ety antany ny karazan-javatra zaon-tany ary tsy misy anaovany fahadisoana na adino, tsy misy kilema na fahasamponana. Vita ao anatin'ny fifandanjana ny zava-drehetra, tarika iray, endrika iray sy lamina tonga lafatra. Izany rehetra izany dia avy amin-javatra iray manan-kaja, tonga lafatra sy mahery indrindra, feno fahendrena, famelana sy hatsarana, amin'ny fahefana tsy manam-petra, fahalalana tsy takatry ny saina sy amin'ny halebeazana hifehy izao tontolo izao.
  • Heverontsika izay miseho amin'ny lohataona sy fahavaratra. Mahatalanjona tokoa ny habetsahan'ny asan'Andriamanitra mandritra ireo vanim-potoana ireo, haingana sy malalaka, amim-pitiavana, amim-pilaminana, hatsarantarehy sy fahariana. Ny tombokase toy izany dia tys misy manana hafa tys ny zavatra iray tompon'ny fahalalana sy fahefana tsy misy fetra. Io tombokase io dia tsy amim-pihambahambana fa an'ilay zavatra mahita ny rehetra ary hatraiza hatraiza. Tsy misy na inona na inona miafina aminy na sarotra aminy. Samy mora noho ny heriny na ny naharina ny atoma na ny planeta.
  • Ny voa afafy any antsaha dia manambara manantompo ny voa sy ny saha. Toy izany koa ireo singa ilaina idnrindra amin'ny fiainana (toy ny rivotra, ny rano sy ny tany) izay iraisan'ny rehetra sy hita hatraiza hatraiza na dia mitovy aza ny fahatsorany sy ny firafiny [oksizena, hidrozena, karbona sy azota]. Ahitana zavamaniry sy biby amin'ny toerana rehetra noho ny fitovian'ny maha izy azy eo anatrehan'ny fepetra ahafahany miaina.

Ireo voary rehetra ireo dia eo ambany fifehezan'ny mpahary iray izay maneho ny fahagagany. Toy ny dian-tanana ny voninkazo, ny voa sy ny biby tsirairay, fitomboka na sonian'io mpahary io. Miteny amin'izay fombany sy toetrany any amin'izay misy azy avy izy ireo ary manambara hoe: "Ilay entiko ny diantanany no namolavola ity toerana ity. Ilay entiko ny fitombony no tompon'ity toerana ity. Ilay izaho no soniany no namolavola ity tany ity". Raha atao amin'ny teny hafa, ilay tokana izay manana ny zava-drehetra eo ampelatanany no manana sy mamelona ny kely indrindra amin'ny voary. Azon'ny tsirairay jerena fa izay mampihatra ny maha Tompo azy amin'ny karazam-biby sy zavamaniry rehetra no manana sy mampisakafo ary mitantana na dia ny zavaboary tsotra indrindra aza.

Ary eo amin'ny lafiny fitoviany amin'ny zavatra hafa, ny karazana tsirairay avy dia miteny amin'ny fombany avy ary milaza hoe: "Ny zavatra iray izay manana ny karazako ihany no manana ahy". Mikasika ny fonenan'ny karazana hafa amin'ny planeta rehetra, ny karazana isanisany avy dia miteny amin'ny fombany ary milaza hoe: "Zavatra iray ihany izy tompon'ny planeta no afaka manana antsika". Ary raha heverina ny fifandraisanao miankina amin'ny masoandro sy ny fifandraisany amin'ny lanitra, ny tany sy ny planeta hafa dia miteny amin'ny fombanao manao hoe: "Zavatra iray ihany izay tompon'izao rehetra izao no afaka manana ahy". Raha nanantsaina ny paoma ka nilazana toy izao ny iray aminy: "Asa tanako ianao", namaly toy izao io paoma io: "Mangina ianao! Raha afaka mamolavola ny paoma rehetra ianao, na raha afaka mandidy ny hazo fihinam-boa rehetra amin'ity planeta ity sy ny zavatsoa tsy hita pesipesenin'ilay mpamindra fo indrindra izay avy amin'ny tahirin'ny indrafony, izay ihany no ahafahanao mihevitra fa manana ahy".

Satria ny voankazo tsirairay avy dia miankina amin'ny lalana tokan'ny fitomboana miainga avy amin'ny ivo tokana ka mora aminy ny mamokatra voa maro, tahaka ny hamokarany voa iray monja. Raha atao amin teny hafa, hoan'ny ivo maro, sarotsarotra kokoa ny famokarana voa iray monja noho ny maha hazo manontolo, ary ny famokarana fitaovana ilaina ho an'ny miaramila iray dia mitaky ny fandraisana anjaran'ny orinasa maro ilaina mba hananany ny fitaovam-piadiana manontolo. Mazava ny rijan-kevitra: rehefa miankina amin'ny ivontoerana maro ny vokatra tsotra mifanaraka amin'ny zavatra maro dia arakaraky ny fahabetsahan'ny olona tafiditra ao ny fahsarotana misy. Noho izany, ny fahatsorana mahavariana tsikaritra ao amin'ny karazana rehetra dia avy amin'ny mahatokana.

Ny fifanarahana sy ny fitoviana ao amin'ny toetra fototra sy ny rafitra tsikaritra ao amin'ny fianakaviam-ben'ny karazana iray sy ao amin'ny fizarana ho lahy sy vavy dia manamarina fa vokatry ny mpamolavola tokana izy ireo, satria izy ireo dia nosoratana tamin'ny penina iray ary mitondra famantarana mitovy. Ny fahatsorana tanteraka tsikaritra ao amin'ny fahatongavan'izy ireo hisy dia mitaky tanteraka sy tsy amim-pihambahambana fa asa tanan'ny mpahary iray ihany izy ireo.

Famaranana: Rehefa apetraka eo ampelan'Andriamanitra mahery indrindra dia mora tsapa kokoa ny fiandohan'ny voary rehetra noho ny an'ny voa&ry tokana; rehefa ankinina amina anton-javatra kosa dia vao mainka mihasarotra ny fahazoana ny fiandohan'ny zavatra iray sy ny zava-drehetra.

Noho izany, ny fahatsorana mahavariana tsikaritra ao amin'ny tontolo sy ny fahamaroana tsy manampetra dia mampiseho ny fitomboka tokan'ny maha tokana. Raha tsy ny Tompon'ny maha iray no tompon'ireo voa maro sady mora vidy ireo dia tsy afaka mividy ireo isika na dia tamin'ny volamena'izao tontolo izao manontolo aza. Ahoana no ahafahantsika mividy ny fiarahamiasan'ny tany sy ny rano sy ny rivotra sy ny tara-masoandro, ny hafanan'ny masoandro sy zavatra maro hafa namela ny fisian'ny voa toy ny garana? tsy tsapa avokoa ireo anton-javatra ireo ary mijanona ho eo ambany fifehezan'ny mpahary tokana dia Andriamanitra mahery indrindra. Mitovy vidy amin'izao tontolo izao manontolo ny garana iray.

  • Ny aina izay maneho ny fanomezan'Andriamanitra dia hevitra sy porofo iray amin'ny maha tokana an'Andriamanitra sy ny fisehony. Ny fahafatesana izay maneho ny halebeazan'Andriamanitra dia hevitra sy porofon'ny maha tokana Azy.

Ohatra, maneho ny sary sy ny hazavana sy ny tara-masoandro ny fangotrahana tsikaritra eo amin'ny fanambonin'ny rano mikoriana, toy ny ataon'ny zavatra rehetra tatera-pahazavana. Maneho ny fisian'ny masoandro io toe-javatra io. Na dia tsy hita taratra eo amin'ny riandrano aza indraindray ny tara-masoandro (rehefa mandeha eo ambany tetezana ohatra), ny fitohizan'ny fisehon'ny masoandro sy ny fipariakan'ny tarany tsy ankijanona eo ambonin'ny tiana mifandimby dia manaporofo fa ny tara-masoandro (izay miseho avy eo manjavona mba ho hita indray) dia avy amin'ny masoandro iray eo mandrakarivo sy tsy misy fiafarany izay miseho avy any ambony. Noho izany ny fisehoan'ireo riandrano taterapahazavana ireo dia maneho ny fisian'ny masoandro ary ny fanjavonany dia maneho ny fitohizany sy ny maha tokana azy.

Ao amin'ny lanjan-kevitra mitovy, ny zavaboary hita ao amin'ny fikorianana mitohy dia porofo iray amin'ny fisiany sy ny fiainany, ny filana ny fisiany sy ny maha tokana ny zavatra tsy maintsy ilaina ny fisiany. Manambara ny maha tokana azy sy ny maha tsy manampihafarana azy sy ny faharetany ny fahfatesan'izy ireo (zavaoary) sy ny fikorosofahany. Maneho ny fisiana sy ny maha tokana ary ny mampaharitra ilay zavatra iray teny mandrakizay izay maneho hatsaran-tarehy tsy ankijanona ireo zavaboary tsara tarehy izay fantenana sy avaozina, eo koa ny fifandimbiasan'ny andro sy ny alina sy ny fizaran-taona sy ny fotoana tsy mijanona. Ny fahfatesan'izy ireo sy ny fikorosofahany, hatramin'ny antonjavatra mifamatotra amin'ny fiainany dia mampiseho fa tsy sakana ireo anton-javatra (azo tsapain-tanana sy voajanahary) ireo. Mampiseho amin'ny fomba mazava izany fa ireo asa ireo, ny sorany sy ny fisehony dia asa miha vao mandrakariva, ny soratra miova sy ny fitaratra mihetsiky ny zavatra ambony iray sy hatsaran-tarehy ambony.

  • Mazava ho azy fa ny haingo sy ny rafitra tonga lafatry ny lapa tsara tarehy dia asan'ny mpandrafitra tonga lafatra. Avy amin'izany no hanombohan'izao rohim-pifandraisana manaraka izao: maneho ny maha tonga lafatra ny mpandrafitra ny asa voakaly (manavaka ny laharany), maneho ny andraikitra sarobidin'ny mpandrafitra ireo (ny fiandohan'ny asany), maneho ny fahaizana ambonin'ny mpandrafitra, maneho ny maha tonga lafatra ny maha izy azy ny mpandrafitra.

Toy izany ihany, ny fahaizanao sy ny asa tsy misy tsininy tsikaritra ao amin'ny filaharana sy rindran'ny zavamisy dia manambara mpamolavola mahery sy mahomby. Manambara zavatra hafa koa io toe-javatra io: manondro ny Anarana tongalafatry ny Mpanao ary Ambony ny asa tsy misy tsininy, manondro andraikitra tonga lafatra tazonin'ilay ambony izay fantatra amin'ireo anarany, vavolombelon'ny maha tonga lafatra ny fahaizana sy ny toetra ambonin'ilay zavatra tonga lafatra tafian'ny andraikiny toetra, manondro ny maha tonga lafatra ilay manana ireo fahaizana sy toetra ireo. Noho izany, ny karazana fahatomombanana rehetra tsikaritra ao amin'ny tontolo dia mariky ny fahatomombanana ananany, mariky ny fahamboniany sy taratry ny hatsarantarehiny. Ireo famantarana ireo dia taratra kelin'ny fisiany tonga lafatra fotsiny.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.