• Home
  • Terrorisme
  • Resadresaka Natao Miaraka Tamin'atoa Fethullah Gülen

Resadresaka Natao Miaraka Tamin'atoa Fethullah Gülen

Tsy maintsy miteny ny silamo hoe: «Ao amin'ny tena silamo marina dia tsy misy ny fampihorohoroana»

Azo atao tsara ny manambara ankehitriny fa tsy fantatra ny finoana silamo. Tsy maintsy miteny ny silamo hoe: «ao amin'ny tena finoana silamo marina dia tsy misy ny fampihorohoroana». Amin'ny finoana silamo ny famonoana olona dia heloka lehibe noho ny tsy finoana. Tsy misy na iza na iza manan-jo hamono olona. Tsy misy afaka manao izany amin'ny tsy manantsiny na dia amin'ny fotoanan'ny ady aza. Tsy misy olona na dia iray aza afaka mandray fanapahan-kevitra mikasika izany toe-javatra izany. Tsy misy olona afaka hiova ho fomba. Tsy misy olona afaka mankao anaty vahoaka miaaka amin'ny baomba mifatotra eny aminy. Na inona na inona fivavahan'ireo vahoaka ireo dia raran'ny fivavahana izany. Na dia misy ady aza –sarotra ny mametraka ny fifandanjana ao- dia tsy azo atao izany amin'ny finoana silamo. Hoy ny finoana silamo:

«Aza mikasika ny zaza na ireo izay mivavaka ao ampiangonana». Ary tsy inday mandeha no nilazana izany, fa naverimberina nandritry ny tantara manontolo. Izay nolazain'ny Mpaminany Mohammed mpampianatra antsika, izay nolazain'I Abou Bakr sy izay voalazan'I Omar dia mitovy amin'izay nolazain'I Salahaddin Ayyoubi, Al-parslam sy Hiliçarstam. Nilaza zavatra mitovy toy izany koa ny Solitana Mehmet II Le Conquérant. Ny tananan'i Constantinople izay nanjakan'ny korontana dia nanjary ho Istambul. Tsy nanao ratsy tamin'ny Armenianina ny Grika tao amin'io tanan-dehibe io, ary ny Armenianina koa tsy namotika ny Grika. Tsy nanao ratsy na tamin'iza na tamin'iza koa ny silamo. Fotoana fohy taorian'ny nanafiana an'i Constantinopla dia nisy sarin'ny Conquérant lehibe nipetaka teo amin'ny rindrin-trano fonenan'ny Patriarka. Tsy azo natao ny zavatra toy izany tamin'io vanim-potoana io. Ary dia manambara ny tantara fa ny niantso ny Patriarka hanatitra any aminy ny fanalahidin'ny tanana ny Solitana. Mbola ampahatsiahivin'ny Patriarka ampanajana izany ankehitriny. Amin'izao androntsika izao anefa dia tsy fantatra araka ny tokony ho izy ny finoana silamo. Manaja ny tsy fitovian-kevitra mandrakariva ny finoana silamo ary tsy maintsy azo tsara izany raha te hahatsapa ny lanjany marina.

Malahelo aho milaza fa any amin'ny tany iainan'ny silamo dia misy mpitarika fivavahana sasany sy silamo tsy matotra tsy manana fitaovam-piadiana afa tsy ny fandikany diso ny finoana silamo. Ampiasain'izy ireo mba handrisihana ny olona hiady izay tsy ialaina afa tsy amin'ny tombotsoan'izy ireo izany. Ny finoana silamo dia finoana tsy mba miofa ka tsy maintsy iainana amin'ny fomba tsy miofo koa. Eny andalam-pinoana dia tsy mahazo mampiasa fomba fiasa diso. Amin'ny finoana silamo, ny tanjony dia tsy maintsy ara-drariny ary tsy maintsy ara-drariny koa ny fitaovana rehetra hanatrarana io tanjona io. Amin'io fomba fijery io dia tsy misy olona hahazo ny Paradisa amin'ny famonoana olon-kafa. Tsy afaka miteny ny silamo iray hoe: «te-hamono olona aho ary aorian'izany dia ho any am-Paradisa». Tsy azo amin'ny famonoan'olona ny fankatoavan'Andriamanitra. Anisan'ny tanjon'ny silamo lehibe iray ny fahazoana ny fankatoavan'Andriamanitra; iray hafa koa ny mampahafantatra ny anaran'Andriamanitra mahery indrindra manerana izao tontolo izao.

Mazava ny fitsipiky ny silamo. Tsy mamaky ady aman'olona izy. Ny vondrona na tambazotra iray dia tsy mahazo mamaky ady ihany koa. Ny fanjakana ihany no afaka manao izany. Tsy azo atao ny ady raha tsy misy filoha na tafika mamaky ny ady; raha tsy izany dia fampihorohoroana. Raha amin'ny toe-javatra toy izany dia miditra ao amin'ny tontolon'ny ady ary miray hina –ialako tsiny ny fomba fiteny- vondron-dahalo. Misy hafa koa mampivondrona hafa manodidina azy. Raha mahazo alalana hamaky ady ny tsirairay dia hanjaka ny fanjakan'ny baroa satria na dia tsy fitovizan-kevitra kely fotsiny aza tsy hampifandrafy ny olona. Tsy misy na iza na iza afaka miteny hoe: «Hamaky ady amin-dranona aho». Mety ho voaheloka toy izao manaaka izao ny olona iray mandefitra manoloana ny maha kristianina: «Io olona io, I ranona dia manampy ny maha kristianina ary mampalemy ny silamo. Tsy maintsy miady aminy ary mamono azy» Famakiana ady no vokatr'izany. Raha tsy mamaky ady ny fanjakana dia tsy misy na iza na iza afaka miady. Na iza na iza manao izany, na dia manam-pahaizana deraiko aza dia tsy manorina ady marina; mifanohitra amin'ny fisainana silamo izany. Mazava tsara amin'ny finoana silamo ny fitsipiky ny ady sy ny fandriampahalemana.

Tsy misy tontolo islamika

Araka ny hevitro dia tsy misy ny tontolo islamika tena marina. Misy fotsiny toerana onenan'ny silamo. Ny toerana sasany dia be silamo kokoa noho ny hafa. matetika ny finoana silamo dia raisina ho toy ny fomba fiainana fotsiny, kolotsaina fa tsy fivavahana. Misy ny silamo mifototra amin'ny finoana silamo araka izay fiheviny fotsiny. Ny tiako ho tenenina amin'izany dia tsy ny silamo ifotony sy mpiziriziry amin'ny heviny fa ireo silamo tsotra miaina amin'ny finoana silamo araka izay itiavany azy. Ny fepetra voalohany mba ho tena silamo marina dia mino sy miaina mifanaaka amin'io finoana io. Ny silamo dia tsy maintsy miantsoroka ny andraikitra mifanaraka sy mifamatotra amin'ny finoana silamo. Tsy azo atao ny manondro toerana iray ao amin'ny saritanin'izao tontolo izao hoe ahitana fiarahamonina miaina amin'io foto-kevitra io sy ahitana io fahendrena io. Ny filazana fa misy izany dia fanalam-baraka ny finoana silamo. Ny milaza koa anefa fa tsy misy ny finoana silamo dia fanalam-baraka sy fanevatevana ny zanak'olombelona. Tsy mihevitra aho fa afaka mametraka ny fifandanjana eto an-tany ny silamo amin'izao fotoana izao. Tsy mahita fomba fijery toy izany amin'ireo mpitarika ankehitriny aho. Na dia efa misy fahazavana kely manomboka mahita masoandro aza dia mbola tsy mahafantatra na inona na inona ny tontolo silamo. Azo marihana izany mandritry ny «hajja» (fivahiniana masina lehibe), mandritry ny ady hevitra; hita ihany koa izany amin'ny fivorian'ny solombavam-bahoaka arahina amin'ny fahita lavitra. Ambany dia ambany ny fatrapahatakarana. Tsy manana ny fahaiza-manao hamaha ny olon'izao tontolo izao ireo silamo ireo –mba farafaharatsiny tsy amin'izao fotoana izao fa aoaoriana kely.tsy misy manerana izao tontolo izao ny silamo ankehitriny fa hatreo amin'ny tsirairay fotsiny. Misy silamo etsy sy eroa, manerana izao tontolo izao; mitsitokotoko; misaratsaraka. Amiko manokana tsy mahita silamo tonga lafatra aho. Raha mbola tsy afaka mifandray ny silamo tsirairay ary manorina fiaisankina, miara-miasa mba hamahana ny olana iombonana, mahafantatra sy mandinika ny tontolo, mijery izany amin'ny fahazavan'ny CORAN, mandinika tsara ny hoavy ka mamolavola tetik'asa mifanaraka amin'izany, ary mamaritra ny toerany amin'ny hoavy, dia tsy mihevitra aho fa misy ny tontolo islamika. Satria tsy misy ny tontolo silamo, manao ny ataony manokana ny tsirairay. Azo lazaina aza fa misy ny silamo manana ny fahamarinany manokana. Tsy azo heverina ny fisian'ny finoana silamo itovizan'ny rehetra hevitra izay voamarin'ny manam-pahaizana manokana, mifatotra tsara amin'ny CORAN ary voasedra matetika sy voamarina. Tsy misy tsapa afa tsy ny finoana silamo kolotsaina.

Efa misy ny toy izany nandritry ny taonjato faha V taorian'ny Hezira (Taonjato faha XI taorian'I J.-C.). Nanomboka tany ho any amin'ny vanim-potoanan'ny Abasida io firehana io na tamin'ny fisehoan'ny Selojokida. Niha mafy izy taorian'ny fanafihana an'I Istambul. Taty aoriana, nihidy tamin'ny fandinihana vaovao ny varavarana. Tery dia tery ny fivelaram-pisainana. Nihatery ny dadasika tao amin'ny fanahin'ny silamo. Nanomboka niseho tao amin'ny tontolon'ny silamo ny olona tsy manam-pitandremana: zavatra tsy mahatsapa na inona na inona izay tsy afaka mandefitra na hisokatra manoloana ny hafa. niainana tao amin'ny toeram-ponenan'ireo mpino koa izany hateren-tsaina izany, malahelo aho, eny fa na dia hatrany amin'ny «madrasa» (sekoly fianarana teolojia) aza. Mazava ho azy fa mila fiovana sy fanovana avy amin'ny olombelona isaky ny tontolo misy azy avy ireo toerana rehetra ireo.

Ny tambajotra al-Qaïda

Ny olona iray tena halako indrindra eto amin'izao tontolo izao dia i Oussama Ben Laden, satria izy nandoto ny endrika mamirapiratry ny finoana silamo. Niteraka endrika mampandoha izy. Na dia hanao ny ezaka lehibe tsy hita nonoa hanitsiana ny fahasimbana mahasiravina nataony aza isika, dia mila taona maro izany.

Hatraiza hatraiza isika no miteny io fivilianan-dalana io. Manoratra boky mikasika izany isika. Midradradradra mafy isika fa «tsy toy izany ny finoana silamo». Nosoloin'I Ben Laden ny lojikany samy irery sy ny heritreriny ary ny faniriany manokana ny lojika silamo. Zava-doza ny nataony sy ireo manodidina azy. Raha misy olona mitovy aminy na aiza na aiza eto ambonin'ny tany dia mitovy amin'ny biby koa.

Melohintsika ny fihetsin'I Ben Laden. Matetika, ny fomba tokana hahatongavana amin'ny habibiana toy izany dia satria ny silamo monina any amin'ny firenena miseho ho silamo –ary averiko indray fa tsy mihevitra tontolo islamika aho fa tany onenan'ny silamo fotsiny- dia mamaha ny olany manokana.

Mba misaina tsy mitovy amin'izany va ny silamo rehefa mifidy ny solontenan'izy ireo? Sa mba manao fiovana lehibe izy ireo? Ma ho afaka mahita masoandro ny taranaka vaovao voabe dia tsy maintsy miasa mafy mba hamaha ny olany ny silamo. Iray amin'ireny ny asa fampihorohoroana fa ao koa ny maro hafa: ny zava-mahadomelina, ny sigara, ny fisaratsarahana, ny korontsana sivily, ny fahantrana tsy ankiato, ny henatra fa entiny vahiny, miforitra eo andoan'ny ziogany ary ny fangejana tsy misy fitsaharany.araka ny voalazan'I Mehmet Akif Ersoy dia misy hatraiza hatraiza ny karazan'olana, ny fanandevozana, ny fiankinan-doha, ny fivilianan-dalana sy ny fanekena ny zava-drehetra ho fahazarana.? Mianjera eto amin'ny firenentsika avokoa ireo lozan'Andriamanitra ireo. Mino aho fa ny fomba hialana amin'izany dia ny fetezana ho olon'ny tsara, ary mba ho olon'ny tsara dia tsy maintsy tia tanteraka an'Andriamanitra aloha.

Ny andraikitsika

Fahadisoantsika izany, fahadisoan'ny firenena, fahadisoan'ny lamim-pampianarana. Ny tena silamo marina, izay mahazo ny finoana silamo amin'ny endriny rehetra tsy hanjary mpampihorohoro na oviana na oviana. Sarotra ny mandinika fa mbola ho silamo ny olona iray mifahatra ao amin'ny fampihorohoroana. Melohin'ny fivavahana tanteraka ny famonoana olombelona mba hahatongavana amina tanjona iray. Mazava loatra anefa fa ezaka toy inona no efa nataontsika mba hanabeazana ireo olona ireo mba ho olombelona tonga lafatra? Foto-kevitra toy inona no mampifandray antsika aminy? Hevi-panabeazana toy inona no nasehontsika taminy ho an'ny fanabeazana azy mba ahafahantsika ankehitriny manantena fa tsy hirotsaka amin'ny fampihorohoroana izy ireo?

Azo arovana amin'ny lozan'ny firotsahana ho mpampihorohoro ny olona amin'ny fifatorana amin'ny soatovina silamo, amin'ny fanomezan'ny finoana, amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra, amin'ny fahatahorana ny fitsarana amin'ny andro farany sy amin'ny fahatahorana ny hanohitra ny didin'Andriamanitra. Matetika isika dia tsy mahay maneho porofo ilaina mifanaraka amin'io hevitra voalaza io. Na dia efa misy finiavana mitsilopilopy mankamin'izany lalana izany aza ankehitriny dia misy mpiray tanindrazana sasany manao izay rehetra tsy hampahomby azy.

Misy ny sasany manohitra ny famitana tetikasa izay tena ilaintsika fatratra. Mihevitra izy ireo fa ny lesona mikasika ny moraly sy ny kolontsaina dia tsy azo ampidirina any amin'ny toeram-pibeazana. Ny zavatra rehetra izay tsy maintsy fantatsika mba ho afaka miaina tsara anefa dia tokony hampianarina any an-tsekoly. Izay rehetra mifandraika amin'ny fahasalamana sy ny fahadiovana dia tsy maintsy ampianarin'ny dokotera. Tsy maintsy azo tovozina any antsekoly izay rehetra mifamatotra amin'ny fiainana, ao antokatrano, amin'ny fifandraisan'ny mpivady sy amin'ny fanabeazana ny ankizy madinika. Misy anefa ny ankoatr'izany. I Turquie sy ny firenen-kefa toa silamo dia miharitra ny zava-mahadomelina, ny loka sy ny kolikoly. Maro ny olona any Turquie no mifangaro amin'ny kolikoly amin'ny endriny maro sy ny halatra. Io hadalana io dia tsy hita any amin'ny toerana azo aleha tsara indraindray. Ao anefa ireo toerana tsy dia misy mpifanerasera loatra, misy olona tsy azo anontaniana ary tsy azo angatahana fanazavan-javatra satria voaaro. Noho izany dia mihidy sy tsy hitan'ny be sy ny maro ny afera.

Miha mahazo vahana eto amintsika ireo zava-drehetra ireo. Zanatsika avokoa izy ireny. Ahoana no nahatonga azy ireo ho toy izany fotsiny? Ahoana no mahatonga ny sasany ho mpandray anjara amin'ny herisetra tsy ara-drariny? Ahoana no mahatonga ny sasany hikomy amin'ny soa toavina maha olombelona? Ahoana no ahafahany miara miaina amin'ireo vahoaka mitovy aminy sy ahafahany manimba ny rehetra?

Nobeazina teo anatrehantsika ireo olona rehetra ireo. Nisy tsy fahatomombanana teo amin'ny fanabeazana azy noho izany, lesoka sy tsy fahombiazana tokony ho dinihina sy fongorana. Amin'ny teny fohy, tsy nomena ny zanak'olombelona tao amin'ny fanabeazana ny tokony ho laharam-pahamehana. Teny an-tsefatsefa-potoana teny dia misy taranaka very, nampahantraina sy simba.

Ireo tanora tsy nahazo fahafaham-po dia nanjary tanora tsy ampy fanahy. Misy mahazo tombotsoa amin'ny fahosan'izy ireo ary manome azy vola kely na mamadika azy ireo ho robo. Manome azy ireo zava-mahadomelina ireo. Nanjary matoan-dahatsoratra azo vakiana amin'ny magazina sy ny vaovao izany. Tsy nontanana tsara mandra-pahatonga azy ho voarebireby ireo tanora ireo. Ampiasaina ho toy ny mpamono olona izy ireo ary takonana ao ambadiky ny hevitra sy ny tanjona tian-kotratrarina ary entina hamonoana olona. Ny olona sasany mihevi-dratsy dia te-hanatratra ny tanjony amin'ny famitahana ireo tanora ireo.

Avadika ho sary olona izy ireo. Nisy fotoana tany Turquie nahafaty mpiray tanindrazana maro. Nisy vondrona iray nampamonoina olona, ny hafa indray namono ny sasany koa. Tafiditra tao anatin'ny ady nilatsahandra ny rehetra mandrapahatongan'ny mpitandro filaminana ny 12 Martsa 1971 sy ny 12 Septambra 1980[1]. Toy ny liana ny ràn'ny hafa ny tsirairay. Nifamono ny olona, toy ny hoe misy zavatra tiany ho tratrarina.

Mpampihorohoro avokoa ny rehetra; ireo izay amin'iry antoko iry, ireo izay amin'itsy antoko itsy, ny rehetra mihitsy. Ny tsirairay anefa dia nametraka famantarana samy hafa amin'ny asany. Ny iray kosa niteny hoe:

«Ataoko izao amin'ny anaran'ny finoana silamo», ny iray hafa miteny hoe: «Miady amin'ny kapitalista sy ny fitsetsefana aho». Teny fotsiny, tsy misy afa tsy teny. Ambaran'ny CORAN masina ho «Tsinontsinona» ireo teny ireo. Tsy misy na dia kely aza soa toavina manome rariny ny korontana. Tohizin'ny olona anefa ny famonoana olona. Mamono amin'ny anaran'ny fakantahaka ambony ny tsirairay avy.

Firifiry akory ny maty amin'ny anaran'ireo fakatahaka lian-drà ireo. Tsy inona izy ireo fa mpampihorohoro fotsiny ihany. Satria ny olondrehetra no manao fahadisoana fa tsy ny silamo irery ihany ka manjary tanjona azo tanterahina ireo famonoana olona ireo. Tsy misy dikany ny famonoan'olona. Lasa fahazaran'ny rehetra ny famonoan'olona na dia eo aza ny loza maro aterany. Indray andro nisy namana iray izay noderaiko tokoa namono bibilava. Manana maripahaizana avy ao amin'ny fakioltean'ny teolojia izy ary mampianatra ao amin'ny trano fivavahana. Tsy niteny taminy aho nandritry ny volana iray. Hoy aho taminy: «Anisan'ny zavaboary io bibilava io ka manan-jo ho velona. Zo inona no nahafahanao namono azy?»

Ankehitriny kosa anefa, raha 10 na 20 ny olona maty, na tsy betsaka ka tsy misy ahiana ny isan'ny olona maty dia lazaina hoe «Olombelona! Tsy dia mampaninona loatra, tsy dia maro ny olona maty». Io herisetra toa horohoro io dia manjary azon'ny tontolo maro ekena ary amin'ny endrika tsy mbola nisy toy izany. Lazaina hoe: «Soa ihany fa tsy nisy afa tsy 20 no maty». Raha atao amin'ny teny fohy dia ny fiarahamonina manontolo mihintsy ankehitriny no lasa manaiky ireny toe-javatra ireny ho lasa toy ny fiainana an-davanandro.

Afaka hanafoana ny toe-javatra toy izany va ny fanabeazana. Afaka hanala hisakana izany va ny lalàna sy ny fitsipiky ny governemanta. Misy vondrona sasany izay voaharo tsara ka voasambotra dia manome vahana ny fahavetavetana ary mampihen-danja ny zava-dehibe ho amin'ny laharan'ny zava-betaveta. Misy ny vahaolona hiadiana amin'izany. Mifototra amin'ny fampianarana mivantana ny fahamarinana izy io. Tsy maintsy hazavaina fa tsy mety ho mpampihorohoro ny tena silamo marina. Ahoana no hazavaina izany? Satria tsy maintsy mahatsapa ny olona fa raha manao ratsy kely fotsiny izy, na dia kely toy ny atoma aza dia tsy maintsy hanadinana azy izany eto an-tany sy any an-danitra (Sorata az-Zizal 99: 7-8).

Vokany, araka ny voalazan'ny CORAN masina dia toy ny mamono ny olombelona manontolo ny mamono olona iray monja. Manampy izany aza I Ibn Abbas fa mijanona mandrakizay ao amin'ny afobe ny mpamono olona. Mitovy amin'ny sazin'ny tsy mpino koa izany. Midika izany fa izay mamono tsy manantsiny dia iharan'ny sazy toy ny tsy mpino. Noho izany, amin'ny andron'ny fitsarana farany dia midin-daharana ho toy ny tsy mpino an'Andriamanitra sy ny Mpaminany ny mpamono olona. Raha hevitra ifotoan'ny fivavahana izany dia tsy maintsy ampianarina any an-tsekoly.

* Ampahany tamin'ny fanontaniana napetrak'I Nuriys Akman tamin'I Gülen, navoaka tao amin'ny gazety Zaman ny 22 Martsa hatramin'ny 1er Aprily 2004.


[1] Nahitana fanonganam-panjakana 3 tany Turquie nandritry ny tapany faharoan'ny taonjato faha XX. Ny daty nomena mifanaraka tamin'ny fanonganam-panjakana faharoa sy fahatelo izay nitranga noho ny korontana sivily.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.