Tombana ankapobeny

Ady roapolo teo ho eo no teo alohan'ny adin'I Badhr. Noho ireo toe-javatra ireo dia nifehy ny tany efitra anontolo ny irak'Andriamanitra ary nanohina ny moralin'ny mponin'ilam. Nanomboka nahatsapoa ny herin'ny fivavahana silamo ny ankamaroan’ny mponina antany efitra ary nanatona ny silamo tamin'ny fifanarahana sasantsasany. Fanafihana iray ihany no nahafatesana silamo ary nandratra miaramila fahavalo maro. Niantoka ny fandriampahalemana ny silamo. Tsy nanao an-keriny ny mpivarotra sy tsy nangalatra ny entan’ireo bedoina izy.

Nametraka tranonokalam-pifandraisana miafina ny irak'Andriamanitra mba ahafantaranyizay mitranga rehetra any amin'ny tany efitr'I La Mecque. Raitra dia raitra io paik'ady io ary saika tsy fantatr'iroe mpiaradia taminy tao Medina, ohatra. Najanony tao La Mecque ho mpitsikilo miafina I Abbas dadatoany. Rehefa hanafika ny Mpaminany Mohammed dia tsy fantatry ny olona mazava izay heveriny sy ny toerana handehanany izay efa ao an-dohany.16 Nampiasa Iraka hampahalala vaovao ny miaramilany izy ary ny vaovao dia fantany amin'ny alalan'ny tranonkalam-pifandraisana. Mahazo vaovao amin'ny fotoana rehetra izy amin'ny alalan'io lamina io. Ny mpifindra monina ihany no nandray anjara tamin'ireo fanafihana ireo. Niady tamin'ny mpifindra monina aloha ny koraisita ary tsy nikendry afa tsy ny hialokaloka tao Medina izy ireo. Nkaoatra izany dia ireo mpifindra monina no noterena hiala tao antanàna aryhamela ny fananany ao. Ary ny Ansara (mpamonjy tao Medina) dia nanome toky fa hanampy ny silamo, azo heverina amin'izany fa hiady aminy làlan'Andriamanitra ihany koa izy ireo. Niseho tamin'ny fahaizany mifidy ireo mpitarika ny miaramila ny fahaizan'ny Mpaminany mikasika ny miaramila. I Amza dadatoany no nitarika ny fanafihana voalohany. Nanana fahaiza-mitsara masina koa I Hamza ankoatry ny herim-po sy ny heriny, ary nanana hevitra tsara sy hakingana ara-pandaminana. Mandrapanaovan'ny fiarahamoniny ireo heviny sy ny zavatra iriny atao dia nofanin'ny irak'Andriamanitra tamin'ny alalan'ireo olona akaiky azy aloha izy ireo. Hatramin'ny nisehoan'ny hery miaramila voalohany tamin'ny asany tao Medina dia ny fianakaviany hatrany no nampitanan'ny irak'Andriamanitra ny ady mandrapizatran'ny rehetra amin'izany. Marihiny fa ireo mpitarika ireo dia heneralyambony sy manam-pahaizana atonona io toerana misy azy io. Ankoatra izany dia nankasitraka tanteraka ny finoana silamo koa izy ireo. Maty maritiora tao Ouhoudi Hamza rehefa avy nahafaty miaramila fahavalo mihoatry ny roapolo. I Ubayd in Harith, zanadrahalahin'ny Mpaminany kosa dia maty tao Badr noho ny ratra mafy nahazo azy. Nangataka toy izao tamin'ny irak'Andriamanitra izy alohan'ny hahafatesany: "Ry irak'Andriamanitra, tsy maty aho fa niady mafy. Mba azo hevero ho toy ny maritiora va aho na izany aza?"17

Ny fanafihana tany Nuhla dia notarihin'I Abd Allah ibn Jahsh zana-drahavavin-drenin'ny Mpaminany. Niady tamin-kerim-po izy nandritry ny tapany faharoa tamnady tao Ouhoud. Nifanehitra tamin'I Sa‛d Abi Waqqas izy ary niteny taminy hoe:

"Avia ary mivavaka, ary hiteny aho hoe "amena" amin'ny fivavahanao. Ary hivavaka aho avy ary mitenena hoe "amena" amin'ny ahy"

"Andriamanitra ô, ataovy mifanena amin'ny iray amin'ireo miaramila matanjaka indrindra aho ary ataovy resiko izy hoy vavak'I Sa‛d".

"Amena" hoy ny navalin'I Ibn Jahsh ary nanao ny anjara fivavahany indray izy. Andriamanitra ô, ataovy mifanena amin'ny miaramila mahery idnrindra aho. Ary aorian'ny handratrako azy ireo mafy, avelao hamono ahy izy ireo, hanapaka ny sofiko, ny oroko sy ny molotro mba hahatongavako eo aminao mivoa-dra fatratra. Hanontany ahy ianao hoe: Ry Abd Allah, nankaiza ny sofinao, ny oronao sy ny molotrao?" ary hamaly aho hoe: "Andriamanitra ô, menatra ny ho eo anoloanao miaraka amin'ireo ratsam-batana nanaovako fahotana aho, izany no nanaovako sorona azy ireo tamin'ny ady nataoko tamin'ny làlan'ny tianao".

Rehefa tapitra ny adyhita nivalampatra tamin'ny tany I Abd Allah ibn Jahsh, vaky ny kibony, tsy teo intsony ny sofiny sy ny orony ary ny molony.

Farany, noranitin'ny Mpaminany tamin'ny zavatra tsy nampoizina tamin'ny fandefasana miaramila hanafika tsy ankiato ny koraisita. Miaramila 1000 avy any La Mecque no nankany Badr, 145 kilometatra avy eo Medina mba hamonjy ireo mpivarotra hono.


[16] Ibn Hisham, 4:39-42; Ibn Kathir, Al-Bidaya, 4:332-335.
[17] Hakim. Mustadrak, 3:188; Ibn Kathir, 3:334.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.