Ireo Antony Mahatonga Ireo Fahalehibeazany

Ny fifandraisan'izy ireo tamin'ny Irak'Andriamanitra

Lehibe noho ny fahamasinana ny faminaniana ary ny toetran'ny Irak'Andriamanitra dia lehibe noho ny an'ireo Mpaminany. Masina avokoa ny Mpaminany tsirairay avy fa tsy nisy na dia iray aza masina ho Mpaminany. Na dia Mpaminany avokoa aza ny mpitondra hafatra rehetra dia tsy miaraka tamin'ny Irak'Andriamanitra ny Mpaminany. Ny Mpaminany Mohammed no farany indrindra sy lehibe indrindra amin'ny Mpaminany sy ny mpitondra hafatra. Mifamatotra avy hatrany amin'ny asa maha mpitondra hafatra azy ny mpanaradia ary mifandray aminy amin'ny maha irak'Andriamanitra azy. Izay tonga taorian'ny Mpaminany na toy inona na toy inona fahalehibeazany dia tsy mifandray taminy afa tsy tamin'ny fahamasinana (Tsy afaka hahazo ny toerana maha mpanaradia na oviana na oviana). Vokany, ny mpanaradia iray dia lehibe noho ny masina iray toy ny maha ambony ny toetran'ny irak'Andriamanitra amin'ny an'ny masina (lehibe tsy takatry ny heritreritra ny elanelana misy amin'izy roa ireo).

Ny tombontsoan'ireo ekipa masina

Tsy misy azo ampitahaina amin'ny fahazavahna sy ny fifoazana ara-pahany azo tamin'ny fanatrehany na tamin'ny fahatrehan'ny ekipan'ny Mpaminany. Tsy misy tsy azo anovozam-pahalalana ara-panahy sy ara-tsaina ny famakiana ny soratra nataon'ireo mpanabe ara-panahy sy ara-tsaina azony mivantana tamin'ny Mpaminany. Noho izany ireo mpanaradia, indrindra fa ireo niaraka taminy matetika hatrany amboalohany dia nahazo tombotsoa lehibe, na dia tanefitra sy olondia sy tsy mahalala na inona na inona aza, nahazo ny laharan'ireo voatarika ara-tsaina sy ara-panahy, sy araka ny moraly maha olombelona mandrapiavin'ny andro farany.

Mba ho mpanaradia dia tsymaintsy manao jery todika ny tany La Mecque sy tany medina tamin'ny taonjato faha VII, mihaino ampahamalinana ny Irak'Andriamanitra sy mandinika azy alohan'ny hiteny, mandeha, mihinana, miady, mivavaka, miankohoka, sy ny sisa. Tsy ho tanteraka anefa izany, tsy misy olona mahatratra ny laharan'ny mpanaradia izay difotra tao anatin'ny fahamasinana nomen'ny fanatrehan'ny Irak'Andriamanitra.

Ny Fahamarinana

Naorina tamin'ny fahamarinana madio rano sy ny tsy fisian'ny lainga tanteraka ny finoana silamo. Nanaraka ny finoana silamo hatrany amin'ny fahadiovany tany amboalohany ny mpanaradia. Amin'izay ireo, mba ho silamo dia manary ireo hadalana rehetra nananana, voadion'ny tontolo mamirapiratry ny fanambarana avy amin'Andriamanitra ary finoana silamo tonga noo. Aleon'izy ireo maty toy izay handainga. Nanambara ny irka indray andor fa raha misy olona misazy hatsipy any anaty afo fa tsy nivadika amin'ny finoany dia tsy maintsy hihetsika ny hafinaretan'ny finoana iny olona iny. Ary ny mpanaradia ny manandrana sy milona tao anatin'izany, silamo mendrika, tsy afaka mandainga satria loza kokoa noho ny fivadiam-pinoana izany. Tsy azontsika tsara io lafin-javatra io satria tsy nisy na iza na iza tamin'ny androntsika nihevitra nylainga sy ny famitahana ho toy ny talenta ary fahamarinana maro no nasolo oerana ny fahadalana isan-karazany.

Ny tontolom-piainana nateraky ny fanambarana

Nahazo voninahitra ireo mpanaradia noho izy ireo voalohany tamin'ny fandraisana ny hafatr'Andriamanitra avy amin'ny Mpaminany. Mahazo fahatra vaovao isan'andro izy ireo ary mbola asaina amin'ny latabatr'Andriamanitra feno voankazon'ny mandrakizay mbola vaovao tsara avy any amparadisa. Miaina amin'ny fiovana ifotony isanandro amin'ny fiainany izy ireo. Nobeazina teo akaikin'Andriamanitra kokoa isanandro izy iroe ary tsy mitsaha-mitombo sy mivoatra ny finoany. Mifankahita isanandro ao amin'ny andininy ao amin'ny CORAN izy ireo ary afaka mianatra mivantana raha eken'Andriamanitra ny asany.

Ohatra, rehefa: « mafy eo anatrehan'ny tsympino izay miaraka aminy, mifamindra fo amin'izy samy izy. Hitanao izy miondrika, miankohoka, mitady ny voninahitr'Andriamanitra sy ny fankatoavany. Ny andrin'izy ireo dia misy mariky ny fankohofany » (48:29) nivoaka io andininy io dia nifantoka teny amin'i Abou Bakr ny mason'ny rehetra, tmain'i Omar, Othman, Ali. Satria izy ireo no fantatra fa teo akaikin'ny Irak'Andriamanitra hatrany amin'ny voalohany mbola hoan'ny fahamafisany manoloana ny tsy mpino, ny famindram-pony manoloana ny silamo sy mba hiondrika sy hiankohoka matetika sy maharitra eo anoloan'Andriamanitra amin'ny fitadiavana ny fankatoavany.

Rehefa notanisaina ity andininy ity: « Misy olona mendrika amin'ny fanompoany an'Andriamanitra amin'ireo mpino. Nahatratra ny tanjony ny sasany tamin'izy ireo ary mbola miandry ny sasany; ary tsy manam-piovana izy (amin'ny fanompoany) » (33:23) dia nahatsiaro ireo maritiora tao Ouhoud izy tsirairay avy indrindra fa ry Hamza, Anas ibn Nadhr sy Ad Allah ibn Jahsh sy ireo hafa nampanantena tamin'Andriamanitra fa hanolotra ny ainy eny amin'ny làlany.

Milaza mazava ny mikasika an'i Zayd ibn Haritha amin'ity Andriamanitra: « Avy eo rehefa nampijanona ny fifandraisana rehetra i Zayd (…) (33:37) »5, manambara izy ao amin'ny andininy faha 48:18 fa mankatoa ny mpino izay nilokaloka fahatokisana teo anatrehan'ny Mpaminany teo ambody hazo nandritry ny ady tao Houdaïbiya.

Tao amin'ny tontolom-piainana madio voatso-drano sy nampirapiratra no nampiharan'ny mpanaradia ny fivavahana silamo tamin'ny fahafenoany sy ny fahdiovany hatrany amboalohany, avy tamin'ny fifotorana tamin'ireo fahatsapana lalina, fahaiza-mitsara goavana sy ny fahalalana an'Andriamanitra. Ary na ny mpino tsotra aza dia mahatsapa ny tena dikan'ny finoana sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra ary manandrana mampihatra ny fivavahana silamo ampahamarinana, afaka mahazo ampahany tamin'ny fahdiovan'ny fiampitan'ny SONA voalohany ary niampita tamin'ny taranaka nifandimby.

Ireo toe-javatra sarotra

Miova arakaraky ny fari-toe-javatra anaovana azy sy ny fahadiovan'ny heritreritry ny mpanao azy ny valisoa azo amin'ny asa iray. Ny manao zavatra eny andalan'Andriamanitra ao anatin'ny faritoe-javatra mavesatra toy ny tahotra, ny fandrahonana sy ny tsy fahampian-tsakafo sy hoan'ny fankatoavana azy manokana dia mendrika kokoa noho ny manao asa ao anatin'ny fanampiana sy ny fahafahana.

Nanaiky sy niaro ny finoana silamo tao anatin'ny toe-javata tena sarotra ny mpanaradia. Tsy laitra notohaina ny fanoherana ary tsy nisy famindram-po. Ao amin'ny Musamarat al-Abrarn'i Muhyi ad-Din ibn al-Arabi dia miteny tamin'i Ali i Abou Bakr, taorian'ny nahafatesan'ny Mpaminany fa tsy nivoaka afa tsy tamin'ny loza hoan'ny fiainany ny mpanaradia, natahotra tsy ankijanona izy ireo sao misy antsy miantoraka eny aminy. Andriamanitra irery ihany no mahafantatra hoe impiry izy ireo no voatevaeva, voakapoka sy nampahoriana (indrindra fa tamin'ny fanomboan'ny finoana silamo. Ireo izay osa sy nanan-daharana ho andevo toandr'i Bital sy Ammar sy Suhayb dia nampahoriana mandrapahafatiny mihintsy. Nokapohina sy nogadrain'ny fianakaviany ny tanora toandr'i Sa‛d ibn Abi Waqqas sy Mus‛ab ibn Umayr.

Na dia izany aza dia tsy nisy tamin'izy ireo nandika ny Irak'Andriamanitra na oviana na oviana. Hoan'ny fitiavan'Andriamanitra dia nafoiny ny fananany rehetra, ny tokantranony, ny tanindrazany ary nifindra monina izy. Nandray azy ireo antanandroa ny mpino tao medina, niaro azy, nifampizara ny mant sy ny masaka taminy. Notanterahiny tamin-kerim-po ny fifanarahana nataony tamin'Andriamanitra, namidiny tamin'Andriamanitra ny fanahiny sy ny fananany mba ho takalon'ny finoana sy ny paradisa ary tsy ho diso amin'ny teniny. Niteraka laharana ambony ho azy ireo eo anatrehan'Andriamanitra izany ary tsy hisy olona hahatratra izany hatramin'ny andro farany.

Ny fahamafisan'ny faritoe-javatra sy ny antony hafa dia sady nanome hery hoan'ny mpanaradia no nanome fahamafisana tsy hay ampitahaina. Ohatra, niditra tao amin'ny tano fivavahana ny Irak'Andriamanitra indray andro ka nahita an'i Harith ibn Malik saika hatory tao. Nofohaziny izy. Hoy i Harith tamin'ny Irak'Andriamanitra, toy ny fahazaran'ny mpanaradia taminy: « Afaka ho sorona ho anao va ny raiko sy ny reniko, ry Irak'Andriamanitra! Inona no sitrakao? » Nanontany azy ny iraik hoe ahona no fomba nandaniany ny alina.

Namaly I Harith hoe: "Toy ny an'ny mpino marina". Namaly ny irak'Andriamanitra hoe: "Izay marina rehetra dia tsy maintsy manana fahamarinana (mba hanamarinana azy). Inona no fahamarinan'ny finoanao?" Niteny indray I Harita: "Nifady hanina aho nandritry ny andro ary nivavaka tamin'ny Tompoko tamim-pahamendrehana nandritry ny alina. Ankehitriny aho dia toa mahita ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny fialambolin'ny olona any am-Paradisa" Hoy ny namaranan'ny irak'Andriamanitra azy: "Nanjary finoana hita vatana ianao".6

Manjary manaiky an'Andriamanitra ny mpanaradia "ka Andriamanitra no mason'izy ireo hijereny, sofina handrenesany, lela hitenenany, tànana handraisany".

Ireo Mpanaradia ao amin'ny CORAN

Milaza ny hevitr'ireo manam-pahaizana maro i Ibn Hazm: «Hiditra any am-paradisa ireo mpanaradia rehetra».7 Mety hahitana porofo manamarina io filazana io ao amin'ny CORAN. Toy izao no hamaritan'ny boky masina ireo mpanaradia:

« I Mohammed no mpitondra ny hafatr'Andriamanitra. Ary ireo izay miaraka aminy dia ho mafy eo anoloan'ireo tsy mpino, hifamindra fo amin'izy samy izy. Hitanao miondrika izy ireo, minakohoka, mikatsaka ny voninahitra sy ny fankatoavan'Andriamanitra. Voamariky ny faritra navelan'ny fiankohofana ny andrin'izy ireo. Toy izany ny endrik'izy ireo ao amin'ny Torah. Ary ny sary omena azy ireo ao amin'ny Evanjely dia ny voa nafafy ka naniry, niha may avy eo, niha natevina ary manangan-taho avy eo, ary voninahitry ny mpamafy. Mampanantena famelan-keloka sy valisoa lehibe hoan'izay mino sy manao asa tsara amin'izy ireo Andriamanitra [homeny valisoa any am-Paradisa miaraka amin'ny zavatra mbola tsy hitany hatrizay izy ireo, (tsy mbola nisy nandray na niheritreritra)]. (48:29)

Faritana toy izao koa ny valisoa ho azy ireo:

"Ireo mpino voalohany tamin'ireo mpifindra monina sy ireo mpanavotra ary ireo izy nanaraka azy tamin'ny fitondran-tena tsara (ihsan), ho sitrak'Andriamanitra izy iroe ary ho sitrak'izy ireo Andriamanitra. Manomana zaridaina ho azy iroe izy, hikoriana ao ambanin'izany ny rano ary honina ao mandrakizay izy ireo. Izany no fahombiazana lehibe!" (9:100)

Manatrika ny toritenin'ny Mpaminany mandrakariva I Abou Houraïra. Miaraka aminy foana izy ary mijanona ao amin'ny hefitranokely ao amin'ny trano fivavahan'ny Mpaminany. Miharitra ny hanoanana mandrakariva izy. Indray andro izy nankeo akaikin'ny irak'Andriamanitra ary nilaza tmainy fa tsy nihinana na inona na inona nandritry ny andro maromaro. Nampandrosoin'I Abou Talha izy kanefa kely dia kely ny zavatra azo nohanina tao aminy. Noho izany hoy izy tamin'I Umm Salaym vadiny:

"Ampatorio aloha ny ankizy androany hariva ary arosoy eo ambony latabatra izay azo hanina ao amintsika. Rehefa misakafo isika dia tsofy ny jiro. Tsy hisy hahita ao anatin'ny haizina na mihinana ny sasany na tsia. Hanao mody toy ny mihinana aho, mety hihinana tsara ny vahinintsika ho voky amin'izay". Taorian'ny fivavahan'ny mangiran-dratsy dia nitodika tamin'izy iroe ny irak'Andriamanitra, nitsiky ary niteny hoe: "Inona no nataonareo tamin'ny alina farany teo no nambara ity andininy ity?"

"Izy ireo koa dia anisan'ireo nipetraka voalohany nino tamin'io tany io ary nitia izay nifindra monina teo aminy ary tsy nametraka tao ampin'izy ireo sy nitsiriritra izay azon'ny mpifindra monina ary tia azy ireo raha tsy ahitana sakafo ao aminy. Na iza na iza nanohitra ny fitiavan-karenany dia izy ireo no hahomby. (59:9)"8

Hitantsika mikasika ny mpanaradia koa izao:

"Mankatoa tanteraka ny mpino Andriamanitra rehefa nilokaloka fifanomezan-tànana teo ambody hazo izy ireo. Fantany izay ao ampon'izy ireo, ary hampidininy amin'izy ireo ny fiadanam-panahy, ary homeny valisoa fandresena tsy ho ela izy ireo". (48:18)

Nanao fanomezan-toky fiaraha-mientana betsaka tamin'ny Mpaminany ireo mpanaradia, nanome toky ny hiaro azy araka izay azon'izy ireo atao ary hitondra ny fandresena hoan'ny silamo amin'ny farany amin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra. Notanany tamin'ny fananany manontolo sy ny ainy ny fanomezan-toky nataony. Maty maritiora ny ankamaroan'izy ireo na fony fahavelon'ny Mpaminany na tany ampanaparitahana ny finoana silamo tany amin'ireo tany vaovao vao babo. Mety hahita fasana nandevenana ny mpanaradia any amin'ireo tany silamo rehetra. Nanofana manam-pahaizana maro koa izy iroe, tamin'ny lalàna, tamin'ny hadita, tamin'ny fanadihadiana ny CORAN, tamin'ny tantera sy ny tantaram-piainan'ny Mpaminany. Hoy ny CORAN:

"Misy olona marina amin'ny asany eo anatrehan'Andriamanitra amin'ireo mpino. Efa nahatratra ny tanjony ny sasany tamin'izy ireo: ary izy tsy niova tamin'ny asany". (33:23)

Ireo Mpanaradia ao amin'ny hadita

Nankasitraka ny mpanaradia koa ny Mpaminany ary niteny tamin'ny mpino mba tsy hanevateva na hanafika azy ireny. Ohatra, mitantara i Bukhar, Muslim sy tradisionista hafa amin'i Abou Da‛id al-Khudri fa mananatra azy toy izao ny Irak'Andriamanitra:

« Aza miteny ratsy amin'ny mpanaradia ahy. Miozona aminy, ilay Tompon'ny aiko eo am-pelantanany aho fa na manana volamena toy ny tendrombohitra Ouhoud aza ianareo ary lanianareo amin'ny làlan'Andriamanitra izany dia hahazoanareo valisoa mitovy amin'ny iray tanàna avy amin'izy ireo na ny antsasany akory aza".9

Nanan-danja ambony ireo mpanaradia satria izy ireo nanaiky sy nampianatra ary niaro ny finoana silamo tao amin'ny toejava-tsarotra niainan'izy ireo. Ankoatra izany, araka ny fitsipika hoe: "Izay mikasa hanao zavatra iray dia efa toy ny nanao azy", ny valisoa azon'ny silamo manontolo nanomboka tamin'io vanim-potoana io mandrapiavin'ny andro farany dia ampiana amin'ny fanomanana ireo asa vitan'ny mpanaradia saingy tsynihena akory ny valisoan'ireo nanao ny asa. Raha tsy nanao ireo ezaka lehibe ireo izy ireo tany amin'izay nalehany rehetra mba hanapariahana ny finoana silamo dia tsy nisy na iza na iza nahalala ny finoana silamo na hanjary ho silamo. Noho izany, ny silamo rehetra taorian'ireo mpanaradia dia tsy maintsy mahatsiaro ho manan-trosa eo anatrehan'izy ireo fa tsy hoe ny mitsikera azy ary tsy maintsy mivaaka ho azy ireo:

"Ary hoan'ireo izay tonga aorian'izy ireo dia tokony hiteny hoe: Tompo ô, avelao ny helokay sy ny an'ny rahalahinay teo aloha tamin'ny finoana, ary aza avela hipetraka ao amponay ny fialonana ireo mpino. Tompo ô! mpamindra fo sy mpamela heloka ianao". (59:10)

Mitantara amin'I Abd Allah ibn Mughaffal ny fampitandremana henony tamin'ny irak'Andriamanitra I Tirmidhi sy Ibn Hibban:

"Andriamanitra ô! aza avela hiteny ratsy amin'ny mpanaradia izahay. Andriamanitra ô! aza avela hiteny ratsy amin'ireo mpanaradia izahay! aza izy ireo no hiaran'ny famelezanao aoriako! na iza na iza tia azy ireo mitia azy amin'ny fitiavany ahy, na iza na iza mankahaka azy ireo, mankahala amin'ny fankahalany ahy. Na iza na iza manao ratsy azy ireo dia manao ratsy amiko koa ary na iza na iza manao ratsy amiko dia manao ratsy amin'Andriamanitra".10

Mitantara ao amin'ny "Sahih" nataony I Imam Muslim fa hoy ny irak'Andriamanitra:

"Fitiavan'ny fandriampahaleman'ny lanitra ny kintana rehetra. Rehefa miparitaka amin'ny fikorontanana izy ireo dia tanteraka ny fandrahonana natao ny lanitra. Izaho no fitaovam-pampandriampahalemana hoan'ny mpanaradia ahy. Rehefa mandao ity tany ity aho dia ho tanteraka ny fandrahonana nolazaina tamin'ny mpanaradia ahy. Fitaovam-pampandriampahalemana hoan'ny fireneko ny mpanaradia ahy. Rehefa hiala eto antany izy ireo dia ho tanteraka ny fandrahonana nolazaina tamin'ny fireneko".11

Tahaka izay notanterina ao amin'ny Bukhari, Muslim sy ny boky hafan'ireo tradisionista dia hoy ny irak'Andriamanitra:

"Ny tsara indrindra amin'ny fireneko dia ireo taranako (mpanaradia), avy eo izay tonga aorian'izy ireo (Tabi‛hu), avy eo izay manarakaraka (Tasa –I Tabi‛nu), aorianareo dia hisy olona toa hiseho mba ho avolomelona na tsy angatahina aminy aza izany; hamadika izy ireo ary tys azo hametraham-pitokisana, hanao voady tsy hajainy akory izy ireo; hiseho amin'izy ireo ny halehibeazam-batana".12

Ny vanim-potoanan'ny mpanaradia sy ny an'ny taranaka roa avy afara no vanim-potoanan'ny fahamarinana. Hiseho amin'ireo taranaka telo ireo ny olo-mendrika sy manam-pahaizana entitra. Hahitana olona mpandainga maro sy hanao lokaloka sy toriteny diso mba hanatevenana ny finoan-diso na hahazoana fananana eto antany amin'ireo taranaka manaraka. Tsy mahagaga izany hoan'ireo mpandainga sy mpisitaka (tahaka izany koa hoan'ireo ampahany amin'ny tatsinanana sy ireo silamo manaraka azy) sy mpandainga mikasika ny mpanaradia sy ireo Imams madio rano amin'ny tarana roa manaraka satria izy ireo dia tena mpanohitra tanteraka ny silamo izy nanamafy ireo rindriny.

Mitantara an'I Abd Allah ibn Umar I Abou Nu‛aym:

"Na iza na iza te-hanaraka ny lala-mahitsy dia tsy maintsy manaraka ny lalan'ireo izay maty: ireo mpanaradia an'I Mohammed. Ireo no tsara indrindra amin'ny Oumma, madio indrindra ny fony, lalina indrindra ny fahalalany, ary tena lavitry ny fihatsarambelatsihy ao amin'ny famindram-po izy ireo. Nanorina fiarahamonina izay nofidian'Andriamanitra ho naman'ny Mpaminany sy hoan'ny fampitana ny fivavahany izy ireo. Miezaka hianareo hitovy amin'izy ireo amin'ny fitondrantena ary araho ny làlan'izy ireo. Izy ireo no mpanaradia an'I Mohammed. Mihaniana amin'Andriamanitra, ilay Tompon'ny Ka‛ba aho fa tena voatarika antsakany sy andavany izy ireo".13

Araka izay ambaran'I Tabarani sy Ibn Athir, Abd llah ibn Mas‛hd, ilay voalohany nanaraka ny finoana silamo tao La Mecque ary nalefan'I Omar tany Kufa mba hanmpianatra, nilaza hoe: "Mijery ny fon'ireo mpanompony marina sy nisafidy an'I Mohammed hakamin'ny zavaboariny amin'ny maha mpitondra hafatra Andriamanitra. Avy eo izy mijery ny fon'ny olona ary nisafidy ireo mpanaradia azy mba ho mpanampy azy amin'ny fivavahana sy ireo vizirs hoan'ny Mpaminany".14 Hoy koa izy:

"Hihoatra ny mpanaradia amin'ny fifadian-kanina ianao, amin'ny fivavahana sy amin'ny ezaka fiderana an'Andriamanitra. Tsara noho ianao anefa ireo satria tsy manisy lanjany loatra ity tontolo ity ary izay mangetaheta kokoa ny any ankoatra".15

Ny Mpanaradia izay niseho ho mendrika indrindra tamin'ny fitaterana ny hadita

Nahary ny olombelona tamin'ny fandaminana manokana sy hery hafa Andriamanitra Mahery ma hisian'ny rindran-damina ao amin'ny fiainana ara-tsosialin'ny olona, mirindra ao anatin'ny fifanampiana sy ny fizarana asa. Toa ireo mpanaradia mpamboly, mahafatra-po, ny hafa mpandraharaha na mpivarotra manantalenta, ny sasany avara-pianarana, ny sasany mpitarika ady ary ny sasany mpitondra fanjakana. Ny sasany tamin'izy ireo, indrindra fa ny « Ashah as-Suffa » (ireo izay nijanona tao amin'ny hefitanokelin'ny fiangonan'ny Mpaminany) dia nanaraka tsy nisy banga ny fampianaran'ny Mpaminany ary nanadrana nanarakitra antsoratra ireo teniny tsirairay avy.

Ireo mpanaradia ireo no hitantara amin'ny olona izay hitany sy reny tamin'ny Mpaminany afaka fotoana fohy. Soa ihany fa lava velona kokoa noho ny hafa izy ireo noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy niaraka tamin'I Aïcha nampita voalohany ny Sona. Ireto manaraka ireto dia famariparitana fohy ny toetran'izy ireo manokana sy ny fiaimpiainany:

Abou Houraïra dia avy amin'ny foko Yeminita any Daws. Nanaraka ny fiavahana silamo hatrany amboalohany izy, 7 taona taorian'ny Hezira, tamin'ny alalan'I Tufayl ibn Amr, ilay lehiben'ny foko. Rehefa nifindra monina tany Medina izy dia sahirana tamin'ny ady tao Khaybar ny irak'Andriamanitra. Narahiny tany Khaybar izy. Novain'ny irak'Andriamanitra ho I Abd ash-Shams ny anarany ary hoy Abd ar-Rahman:

"Ny olona dia tys mety ho andevon'ny masoandro sy ny volana"

Tso-piaina sy tena nahantra I Abou Houraïra. Tsikaritry ny irak'Andriamanitra ndeha hanafosafo saka izy indray andro ary nopetahany anarana hoe: Abou Airr (ilay ray na lehiben'ny saka). Avy eo ny olona niantso azy hoe Abou Houraïra. Na dia izany aza dia nisafidy ny ho antsoina hoe Abou Airr izy satria io anarana io dia ny irak'Andriamanitra mihitsy no nanome azy.

Niara-niaina tamin-dreniny tsy silamo izy. Nivavaka isan'andro ny mba hivadihany izy, indray andro izy nangataka tamin'ny mpa ny hivavaka toy izany koa. Nataony izany ary vantany vao hanala ny tànan'I Abou Houraïra ho eo aminy izy dia nekena marina ny vavaky ny irak'Andriamanitra. Rehefa tonga izy dia najanon-dreniny tery ambaravarana mba ahafahany mamita ny "ghousl" (fidiovana mahazatra feno). Avy eo novohany ny varavarana ary nanambara ny fiovany izy. Taorian'izay dia nangaaka ny irak'Andriamanitra hivavaka hoan'ireo mpino tia azy I Abou Houraïra, izy sy ny reniny. Ary nivavaka ny irak'Andriamanitra.17 Taoriana dia nanjary mariky ny finoana ny fitiavana an'I Abou Houraïra.

Nanana fitadidiana tsy manam-paharoa ireo mpanaradia ireo. Natory izy mandritry ny ampahatelon'ny alina voalohany, nivavaka sady nitanisa ny fiantsoana ny anaran'Andriamanitra sy ny fitarainana mandritry ny ampahatelony faharoa ary mamerina ny hadita nianarany tsianjery amin'ny tapany fahatelo farany. Nitadidy hadita mihoatry ny 5000 izy.

Tsy mbola nisy kabarin'ny irak'Andriamanitra tsy natrehany, nikatsaka ny fianarana ireo fomba amam-panaony ary tia fahalalana.

Nivavaka izy indray andro: "Andriamanitra ô, omeo fahalalana tsy ho adinoko mandrakizay aho". Naheno azy ny irak'Andriamanitra ary niteny hoe: "Andriamanitra ô, ho tanteraka anie izany".18 Niteny tamin'ny irak'Andriamanitra izy tamin'ny andro hafa: "Ry irak'Andriamanitra, tsy te-hanadino izay henoko taminao indray mandeha aho". Nangatahin'ny irak'Andriamanitra hanala ny akanjo lavany izy ary hamelatra izany amin'ny tany. Nivavaka ny irak'Andriamanitra avy eo ary nofoanany ny zavatra teny antanany izay toa feno zavatra avy any amin'ny tontolo tsy hita hiraraka teo amin'ilay akanjo. Nodidiany hangorona ilay akanko I Abou Houraïra avy eo sy hitazona azy eo antratrany. Milaza ny marina eo anatrehan'Andriamanitra aho fa tsy nanadino na oviana na oviana izay henoko tamin'ny irak'Andriamanitra".19

Tsy dia nanisy dikany loatra ity tontolo ity I Abou Houraïra. Nanosika azy hifady hanina roa na telo andro misesy ny fahantrana. Mitolokon'ny hanohanana eo amin'ny tany izy matetika ary miteny amin'ny mpandalo hoe: "Istaqra'uka", izay manana dikany roa:

"Tsy misy olona afaka hitanisa amiko ny CORAN va?" ary "Tsy misy olona afaka manome sakafo amiko va?"20 Nahazo izany kokoa noho ny hafa I Ja‛far Tayyar ka nampiatrano azy.21

Niharitra am-paharetana ny tsy fisiana I Abou Houraïra noho ny fitiavana ny hadita. Novaliany ampitiavana toy izao ireo izay niteny azy hoe mitatitra haditra be loatra indraindray: "Nandritry ny nahasahirana ny rahalahiko mpifindra monina tamin'ny varotra ary ny rahalahiko mpanavotra tamin'ny fambolena sy fiompiana dia nanolotra ny fanahiko sy ny vatako ho naman'ny Mpaminany aho".22 Hoy izy matetika: "Marina, ireo izay nanafina ny nampidinanay tety antany ho porofo sy fitantanany aorian'ny famelabelaana nataonay tamin'ny olona, tao anaty boky, ireny no voaozon'Andriamanitra ary hanozona izay voaozona". (2:159), "tsy hitatitra na inona na inona aho".23

Misy olona sasany mihevitra fa nanohitra an'I Abou Houraïra ny mpanaradia hafa sasany. Tsy dia hita fototra izany. Maro ireo mpanaradia nitatitra ny hadita avy taminy toandri Abou Ayyub al-Ansari, Abd Allah ibn Omar, Abd Allah ibn Abbas, Jabir ibn Abd Allah al-Ansari, Anas ibn Malik sy Wasila ibn Aslam. Ny sasany manontany ny antony nitateran'I Abou Ayyub ny hadita avy amin'I Abou Houraïra kanefa izy nanaraka ny finoana silamo talohan'io, ahoana no namaliany azy: "Naheno zavatra maro tamin'ny irak'Andriamanitra izay tsy henontsika izy".24

Maro koa ireo Tabi‛un nandray hadita betsaka avy taminy, anisan'ireny ry Hansan al-Basri, Zayd ibn Aslam, Sa‛id ibn al-Musayyib (izay nanambady ny zanaka vavin'I Abou Houraïra mba ahafahana manararaotra azy), Sa‛id ibn Yasar, Said al-Makburi, Sulayman ibn Yassar, Sha‛bi (izay nandray ny hadita avy tamin'ny mpanaradia 500), Muhammad ibn Abi Bakr sy Qasim ibn Muhammad (izay fantatra fa nampita fitarihana ara-panahy tamin'I Nakshbandi). I Hammam ibn Munabbih sy Muhammad ibn Munkadir no nalaza indrindra tamin'ireo olona 800 nandray hadita avy taminy.

Nanendry an'I Abou Houraïra ho governoran'I Bahrein I Omar. Rehefa toa nanomboka nanangon-karena tamin'ny varotra anefa izy nandritry ny fotoana niasany dia nanao fanadihadiana mikasika izany I Omar. Na dia hita fa tsy nanantsiny aza izy ary nangatahana hanohy ny asany dia tsy nanaiky izany intsony: "ampy ahy izay naha governora ahy izay".26

Tsy mba nanohitra an'I Ali na mpiray petsapetsa tamin'I Omayyade I Abou Houraïra na dia teo aza ny fangatahan'ireo oriantalista toandr'I Goldziher sy ireo silamo mpanaradia azy ireo toandr'I Ahmad Amin, Abou Rayya sy Ali Abd al-Razzaq. Tsy maintsy nanohana an'I Ali izy tamin'ny korontana anatiny mba ho foana ny fisaratsarahana kanefa nanapa-kevitra ny tsy homba ny atsy na ny aroa satria niteny toy izao ny irak'Andriamanitra: "Hisy fisarahana hitranga ary mandritra izany dia izay mipetraka no tsara indrindra noho izay mitsangana [mba handray anjara]; izay mitsangana dia ho tsara kokoa noho izay mandeha [mba handray anjara], ary izay handeha dia ho tsara kokoa noho izay miazakazaka".27 Mety ho tsy mifamatotra tamin'ny fifanolanana anatiny io hadita io izay tonga tamin'ny naha kalifa an'I Ali kanefa I Abou Houraïra dia nihevitra hoe eny ary nijanona ho to anelanelany.

Nanohitra ny fitondrana Omeyyada I Abou Houraïra. Nitsangana teo anoloan'I Marwan ibn Hakam izy indray maka ary nitatitra ity hadita ity: "Ho potika eo ampelantanan'ny tanora sasany Koraisita manana traikefa ny fiarahamoniko".28 Hou ny navalin'I Marwan tamin'izany: "Aoka hanozona azy ireo Andriamanitra!", tsy te-hahafantatra izay dikan'izany. I Abou Houraïra nanampy hoe: "Raha sitrakao dia hambarako aminao ny anaran'izy ireo sy ny toetrany".

Re matetika mivavaka oy izao izy: "Andriamanitra ô, aza atao velona hatramin'ny faha 60 taona aho".29 Nanjary nalaza io fitarainana io ka izay nahita an'i Abou Houraïra dia namerina azy. Henony tamin'ny irak'Andriamanitra fa nisy tanora lahy sasany tsy dia apy traik'efa loatra sady mpanota nanjaka eo amin'ny silamo ny taona faha 60. maty teo man faha 59 taonany izy ary nandimby ny rainy I Yazid taona iray taty aoriana.

Tsy nisy porofo nanamarina ny filazana fa nanohitra ny fampitana ny haditan'I Houraïra I Aïcha. Samy ela velona izy roa ireo fa marihana fotsiny ity trangan-javatra ity, tsy nitsikera ny fitantarany hadita na oviana na oviana I Aïcha. Indray andro I Houraïra nitatitra hadita tsy lavitra tamin'iro nivavahan'I Aïcha, nofaranany ny fivavahany ary nivoaka izy. Hoy ny fanamarihany: "Tsy azo taterina amin'izany fomba izany ny "tradition prophétique", mifanarakaraka tsy ankijanona"30, midika izany fa tsy maintsy ampitaina miadana sy miavaka tsara izy ireo mba ahafahan'ny mpanatrika mahazo sy mitadidy azy tsara.

Tsy misy mihevitra fa niteny toy izao I Abou Houraïra: "Tsy handray ny hevitry ny mpanaradia telo ho porofo amin'ny fitsarna aho, iray amin'ireo I Abou Houraïra". Lainga fotsiny izany. Mihevitra an'I Abou Houraïra ho mpitsara manana ny maha izy azy I Allama Ibn Humam, iray tamin'ireo mpitsara lehibe hanefita. Na izany aza dia tsy nisy porofo nanamafisan'I Abou Hanifa izany teniny izany.

Nitatitra tradisiona 500 I Abou Houraïra. Rehefa nangoniny izany dia nahavita boky matevina lavitra noho ny CORAN izy. Maro ireo manao tsianjery ny CORAN ao anatin'ny enimbolana raha haingana indrindra. Manana fitadidiana tsara I Abou Houraïra ary nandany 4 taona tamin'ny fiarahana tamin'ny Mpaminany izay nivavaka hoan'ny fanamafisana ny fitadidian'I Abou Houraïra. Nanameloka an'I Abou Houraïra ho tsy ampy haranitan-tsaina izy ka nihevitra fa tsy afaka hitadidy hadita. Ankoatra izany, ny "Tradition" rehetra notateriny dia tsy avy amin'ny irak'Andriamanitra. Hatramin'ny mpanaradia lehibe toandr'I Abou Bakr, Omar, Ubayy ibn Ka‛b, Aïcha sy Abou Ayyub al-Ansari dia nitatitra azy, ary izy koa nandray hadita avy amin'izy ireo.

Nitatitra hadita teo anatrehan'I Marwan ibn Hakam tamin'ny faritoe-javatra samy hafa I Abou Houraïra. Nosoratany miafina tamin'ny soratanany ny farany. Fotoana fohy taty aoriana dia nangataka an'I Abou Houraïra hamerina ireo hadita voalaza ireo izy. Nanomboka hanonona I Abou Houraïra "Bismillahir Rahmanir Dahîm" (Amin'ny anaran'Andriamanitra, ilay be indrafo indrindra) ary nitatitra ny hadita tamin'ny teny nanaovany azy tsy nisy nanampiana na nanesorana toy ny teo aloha.31 Tsy nisy noho izany ny antony nitsikerana azy hitatitra "tradition"n'ny faminaniana toy izany.

Abd Allah Ibn Abbas dia teraka 4 na 5 taona talohan'ny Hezira nanana haranitan-tsaina sy fitadidiana nahatalanjona izy, ary olona nalain-tahaka. Nivavaka ho azy ny irak'Andriamanitra: "Andriamanitra ô, ataovy mahazo zavatra tsara izy ary arotsahy ao amin'ny fivavahana, ary ampianaro azy ny fahamarinana miafina ao amin'ny CORAN".32

Tamin'ny fahavelony izy dia noheverina "manam-pahaizana ny Oumma lehibe", "ny reny" (izay nomena fahalalana lalina dia lalina) na ihany koa "ilay Mpandika (nanazava) ny CORAN".33

Tsara tarehy izy, lehibe sy mahay miteny tokoa. Tsy manam-paharoa ny fitadidiany fa nahatadidy ny poezia 160n'ni Amr ibn Rabi‛Andriamanitra raha vao namaky voalohany monja. Ankoatry ny fahalalany lalina ny CORAN sy ny "Tradition" sy ny lalàna dia niroboka tamin'ny literatiora koa izy, ary indrindra fa tamin'ireo poezia teo alohan'ny finoana silamo.

Mitatitra andininy iray na manontolo avy aminy mifanaraka amin'ny famakafakana ny andininy manontolo ao amin'ny CORAN I Ibn Jarir at-Tasari ao amin'ny "Tafsir" nataony.

Tena tian'ireo mpanaradia izy. Na dia tanora aza izy dia notendren'I Omar ho anisan'ireo mpanolotsaina nahitana olona be taona. Rehefa nanontaniana ny antony nanaovany izany izy dia nanapa-kevitra ny hanao fitsapana ny fatra-pahatakaran'izy ireo ny CORAN I Omar:

"Rehefa tonga ny famonjen'Andriamanitra sy ny fandresena, ary nahita ny olona nanao andiany niditra tao amin'ny fivavahan'Andriamanitra ianao, noho izany, amin'ny fiderana, ankalazao ny voninahitry ny Tomponao ary angataho ny famelan-kelony. Izy no mpandray ny fanenenana lehibe". (110:1-3)

Namaly ny zokiolona hoe: "Io andininy io dia mandidy ny Mpaminany hidera an'Andriamanitra sy hikatsaka ny famelan-kelony rehefa mahita ny olona manao rano lava miditra ao amin'ny finoana silamo izy noho ny fanampian'Andriamanitra sy ny fandresena vokatr'izany". Tsy afa-po tamin'izany valinteny izany I Omar ary nametraka ny fanontaniana mitovy tamin'I Ibn Abbas izay namaly toy izao: "Mitarika ny fahakaikezan'ny fahafatesan'ny Mpaminany io Sorata io satria rehefa manao andiany mao manaraka ny fivavahana silamo ny olona dia midika izany fa hifarana ny asan'ny irak'Andriamanitra".

Nitodika tamin'ireo mpanolotsaina I Omar ary nanazava: "Izany no antony nampidirako azy ho anisanareo".34

Nalaza tamin'ny fidirany lalina sy ny haranitantsainy sy ny fitadidiavany tsy manan-tsahala sy ny fahtsinjovany zavatra dieny mialoha sy ny fahamaotinany I Ibn Abbas. Rehefa miditra ao anatin'ny toeram-pivoriana izy dia mitsangana ny olona mba ho fanajana azy. Tsy dia nampahazo aina azy nireo loatra ny filazany hoe: "Raha sitrakareo, aza mitsanga ho ahy!"

Na dia anisan'ny silamo iray nahay indrindra aza izy dia naneho fanajana lehibe hoan'ireo manam-pahaizana". Avy eo I Zayd nampidina ny tanany tsy hisy fankatoavana avy aminy ary nanamarika hoe: "Didiana hanao toy izao manoloana ireo akaikin'ny irak'Andriamanitra izahay".35

Vokany, tsy tian'I Ibn Abbas hitsangana noho ny fanajana azy ny olona. Na izany aza, tamin'ny fotoana nandevenana azy dia nisy zava-nitranga, toy ny nitsangana hanome haja azy ny maty rehetra ary nandray azy ireo fanahy. Nisy feo avy amin'ny fasana hafa re: "Ianao ry fanahy maivamaivana, miverena any amin'ny Tomponao, afa-po sy ankatoavina; midira noho izay ho anisan'ireo mpanompoko ary midira ao am-paradisako". (59:27-30)36

Namolavola manam-pahaizana maro tamin'ny sampam-pahalalana rehetra mikasika ny finoana I Ibn Abbas. Izy no mpanorina ny sekolin-dalàna mekoa. Manam-pahaizana lehibe toandr'I Sa‛id ibn Jubayr, Mujahid ibn Jabr sy Ikrima no nankasitraka azy: "Nampianatra antsika izay haintsika rehetra I Ibn Abbas". Nampita hadita 1600 teo ho eo izy.

Abd Allah Ibn Omar ihany tamin'ireo zanak'I Omar sivy no nantsoina hoe ibn Omar (zanak'I Omar). Maneho izany fa mendrika kokoa hantsoina hoe "zanak'I Oùar izy" (Ibn Omar) na hantsoina amin'ny anarana hoe Omar. I Omar no mpanaradia lehibe faharoa, I Abd Allah no noheverina ho ambonin-drainy noho ny fahalalana nananany, ny famindram-pony, ny fiderany sy ny fitiavany ny Sona. Nifatotra mafy tamin'ny fanarahan ny Mpaminany ho ohatra izy araka ny itateran'I Nafi ilay mpampianatra an'I Imam Malik azy ho: "Rehefa nidina ny tendrombohitra Arafat izahay dia nidita tao anaty lavaka I Ibn Omar. Rehefa nivoaka avy tao izy dia nanontaniako izay nataony tao. Namaly ahy I Imam hoe: "Teo aorian'ny irak'Andriamanitra aho tamin'ny fidinana an'I Arafat. Nidina tao anatin'io lavaka io izy ary nijanona kely tao. Tsy fantatro izay nataony tao kanefa tsy te-hifanatrika taminy aho".37 Toy izany koa, tsy mbola nisy olona nahita azy nisotro rano mihoatra na latsaky ny telo tenda satria nahita ny irak'Andriamanitra nisotro toy izany izy.

Teraka tao anatin'ny taona voalohan'ny silamo I Ibn Omar. Matetika izy no nahita an-drany niady tamin'ny mekoa mpino Andriamanitra maro.38 Rehefa nifindra monina tany Medina ny silamo, dia 10 taona teo ho eo izy. Tsy mbola namela azy hiady tao Badr ny irak'Andriamanitra satria mbola tanora loatra izy. Ontsa dia ontsa izy niverina tany aminy rehefa norarana tsy hiady koa tao Ouhoud ary nolaniany tamin'ny fangatahana toy izao ny alina: "Inoan no fahotana vitako no rarana tsy handray anjara amin'ny laharan'ny tafika izay haidy amin'ny làlan'Andriamanitra aho?"39

Mitatitra AN4I Sah‛bi I Ibn Khaltiqan:

"Indray maka, nandritry ny fahatanorany dia nipetraka teo akaikin'ny Ka‛ba I Abd Allah ibn Zubayr, I Mus‛alo ibn Zubayr rahalahiny, Abd al-Malik ibn Marwan sy Abd Allah in Omar. Nihevitra izy ireo fa samy hangata-javatra amin'Andriamanitra ary samy nanantena fa ho ekena ny fangatahany. Hoy ny fivavak'I Abd Allah ibn Zubayr "Andriamanitra ô, noho ny alehibeazanao, ny voninahitrao, ny fahamendrehanao, ataovy mpitondra ao amin'ny Hidjaz aho". Nanangana ny tànany I Mus‛ab ary nivavaka: "Andriamanitra ô, noho ny halebeazanao, ny voninahitrao, ny hajanao, ny seza fiandriananao sy ny sezanao, ataovy mpitondra any Irak'Andriamanitra aho" nanangana ny tànany I Abd al-Malik ary nivavaka: "Andriamanitra ô, mangataka aminao aho mba hanao ahy ho mpitondra ny silamo rehetra ary hiantoka ny fitambaran'ny silamo na dia mety ho faty aza". Rehefa nivavaka I Abd Allah ibn Omar dia nangataka hoe: "Andriamanitra ô, aza alaina ny fanahiko alohan'ny ahazahoako antoka ny Paradisa".40

Nahazo fahafaham-po ny fivavahan'ny telo voalohany: Nanjaka tany Hidjaz I Abd Allah ibn Zuayr ary maty maritiora novonoin'I Hajjaj mpitondra jadona sy governora nalaza tao Omeyyada. Nanjaka fotoana fohy tao Irak'Andriamanitra I Mus‛ab. Nandimby an-drainy Marwan ho toy ny kalifa niantoka ny fiombonan'ny silamo I Abd al-Malik saingy tamin'ny famoizana aina maro sy fikorianan-drà maro.

Tamin'I Ibn Omar indray dia nanamarika I Imam Sha‛bi: "Ny any ankoatra ihany no afaka maneho na nahazo fahafaham-po ny vavaka nataony na tsia". Nahalala zavatra vitsivitsy I Sha‛bi: "Tsy nifanohitra tamin'ny taranaky ny Mpaminany na oviana na oviana I Ibn Omar ary tsy nanohana ny Omeyyada. Natahotra azy I Hajjaj. Indray andro I Hajjaj nitory teny talohan'ny fivavahana misasak'andro izay somary lava noho ny fotoanan'ny fotoam-pivavahana tamin'ny misasak'andro. Niteny taminy I Ibn Omar: "Ry governora, lasa tsy miandry ny hahavitan'ny toriteninao ny fotoana". Feno fialonana sy fanoherana an'I Ibn Omar I Hajjaj. Farany, nandritry ny fivahiniana masina dia nahita olona hanindrona ny voditongotr'I Omar ibn tamin'ny zavatra voapoizina izy kanefa tao anatin'ny akanjo fitondra amin'ny fivahiniana masina. Niafara tamin'ny fahafatesany ny vokatr'ilay poizina".41

Abd Allah ibn Mas‛ud iray tamin'ireo efatra na dimy nanaraka ny fivavahana silamo voalohany, nampita hadita maro dia maro ihany koa. Tanora niandry ny andiam-bibin'ny mpitarika koraisita toan'I Aou Jahl sy Uqba ibn Abi Mu‛ayt izy. Taorian'ny fiovany izy dia tsy nisaraka tamin'ny Mpaminany mihitsy. Midita ao antranon'ny Mpaminany izy na tsy asaina aza ary matetika izany ary mihevitra ny olona fa anisan'ny fianakaviana izy. Nandritr'ireo ady dia izy no nitondra ny fitoeran-dranon'ny Mpaminany, ny kirarony hazo sy ny tsihy hatoriany na hipetrahany. Farany izy dia nantsoina hoe "mpiandry kiraro sy fandriana sy fitoeran-drano (natokana ho amin'ny fidiovana amin'ny fivavahana)".42

Nahavita fahagaga vitsivitsy I Ibn Mas‛ud. Ohatra, rehefa nampijaliana izy tany La Mecque dia nanjary nanjavona tsyhitan'ireo mpampijaly azy. Ny irak'Andriamanitra niantso azy hoe "ilay zanaky ny renin'andevo" ary nanoro hevitra ireo mpanaradia azy: "Na iza na iza izy te hitanisa ny CORAN rehefa namara voalohany izy, aoka izy ireo hitantara izany tahaky ny fitanisan'ilay zanaky ny renin'andevo". (43)

Indray andro ny irak'Andriamanitra nangataka azy hitantara kely ny CORAN. Niala tsiny I Ibn Mas‛ud: "Ry irak'Andriamanitra, izaho va no hanjary hitantara azy aminao kanefa ianao no nanambarana azy Ny" Niangavy ihany anefa ny irak'Andriamanitra na dia iznay aza: "Te-hihaino azy avy amin'ny hafa aho". Rafitra nitantara ny Sorata "al-Nisa" I Ibn Mas‛ud. Rehefa tonga teo amin'ny andininy faha 41 izy:

"Hanahoana izy ireo raha handefasantsika vavolombelona isaky ny fiarahamonina iray ianao (Mohammed) ataonay ho vavolomelona mandritra ireo olona ireo?" dia sady nitomany ny irak'Andriamanitra no nampijanona azy ary niteny hoe: "Ajanony raha sitrakao! ampy izay". (44)

Kely sady osa I Ibn Mas‛ud, nianika azo izy indray andro satria nangatahin'ny irak'Andriamanitra izany. Naneso ny rangony ireo izay nanatrika teo. Nampitandrina azy ireo ny irak'Andriamanitra: "Mavesa-danja noho ny tendrombohitra Ouhoud ireo ranjo ireo araka fandrefesan'ny any ankoatra". (45)nalefan'I Omar kalifa ho any Kufa ho mpampianatra, niaraka tamin'ny taratasy milaza hoe: "Ry vahoakan'I Kufa! Raha tsy tiako ianareo dia nandefa an'I Ibn Mas‛ud ho anaeo aho". (46) Niaina tao Kufa nandritry ny naha kalifa an'I Omar I Ibn Mas‛ud ary nanofana manam-pahaizana maro. Niha lehibe tao anatin'ny tontolo novolavolain'I Ibn Mas‛ud ny manam-pahaizana nihorehana Tabi‛un toandr'I Alqama ibn Qays, Aswad ibn Yazid an-Nakha'I sy Ibrahim ibn Yazid al-an-Nakha'i. ny iray tmain'ireo olona nanatrika ny fampianaran'I Alqama dia nanontany izay nampianatra azy. Rehefa namaly I Alqama fa nianatra tamin-dr'I Omar, Othman, Ali sy Ibn Mas‛ud izy dia niteny ilay olona hoe: "Tsara! Tena tsara!"

Nitohy niaina tao Kufa nandritry ny naha kalifa an'I Omar I Ibn Mas‛ud. Rehefa nantsoin'I Othman tany Medina anefa izy noho ny fitoriana tsy nisy fotony izay nivantana taminy dia tsy te-hiverina tany Kufa intsony satria efa nitombo taona. Indray andro nisy olona nidodododo teo aminy ary niteny hoe: "Omaly alina aho nanofy fa niteny tmainao toy izao ny irak'Andriamanitra: "Handreraka anao izy ireo ao aoriako, noho izany avy aty amiko. Ary namaly ianao: "eny ry irak'Andriamanitra. Tsy handao an'I Medina aho" Narary I Ibn Mas‛ud andro vitsy taoriana. Namangy azy I Othman ary niresaka toy izao izy ireo:

  • Manana fitoriana va ianao?
  • Manan-javatra maro hitarainana aho.
  • Inona?
  • Ny amin'ny fahotako satria hoa ny amin'Andriamanitra aho.
  • Misy zavatra tadiavinao va?
  • Ny famindram-pon'Andriamanitra.
  • Tianao va ny hiantsoako dokotera?
  • Ny dokotera no namparary ahy. Tsy hahavita na inona na inona ho ahy ny dokotera hantsoinao.

Naharitra 20 taona tamin'ny fiarahana tamin'ny irak'Andriamanitra I Ibn Mas‛ud. Nitatitra hadita 800 teo ho eo izy.47

Ankoatr'ireo mpanaradia 4 ireo I Aïcha, Abou Sa‛id al-Khudri, Jabir ibn Abd Allah sy Anas ibn Malik dia mpanaradia izay nitatitra hadita maro ihany koa.

Aïcha dia niara-niaina 9 taona tamin'ny irak'Andriamanitra. Nanan-talenta maro izy, nanatsaina sy fitadidiana lehibe sy fitandremana/fahamalinana. Nangetaheta fianarana zava-baovao mandrakariva izy ary nangataka ny Mpaminany hanazava taminy ny zavatra tsy azony.

Abou Sa‛d al-Khudri dia nipetraka tao amin'ny efitrano kelin'ny trano fivavahana ary teo akaikin'ny irak'Andriamanitra isanandro. Ela velona izy ary tonga nyf otoana niheverana azy ho olona nahay indrindra tao Medina.

Jabir Ibn Abd Allah dia zanak'I Abd Allah ibn Amr in Haram al-Ansari ilay maty maritiora tao Ouhoud. Taorian'ny fahafatesa'ny irak'Andriamanitra izy dia niaina tao Medina (tao izy no nanome lesona tao amin'ny trano fivavahan'ny Mpaminany, tany Egipta sy tany Damasy. Manam-pahaizana Tabi‛un lehibe toandr'I Amr ibn Dinar, Mujahid sy Ata Abi ibn Raah no nanatrika ny lesony.48 Nivory nanodidina azy ny olona tany Damasy sy tany Egipta mba hahalala bee koa ny irak'Andriamanitra sy ireo fombany.

Anas in Malik dia nanampy ny irak'Andriamanitra nandritry ny 10 taona tao Medina. Taorian'ny fahafatesan'ny irak'Andriamanitra izy dia velona maharitra ary nampianatra nyf omba amam-panaom-paminaniana nandritra izany.

Ny fomba amam-panao rehetra voarakitra tao amin'ny "Kanz al-Umm al", anisan'izany ireo hadita tena marina sy ny hafa izay mampiahiahy ny fiampitany dia miisa ho 46 624. Tamin'ireo tradisionista tamin'ny fotoana voalohan'ny silamo dia maro ireo nitahiry hadita mihoatry ny 100000, anisan'ireo ny hadita noforonina. Amin'ny fanomezana izany, ireo be ahiahy sy mpanimba ny SONA dia tsy nanan-kevitra afa tsy ny hoe maro loatra ireo hadita taterin'ny mpanaradia sasany mba ho azony tadidiana tsara sy taterina.


[4] Hakim, Ma'rifat 'Ulum al-Hadith, 22-24.
[5] Le Messager déclare: "Mes Compagnons sont comme des étoiles; quiconque parmi eux que vous suiviez, vous serez guidés (vers le Chemin Droit)." Ce hadith est explicitement corroboré par le verset: Quand tu disais à celui que Dieu avait comblé de bienfaits… (33:37) Par celui que Dieu avait comblé, le verset fait référence à Zayd ibn Haritha, l'esclave émancipé du Messager qui n'est pas inclus parmi les plus grands Compagnons. Dieu ordonne à tous les musulmans de suivre la voie de ceux qu'Il comble: Guide-nous dans le Droit Chemin, le chemin de ceux que Tu as comblés de faveurs, (1:5). Cela signifie que les Compagnons, surtout les plus grands d'entre eux, sont des guides par lesquels nous pouvons trouver le Droit ou le Vrai Chemin. (Tr.)
[6] Haythami, Majma' az-Zawa'id, 1:57; Hindi, Kanz al-'Ummal, 13:353.
[7] Ibn Hajar, 1:10.
[8] Bukhari, "Tafsir," 59/6.
[9] Bukhari, "Fadha'il al-Ashab," 5; Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 221.
[10] Tirmidhi, "Manaqib," 58; Ibn Hibban, 9:189; Ibn Hanbal, 5:57. Faire du mal est utilisé au sens figuré, pour dire déplaire, offenser, ou attirer la colère de Dieu sur soi.
[11] Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 207. C'est-à-dire que les cieux sont maintenus par l'ordre délicat des étoiles. Quand cet ordre s'écroule, cela implique la destruction finale de l'univers. Le Prophète était un moyen de sécurité pour ses Compagnons. 20 ans après sa mort, les gens se mirent à calomnier les Compagnons. Leur existence, surtout celle des plus grands d'entre eux, était un moyen de sécurité pour la nation musulmane. Après leur mort, les malheurs commencèrent à s'abattre sur les musulmans. (Tr.)
[12] Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 212; Bukhari, "Fadha'il al-Ashab," 1.
[13] Abu Nu'aym, Hilya, 1:305.
[14] Ibid., 1:375.
[15] Ibid., 1:135.
[16] Ibn Hajar, 4:202.
[17] Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 158; Ibn Sa'd, 4:328.
[18] Hakim, Mustadrak, 3:508.
[19] Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 159; Ibn Sa'd, 4:329, 330.
[20] Bukhari, "At'ima," 1.
[21] Bukhari, "Fadha'il al-Ashab," 10.
[22] Bukhari, "'Ilm," 42; Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 159; Ibn Sa'd, 4:332.
[23] Ibn Sa'd, 4:330-1.
[24] Hakim, 3:512; Ibn Kathir, Al-Bidaya, 8:109.
[25] Ibn Hajar, 4:205.
[26] Ibn Sa'd, 4:335-6; Ibn Athir, 6:321; Ibn Hajar, 4:210.
[27] Bukhari, "Fitan," 9; Muslim, "Fitan," 10.
[28] Bukhari, "itan," 3; Ibn Hanbal, 2:288.
[29] Ibn Kathir, 8:122.
[30] Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 160.
[31] Hakim, "Mustadrak," 3:509-10.
[32] Bukhari, "Wudu'," 10; Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 138.
[33] Ibn Athir, 3:291.
[34] Bukhari, "Tafsir," 110/3.
[35] Ibn Hajar, 2:332.
[36] Ibn Kathir, Tafsir: Surat al-Fajr, verses 27-30; Haythami, Majma', 9:285.
[37] Ibn Hanbal, Musnad, 2:131.
[38] Ibn Hisham, Sira, 1:374.
[39] Bukhari, "Maghazi," 6; Ibn Sa'd, 4:143.
[40] Ibn Khalliqan, Wafayat al-A'yan, 2:30.
[41] Ibn Sa'd, 4:185-87.
[42] Bukhari, "Fadha'il al-Ashab," 27; Ibn Sa'd, 3:153.
[43] Ibn Maja, "Muqaddima," 11; Hakim, Mustadrak, 2:318; Ibn Hajar, Al-Isaba, 2:369.
[44] Tirmidhi, "Tafsir al-Qur'an," 5.
[45] Ibn Sa'd, 3:155.
[46] Ibid., 157.
[47] Ibn Kathir, 7:183.
[48] Ibn Hajar, 1:213.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.