Ny Fahalalany Ny Lasa

  • Sampampahalalana manana ny maha izy azy ny tantara. Tsy mitovy amin'ny ankamaroan'ny siansa izy fa miankina amina tahirin-kevitra sy fahapotehana efa taloha. Na dia afaka mahazo fahalalana mikasika ny lasa aza isika dia sarotra dia sarotra ny maminavina ny tena zavanisy marina, ny fiheverana sy ny anton-javatra tamin'izany satria ny fahalalana azo antoka dia miankina amin'ny fahamarinan'ny tahirin-kevitra. Na dia izany aza anefa dia vitsy iro tahirinkevitra azo antoka satria ny fitanilana, ny tombontsoa, sy ny fitsarana manokana sy ireo antony maro hafa dia manova ny tena zava-nisy marina tamin'ny fotoana nisehoany. Ohatra, ratsy namara ny CORAN dia tsy afaka nahafantatra marina ireo Mpaminany Israelita isika, na tamin'ny finoana tena tany amoalohany nipoiran'ny krsitianisma sy ny jodauisma. Ny fandikana ny testamenta vaovao sy taloha izay tena nisy fanovana ihany no nanjary sarotra no nisintona fahamarinana ara-tantara tao aminy kanefa izy ihany no nisy.
  • Nitatitra zavatra maro mikasika ny vahoaka ny Mpaminany Mohammed, tao koa ireo zavaniseho tamin'ny fotoan-dasa. Hita ao amin'ny CORAN ny ankamaroan'ireo fampalalam-baovao ireo izay manazava amintsika mikasika ny fomba amam-panao taloha (toy ny an'I And Thamond, Iram, Sodoma, Gomoro, sy Ezipta taloha) sy teo amin'ireo vahoaka taloha (ny an'I Noa, Abrahama sy Chonayb). Ahitana tantara mikasika ny vahoaka jody hatrany ampiandohana hatramin'ny fotoanan'I Jesoa, ny vanimpotoanan'I Moizy, Davida sy Salomona manokana ihany koa ao. Nambara ny ampahany betsaka tamin'ireo vaovao ireo raha mbola tany La Mecque ny Mpaminany ary mbola tsy nifampikasoka na tamin'ny kristianina na tamin'ny jody. Rehefa nifindra monina tany Medina izy dia nametrapanontaniana taminy tamina lafinkevitra maro ireo manampahaizana jiosy sy kristianina ary tsy afaka nandiso ireo valinteniny.
  • Ny sasany tamin'ireo vaovao ireo dia hita ao amin'ny angon'adita "Sahîh al-Boukhari, Sahîh Mouslim, Sounane at-Tirmidhi sy ny hafa koa. Ny CORAN sy ireo bokin'adita ireo dia mitahiry ny lahatsoratra tsy niova hatrany amboalohany ary tsy misy diso na dia kely aza ny vaovao ao anatiny. Ny mifanohitra amin'izany, nohamafisina ny ankamaroan'izy ireo ary ho henontsika ny fanamafisana azy amin'ny ho avy. Porofo tsy azo lavina sy tsy maty vonoina mikasika ny faminanian'I Mohammed izany.
  • Nanadihady ny antony sy ny vokatry ny fomba amam-panao ny Mpaminany Mohammed sy ireo firenena taloha. Hita ao amin'ny lalanan'ny tantara sy foto-kevitra ankapoben'ny psilojia, ny sosiolojia sy ny ekonomia izay mahakasika ny fiainana iombonana sy samy irery ireo tantarany ara tantara ireo. Ankoatra izany dia tsy manan-tsahala ireo asany malaza sy ny fomba filazan-javatra lierera nataony.
Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.